05 Jolay 2013

Tantara tamin'ny 05 Jolay 2013

Fitsidihana Faharoa Ataon'i Barack Obama Ao Afrika : Hanatratra an'i Shina ?

  05 Jolay 2013

Manantosa fitsidihana any Afrika nanomboka tamin'ny 26 jiona hatramin'ny 3 jolay ny filoha Obama. Ao Afrika atsimo izy amin'izao fotoana izao rehefa avy nitsidika an'i Senegaly. Tanzania indray no firenena manaraka hotsidihany. Ho an'ireo mpaneho hevitra, fanenjehana ny zava-tsy vita ity fitsidihana ity. Miezaka manohitra ny fihazakazan'ny fandrosoan'ny toekarena Shinoa...

Singapore: Zavona Lasa Havandra Tsy Ampy Herinandro Akory

  05 Jolay 2013

#sghaze [zavona (na setroka) eto Singapore] lasa #sghail [havandra eto Singapore].  Taorian'ny fisian-javona be indrindra (na fahalotoa-tsetroka be indrindra) dia tratran'ny orambaratra nitondra havandra i Singapore. Ny setroka nateraky ny doro ala tany Indonezia no fandotoan-drivotra ratsy indrindra tany Singapore tao anatin'ny taona maromaro izao. Maro ny olona no faly tamin'ny...

Tian'ny Ejipsiana Haongana ny Fitondrana

Nomarihin'ny vahoaka Ejipsiana ny [30 Jona] ny fahatsiarovana ny nitondran'ny filoha Mohamed Morsi voalohany ny firenena, miaraka amina famoriam-bahoaka goavana nanerana an'i Ejipta, niantsoana azy handao ny toerany. Fampielezan-kevitra manohitra an'i Morsi atao hoe Tamarrod [ar], izay midika hoe fanoherana, no manamafy fa 22 tapitrisa ireo sonian'olon-tsotra voaangona hatramin'izao, izay miantso fifidianana filoha haingana. Ny 25 Janoary 2011, nanohitra ny fifehezana nandritra ny 32 taona nataon'i Hosni Mubarak ireo vahoaka Ejipsiana. Valoambinifolo andro taty aoriana, nametra-pialàna i Mubarak. Nandritra ny fotoana nisian'ny tetezamita, nentin'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana [CSFA] i Ejipta. Taorian'ireo fifidianana, Morsi, ilay kandidàn'ireo Mpirahalahy Silamo, no naka ny toeran'i Mubarak, nanjary filoha ny 30 Jona 2012. Ankehitriny, midina andalam-be indray ireo vahoaka Ejipsiana mangataka an'i Morsi hiala sady hamarana ny fitondran'ireo Firahalahiana Silamo any Ejipta.

Nankalaza Ny Faha-50 Taonany Ny Vondrona Afrikanina

Nankalaza ny faha-50 taona niorenany ny Vondrona Afrikanina (UA), fikambanana lehibe indrindra itambaran'ny firenena Afrika tamin'ny 25 hatramin'ny 27 mey 2013 lasa teo tao amin'ny foibeny ao Addis-Abeba, ao Éthiopia, niteraka adihevitra teo amin'ireo Afrikanina manerana ny kaontinanta ny zava-bita sy ny fahombiazan'ny vondrona. [Amin'ny teny anglisy ny rohy raha tsy...