- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary : Miely Manerana An'i Brezila Ny Hetsi-panoherana ‘Fitroarana Vinaigitra’ Mitsipaka Ny Fiakaran'ny Saran-dalana

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka

[Mitondra any amin'ny vohikala teny Portiogey avokoa ny rohy rehetra afa-tsy ireo izay asiana filazana hafa.]

Efa miparitaka manerana ny tanana ilay onjam-panoherana manohitra ny fiakaran'ny saran-dalana ao São Paulo ary lasa hetsika nasionaly mihitsy.

 Ilay hetsi-panoherana Free Fare Movement (Hetsika Saran-dalana Maimaim-poana) [1] dia manohitra ny fiakaran'ny saran-dalana miala amin'ny 3 reais Breziliana (1.40 dolara Amerikana) ho 3.20 reais (1.50 dolara Amerikana) nanomboka nihatra tamin'ny fiandohan'ny volana Jona lasa teo. Notsenain'ireo mpitandro ny filaminana tamin'ny tsifotra mampihevina, bala fingotra ary entona mandatsa-dranomaso, niampy fisamborana olona an-jatony, [2]ilay hetsi-panoherana natao tao São Paulo ny 13 Jona.

Nantsoina hoe “Fitroarana Vinaigitra [3]” ilay hetsika taorian'ny fampiasàn'ireo mpanao hetsi-panoherana akanjo vonto vinaigitra hiarovan'izy tena amin'ny vokatry ny baomba mandatsa-dranomaso atsipin'ireo polisy. Voasambotra ilay mpanao gazety Piero Locatelli, mpanoratra ao amin'ny gazetiboky Carta Capital [4], naka sary ireo mpanao hetsi-panoherana ny 13 Jona noho izy nitondra vinaigitra tao anaty kitapo fibabiny, araky ny hita eto amin'ity Lahatsarin'ny YouTube [5] eto ity.

Ny hetsika manaraka, izay novisavisaina ho tanterahina ny 17 Jona aza moa dia efa nantsoina tamim-panesoana hoe “Diabe hanaovana ny vinaigitra ho ara-dalàna.”

Amin'ny ankapobeny, toy ny hoe “mpanakorontana” sy “mpanimba zavatra” ny fahitan’ ireo filazam-baovao mahazatra ny olona mpanao fihetsiketsehana, kanefa niova tsikelikely io fandrakofam-baovao io [6] noho ny fijoroana vavolombelona nentin'ny fanaovan-gazettin'olon-tsotra izay nameno ny aterneto. Niparitaka be teny anaty tontolon'ny bilaogy ny fijoroana vavolombelona ny amin'ny fisian'ny famoretana feno herisetra ataon'ireo polisy. Ny bilaogy Tumblr feridosnoprotestosp.tumblr.com [7](izay midika hoe “naratra tao amin'ilay hetsi-panoherana”) dia natsangana mba hitoriana ny tranganà herisetra rehetra mihatra amin'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Tao amin'ny Twitter, dia tena nampiasain'ny maro tokoa ilay tenifototra #pimentavsvinagre [8] (#peppervsvinegar). Nozaraina tao amin'ny YouTube ihany koa ny lahatsary toy ity alefan'ity mpiasa an-tsitrapo ao amin'ny Global Voices Raphael Tsavkko [9] ity, izay mampiseho ny herisetran'ny polisy teny amin'ny lalàmben'i Augusta tao São Paulo.

Nizara lahatsary ahitàna ireo zava-nitranga maro samy hafa tao São Paulo ny Anonymous Brasil [10]tao amin'ny YouTube, ary miantso ny olona rehetra hidina an-dalàmbe.

Hetsika manerana an'i Brezila
Movimento Passe Livre São Paulo/Facebook [11]

Niha-nitombo ny hetsika fahaefatra fanoherana ny fiakaran'ny saran-dalana tao São Paulo / São Paulo Movement Free Pass / Facebook

Nanomboka ny 13 Jona dia niafara taminà fisamborana olona an-jatony hatrany ilay hetsika, nidina an-dalambe ny mponina avy any amin'ny faritra maro toy ny avy ao Rio de Janeiro sy Porto Alegre niatrika ny herisetran'ny polisy [12]. Ary raha toa ka ity diabe natao tamin'ity volana ity no nahitàna famoaham-baovao nasionaly sy Iraisam-pirenena [13]be indrindra, dia misy hifandraisany amin'ireo fitakiana iadiana amin'ny fiakaran'ny saran-dalana izay natao tamin'ny taon-dasa ihany izany.

Tao Natal, ilay renivohitr'i Rio Grande do Norte, ilay hetsika mitondra ny anarana hoe “Big Bus Revolt” dia efa nanomboka ny volana Septambra 2012 tamin'ny fotoana nitokonan'ireo tanora teny amin'ny toerana fiantsonan'ny fiara mpitatitra sy ireo arabe fampiasa indrindra ao an-tanàna mba hanoherana ny fiakaran'ny saran-dalana. Tamin'ity taona ity, rehefa nanao izay hamerenana ilay fampiakarana ny saran-dalana indray ny ekipa mpiara-miasa amin'ingahy Ben'ny tanana, dia indreo fa niverina teny an-dalambe indray ireo tanora.

