Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fitsidihana Faharoa Ataon'i Barack Obama Ao Afrika : Hanatratra an'i Shina ?

Manantosa fitsidihana any Afrika nanomboka tamin'ny 26 jiona hatramin'ny 3 jolay ny filoha Obama. Ao Afrika atsimo izy amin'izao fotoana izao rehefa avy nitsidika an'i Senegaly. Tanzania indray no firenena manaraka hotsidihany.

Ho an'ireo mpaneho hevitra, fanenjehana ny zava-tsy vita ity fitsidihana ity. Miezaka manohitra ny fihazakazan'ny fandrosoan'ny toekarena Shinoa ao Afrika atsimon'i Sahara i Etazonia. Nanomboka tamin'ny taona 2010, i Shina no mpiara-miombon'antoka ara-barotra voalohany ao Afrika kanefa 4 taona lasa izay (tamin'ny fitsidihan'i de Barack Obama tao Ghana) i Etazonia no nanjaka ara-toe-karena.

Nahasanganehana ireo Afrikana marobe ny kabarin'i Barack Obama tao Ghana ary mbola tsy nahavita ny fampanantenany izy.

Amin'ity lahatsary eto ambany ity, Abel Asrat, mpikambana ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Amharique nanome ny heviny [Anglisy] :

Tao amin'ny Twitter, hita taratra tamin'ny teny ifankafantarana Wolof   #ObamaTakh- izay midika hoe “noho i Obama” ary “misaotra an'i Obama” – ireo fisalasalana mikasika ny anton'ny fitsidihana ataon'i Obama ao Afrika – nipoitra andro vitsy talohan'ny fahatongavany tao Dakar izany teny ifankafantarana izany.

Mandra-pahatongan'i Obama tao amin'ny firenena Senegaley, ity no teny ifankafantarana voalohany nekena ho ampiasana tao amin'ny tao amin'ny tambajotra sosialy. Araka ny hita tao amin'ny Twitter @LebouPrincess, niova ny vazivazy :

Mahagaga tanteraka fa ny fahatongavan'ny Air Force One dia fiovan'ireo #kebetu (Twittos amin'ny Wolof] tampoka, tpt guemoulene dara [miovaova hevitra ianareo] #ObamaTakh

Ny ampitso, nampidanàka ireo Senegaley i Barack raha nilaza ny fehin'ny resadresaka nifanaovany tamin'ny filoha Macky Sall, nilaza momba ny tolona senegaley izy ary nanonona teny vitsivitsy hoe Wolof : « Nio Far (mpiara-miombon'antoka isika) ; « Teranga » (mampihatranoa vahiny) et « Jerejef » (misaotra).

Ireo nibahana tamin'ny resadresaka niarahan'ireo filoha roa tonta: ny ady ao Mali, ny trafikan-drongony ary ny toekarena :

Tao Dakar, nanambara ny filoha Amerikana Barack Obama tamin'ny alakamisy fa eo “am-pitadiavana fomba hanohizana indray” ny AGOA [African Growth and Opportunity Act], lalàna amerikana momba ny fitomboan-karena sy ireo tombotsoan'i Afrika ny fitondrany.
Ny ampitson'ny fahatongavany tao Senegaly  nandritra ny fitsidihana ofisialy naharitra telo andro, nikarakara valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety izy sy ny filoha senegaley Macky Sall, nilaza ity filoham-pirenena amerikana ity tamin'izany fa efa nangataka tamin'ny governemantany mba hanao izay mety ho fitohizan'ny AGOA indray.
Fandaharan'asa tokana lafy momba ny varotra ny AGOA izay nosoniavin'ny kongresy Amerikana ka tsy misy ny fandoavana haba amin'izany ary maimaimpoana ny fampidirana entana maherin'ny 6 400 avy ao amin'ireo firenena ao Afrika atsimon'i Sahara izay voafidy hahazo tombontsoa amin'ny AGOA .
Nanamafy hatrany ny finiavan'ny fitondrany hiasa hampandroso ny fifandraisana ara-barotra eo amin'i Etazonia sy Senegaly ny filoha Obama.

Niteraka adi-hevitra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nandraisan'ireto filoha roalahy anjara ireto raha nanomboka niresaka am-piniavana momba ny fankatoavan'ny firenena Senegaley ny zon'ireo pelaka ao Afrika i Obama:

Tsy napetrapetraka fahantany fotsiny ny fanontanian'ireo mpanao gazety 300 fa efa nomanina sy nofantenina mialoha. Noho izany, mpanao gazety roa senegaley sy mpanao gazety roa amerikana ihany no afaka nametraka fanontaniana somary mahery vaika tamin'izy ireo.

Tsy nandiso fanantenana ireo mpandala ny fomban-drazana Senegaley ny valin-tenin'i Macky Sall tamin'izany:

Raha jerena ifotony, dia resaka fiarahamonina izany. Tsy voatery hitovy modely ny firenen-drehetra. Samihafa ny kolontsaina, tahaka ny fivavahana sy ny fomba amam-panao ihany.
Na dia any amin'ny firenena tsy manasazy ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana aza (pelaka) aza, misy ny tsy fitovian-kevitra. Firenena mandefitra i Senegaly: tsy hisy olona holazaina hoe tsy hanan'asa izy satria pelaka. Na dia izany aza, mbola tsy vonona hamela malalaka ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana izahay. Izay aloha no safidinay amin'izao fotoana izao, mandritra izany anefa, manaja ny zon'ireo pelaka izahay.
Tsy homofôby izahay aty Senegaly. Tokony haka fotoana handinihana tsy an-tery izany lohahevitra izany ny fiarahamonina.

Ao Etazonia,  novonoina nahaton-doha tao Texas i Kimberly McCarthy ny ampitso, ary niteraka fitovian-kevitra ny fanamarihan'ny filoha senegaley mikasika ny fanamelohana ho faty: nanamarika tamin'ny mpanao gazety nametraka fanontaniana azy ny filoha Senegaley fa mbola misy ireo firenena mampihatra ny fanamelohana ho faty – saingy tsy nanonona an'i Etazonia izy – ary efa nofoanana kosa izany aty Senegaly (lefa tamin'ny taona 1967 no nisy fanamelohana ho faty farany), izany hoe mijanona ho lesona ho an'ny hafa izany.

Araka ny fanamarihan'i @hpenot_lequipe :

Fifanakalozan-kevitra mahaliana eo amin'i Obama sy Macky Sall. Tamin'ity indray mitoraka ity, filoha Afrikanina tsy manaiky lembenena filoha Amerikana. Fanajana.

ary i @Toutankhaton :

Tehaka ho an'i @macky_sall tamin'ny valin-teniny tsy mihambahamba tamin'i @BarackObama ! Fanamelohana ho faty mifanandrina amin'ny fanambadian'ny samy pelaka! #obamatakh

http://youtu.be/W_O4ay69OFg

Tamin'ireo fandaharam-potoanan'ny filoha Obama, nisy ihany koa ny fivoriana niarahana tamin'ireo solontenan'ny fiarahamonim-pirenena.

Sarin'ny fitsidihan'i Barack Obama ao amin'ny pejy Facebook an'i Dakar Echo.

Tao Afrika Atsimo indray, tsy dia nakotrokotroka ny fandraisana [anglisy].

 

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.