- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Singapore: Zavona Lasa Havandra Tsy Ampy Herinandro Akory

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Tsidika

#sghaze [zavona (na setroka) eto Singapore] lasa #sghail [1][havandra eto Singapore].  Taorian'ny fisian-javona be indrindra (na fahalotoa-tsetroka be indrindra) dia tratran'ny orambaratra nitondra havandra [2] i Singapore.

Ny setroka [3] nateraky ny doro ala tany Indonezia no fandotoan-drivotra ratsy indrindra tany Singapore tao anatin'ny taona maromaro izao. Maro ny olona no faly tamin'ny nahatongavan'ny orana nirotsaka tao Singapore tamin'ny fiatombohan'ny herinandro satria nanamora kokoa ny fisefoana tanaty setroka izany saingy zendana ry zareo raha nahita ny havandra latsaka [4] tao amin'ny firenena ny talata folakandro.

SimonTay78.com nahatsapa fa tahaka ny tafio-drivotra mahery [5] ilay izy:

I heard strong wailing of wind coming from my windows which was strange as it haven’t been raining for the whole month of June until today.

Then suddenly the rain starts pouring down like a hurricane together with wind speed I had never seen before.

I went downstairs and saw many small & large tree branches fallen to the ground and one uncle came to me and said that I’m late filming the hail!

Naheno tahaka ny tafio-drivotra hafahafa avy amin'ny varavarankely aho fa tsy avy nandritra ny volana jona hatramin'ny androany.
Tampoka teo avy eo dia nanomboka niraradraraka miaraka ny rivotra mifofofofo tsy mbola fahitako hatrizay ny orana.
Nidina aho dia nahita rantsakazo kely sy lehibe maro teny amin'ny tany ary nisy dadatoako iray nanatona ahy niteny fa tara aho haka an-dahatsary ny havandra

Andy Giger nandrakitra [6] ity lahatsarin'ny havandra ity:

Nitatitra i Suhailah fa nanjera [7] hazo maro ny havandra:

…if you are living in Singapore, you probably know the totally weird weather condition the country's in now. From the hazardous haze a few days ago to the unexpected hail (or just raining ice cubes, like literally actual ice cubes) earlier this afternoon… But the hail is kinda horrible. Trees started toppling just now and hurting lots of people. And they also caused those metal lamp post to fall or bend. It's kinda scary. I mean, I never really see this kind of things like this before.

Raha miaina eto Singapore ianao dia mety mahafantattra ny toetrandro hafa diavin'ny firenena amin'izao fotoana izao, Nanomboka tamin'ny setroka mampatahora andro vitsivitsy lasa izay ka hatramin'ity havandra tsy nampoizina ity (na orandranomandry, tahaka ny ranomandry vaventy tsotra izao) tamin'ity folakandro ity… Fa tena mampatahotra ilay havandra. Manomboka midaboka, mandratra olona maro, ny hazo. Nampianjera na namoritra andrin-jiro maro. Mampangovitra ihany an! Ny tiako lazaina dia tsy mbola nahita zavatra tahaka izao aho taloha

Tamin'ny ankapobeny dia tany amin'ny faritra andrefan'i [8] Singapore no tena nisy ny havandra:

Today, Singapore welcomed a much sought-after rain that provided some respite for Singaporeans who had been suffocating for the last couple of days ever since the haze from Indonesia invaded our skies.

There were reports of hailstones falling in several areas of western Singapore like Chua Chu Kang, Bukit Batok and Jurong East.

Androany dia nanao soamiditra ny orana nandrasana fatratra ka nampisento ny Singaporeana maro sempotrempotra tao anatin'ny roa andro noho ny setrok'i Indonezia nameno ny lanitra ambonintsika.

Maro ny tatitra firotsahan'havandra tany amin'ny toerana maro tany amin'ny faritra andrefan'i Singapore tahaka ny any Chua Chu Kang, Bukit Batok ary Jurong Atsinanana

Maro ny olona nieritreritra fa vokatry ny rahona (norarahana sira) na orana asidra ny havandra. Namoaka fanazavana [9] ny ao amin'ny Sampan-draharaha Nasionalin'ny Tontolo Iainana:

There has been some speculation that the hail (or “raining ice”) observed over the western part of Singapore between 1pm and 4.30pm on 25 Jun 2013 could be caused by acid rain or cloud seeding in Indonesia. This is false.

In fact, hailstones are quite rare in the tropics because they usually melt as they fall from the clouds, before reaching the ground. On average, public sightings of hailstones in Singapore occur every one to two years

Misy ny honohono fa ny havandra (orampanala vaventy) hita tany amin'ny faritra andrefan'i Singapore tanelanelan'ny 1 ora folakandro ka hatramin'ny 4 ora sy sasany tamin'ny 25 jona 2013 dia avy amin'ny orana asidra na orana natao izay hahalatsaka azy avy any Indonezia. Izay diso ihany.

Raha ny marina dia ankavitsiana no ahitana havandra aty amin'ny faritra tropika izay mitsonika mandra-pilatsaka amin'ny tany. Amin'ny ankapobeny dia indray isa-taona na isaky ny roa taona no ahitana havandra eto Singapore

Ho an'i Bertha Henson, ny havandra dia mety ho famantaran’-j [10]avatra hafa:

As for hail, it could be a sign that the apocalypse is upon us or a heaven-sent signal that there is still water up there…

Ny amin'ny havandra, mety ho famantarana fa efa tonga ny apokalipsa na iraka avy any an-danitra fa mbola misy rano any ambony any

Na zavona io na havandra, ny voina faraparan'ny Singapore teo dia itsapana ny fanekena tsy fidin'ny [11] olona:

This haze comes as a great challenge to our resilience as a people. We have made it thus far over 48 years. We soon approach our fiftieth year of independence and we should rightfully be proud. Before we get there, we should take some time, look at ourselves and ask the questions: Who are we? What defines us?

Fanamby lehibe itsapana ny fanekena tsy fidiny amin'ny mahavahoaka antsika ny zavona. Hatramin'izao dia nanao izany isika nandritra ny 48 taona. Efa manatona ny faha-50 taona ny fahaleovantenantsika isika ary tokony hirehareha. Saingy alohan'ny hahatongavan'izany, tsy maintsy maka fotoana hieritreretana isika, hanontany ny tenantsika : iza isika? inona no mamaritra antsika?