Toy ny tany amin'ny tanàna hafa rehetra, niresaka momba ny fanimban-javatra [14]ny filazam-baovao tao an-toerana. Tena nisedra famoretana feno herisetra avy amin'ny polisy ilay hetsika natao ny 15 May 2013, araka ny asehon'ity lahatsary tao amin'ny YouTube nalefan'ny Coletivofoque [15]ity.

Mafana fo maro avy amin'ny Anonymous no nibahana ilay vohikala [16] “site of the Union of Passenger Transport Companies of the City of Natal”(SETURN), na ny vohikalan'ilay Fikambanan'ny Mpitatitra ao amin'ny Kaominin'i Natal , ilay sampana miandraikitra ny fitateram-bahoaka ao amin'ny tanàna, ary nampakatra lahatsoratra hanasàna ny mponina handray anjara amin'ilay hetsi-panoherana hatao ny 20 Jona.

Tao Porto Alegre, ilay renivohitr'i Rio Grande do Sul, nahavita nampiato ilay fanapahan-kevitra [17] fampiakarana ny saran-dalana ny vahoaka tamin'ny alalan'ny fidinana an-dalambe ny volana Martsa 2013. Taorian'io tsindry io, nahaton'ny Fitsarana ilay fanovàna ny volana Aprily. Na dia izany aza anefa, hisy fitsarana ihany afaka roa herinandro aorian'io, izay mety hampihatra ilay fanapahan-kevitra indray. Ny Association of Passenger Transporters (ATP)na ny Fikambanan'ny Mpitatitra vahoaka, ilay orinasa miandraikitra ny fitateram-bahoaka ao amin'ny tanana dia miandry fatratra ilay fitsarana. Ny tolo-kevitr'ilay orinasa dia ny hiakaran'ny saran-dalana ho 2.85 reais Breziliana (1.32 dolara Amerikana) ka hatramin'ny 3.05 reais (1.41 dolara Amerikana).

Mba hanaovana tsindry amin'ilay fiakaran'ny saran-dalana dia nisy ny diabe niarahana nizotra teny amin'ny lalambe teny atsimon'ny renivohitra ny 13 Jona. Nahitàna famoretana avy amin'ny borigady miaramila izany, nisy ny fitifirana tamin'ny bala fingotra sy baomba mandatsa-dranomaso, araky ny naseho tamin'ilay lahatsary tao amin'ny Coletivocatarse [18]:

Voalaza fa nisy tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana no namotika fitoeram-pako sy namaky ny jironà kamiao ka dia 23 ny totalin'ireo olona voasambotra tamin'io alina io, 18 lehilahy ary 5 vehivavy, araky ny voalazan'n’ny vohikalam-baovao [19]. Lahatsary iray nakarin'ilay mpampiasa YouTube Jeronimo Menezes [20] no mampiseho polisy mitam-piadiana miditra tao amin'ilay trano fisotroana iray tao amin'ny João Pessoa Avenue ary nandrahona ny olona tao, mba hanerena azy ireo hanondro izay nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana.

Ny omaly hariva talohan'ny fanombohan'ny Fiadiana ny Amboaran'ny kaonfederasiona, ilay hetsika atao alohan'ny Amboara eran-tany 2014 izay hatao ao Brezila, dia lasa vanja nandrehitra ny afo nanairana ny sehatra maro hafa manan-daja kokoa ilay ady amin'ny fiakaran'ny saran-dalana, araky ny fampahatsiahivan'ilay mpanao gazety Luís Felipe dos Santos [21] azy.

O aumento da passagem é um pretexto para o padrão do Brasil como país emergente: o serviço encarece, mas não melhora. O ônibus ficou mais caro, mas não justificou esse aumento – continua lotando, continua matando os passageiros (como no Rio), continua atrasando. Como os ônibus, os imóveis também ficaram mais caros e não melhoraram. A saúde ficou mais cara e não melhorou. A educação ficou mais cara e não melhorou. Os preços dos ingressos de estádios de futebol encareceram e não melhoraram.

Ny fiakaran'ny saran-dalana dia sariohatra fotsiny ihany amin'ny fenitra [ny fiainana] ao Brezila amin'ny maha-toekarena vao mipongatra azy : miha lafo ny tolotra samihafa, kanefa tsy mihatsara. Miakatra mihalafo ny saran-dalana, kanefa tsy misy fanazavana – mbola mifanosina be hatrany ao anatin'izy ireny, mbola mahafaty olona foana (tahaky ny ao Rio), ary mbola mitaredretra ihany. Toy ny fiara fitateram-bahoaka, miha lafo ihany koa ny hofan-trano ary tsy mihatsara akory anefa. Eo koa ny sehatry ny fitsaboana izay miha lafo kanefa tsy mihatsara akory. Ny fampianarana miha lafo kanefa tsy misy fivoarana mihitsy. Mihalafo ny tapakila fijerena baolina kitra kanefa tsy misy fihatsarany.

Ity lahatsoratra ity dia niarahana nanoratra tamin'i Débora Baldelli [22].