- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fasana Talohan'ny Fanjanahana Espaniola, Mbola Tsy Nisy Nipika, Hita Tao Peroa

Sokajy: Amerika Latina, Però, Mediam-bahoaka, Tantara

@mitrataj [1]: Voasongon'ireo arkeology mpamongatra ny rakitry ny ela avy ao Peroa ireo mpamaky fasana tamin'ny alalàn'ny fihazonany ho tsiambaratelo ny voka-pikarohany http://on.natgeo.com/17kshEo [2] via @NatGeo [3] #wari [4] #huari [5]

 


Toy izany ny bitsika nalefan'i Mitra Taj (@mitrataj [6]) mikasika ilay vaovao momba ny fahitàna ilay efitra efa tany alohan'ny nahatongavan'ny Espaniola. Nifanindran-dalàna tamin'izay, namoaka iny vaovao iny ihany koa [7][es] ilay vohikala Scribd, ary nilaza fa nahitàna fitaovana misa 1200 niaraka tamin'io Efitra io, tao anatin'izany ireo silaka volamena sy volafotsy, tavoahangy vita amin'ny tanimanga tsara mahavariana, vazy maro, zinga, lovia boribory, kero [8] iray vita amin'ny vato avy ao Huamanga [9] [es], fihogo, fanjaitra ary kojakoja fanaingoana maro manaraka ny rafitry ny kolontsaina Wari [10], izay ao amin'ny faritr'i Ayacucho [11].