- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Però : Fankalazana Ny Fetiben'ny Masoandro

Sokajy: Amerika Latina, Però, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Maherin'ny 64.000 ny olona nankalaza ny Inti Raymi [1], Fetiben'ny Masoandro, tao amin'ny zaridaina arkeolojikan'i Saksayhuaman [2], tokony ho 15 km miala ny tanànan'i Cusco [3].

Nanomboka tao amin'ny fiangonan'i Coricancha [4] nombàn'ny fiarahabana ny masoandro, avy eo nitohy tao amin'ny Main Square no fizotry ny [5]Inti Raymi. Farany, ny fara-tampon'ny lanonana dia ilay fankalazana tao amin'ny Saksaywaman.

Ny Inca, narahin'ny vadiny ( atao hoe coya) ary nohodidinin'ny olona maherin'ny 200 no niditra teo afovoan'ny kianja tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro, rehefa avy nandeha teo afovoan'ilay fiarovana mafy vita vato. Fankalazana maro no natao avy eo, toy ny fombafomban'ny chicha de jora [6] [es], ny afo sy ny sank’u, ny foto-tsakafon'ny Andeana ( ilazana ireo mponina any Andes).

Inti Raymi

Fahitana ankapobeny ny Inti Raymi. Sariy avy amin'i  Ayla Zanini [7] ao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0).

Manamarika ny solistisin'ny ririnina (solstice) [8] ny amin'ny ila-bolantany atsimo ny 24 Jona ; ilay andro fohy indrindra sy ny alina lava indrindra ao anatin'ny taona. Manamarika ny fiandohan'ny taona vaovao ny solistisin'ny ririnina, nandritra ny fotoanan'ny Inca, ary araka an'i Inca Garcilaso de la Vega, [9]sady mpanoratra no mpahay ny tantara tamin'ny taonjato faha-17, dia io no tena lanonana ao anatin'ny taona.

Kanefa, any Cusco amin'izao fotoana izao, ilay daty dia mbola mihoatra lavitra noho ny fampisehoana ho an'ny mpizaha tany ary indrindra ho an'ireo mponina ao an-toerana izay mihevitra fa marika lehibe iray ho an'ny fahatsiarovantenan-dry zareo io tranga io ary hahatonga ny fahamaroan'ny fandraisan'anjaran'ny rehetra.

Fanazavan'ny [10] [es] tranonkala Bilaogy Toustodo ny atao hoe “solistisy” :

Astronómicamente el solsticio es el momento en que el Sol alcanza la máxima declinación Norte (23° 27’) o Sur (-23° 27’) con respecto al ecuador terrestre.

En el hemisferio Norte el Sol alcanza el cenit en el solsticio de invierno al medio día sobre el Trópico de Capricornio, sucede el 20 o 21 de junio. En el hemisferio Sur el Sol alcanza su cenit al medio día sobre el Trópico de Cáncer, el 21 o 22 de junio.

Los solsticios se originan por la inclinación del eje de la Tierra sobre el plano de su órbita.

Raha araka ny Astronomia, dia fotoana mampa-avo indrindra ny firaikan'ny  masoandro (23° 27’) ny Avaratra ary  (-23° 27’) ny Atsimo raha oharina amin'ny fehin-tany ny solistisy.

Any amin'ny ila-bolantany Avaratra dia mahatratra ny tena haavony amin'ny mitatao vovonana eo ambonin'ny zana-pehintany Capricorne ny masoandro  mandritra ny solistisin'ny ririnina, ny 20 na 21 Jona eo ni itrangan'izay. Any amin'ny ila-bolantany atsimo kosa, mahatratra ny tena haavony amin'ny mitatao vovonana eo ambonin'ny zana-pehintany Cancer ny masoandro ny 21 na 22 Jona.

Ny atao hoe solistisy dia vokatry ny firaikàn'ny tehezan'ny tany miohatra amin'ny làlany.

Mizara ny ampahany [11] [es] amin'ny tantaran'ny Inti Raymi ny bilaogy Medios Alternativos :

Desde la conquista española, la ceremonia fue suprimida por la Iglesia Católica y la sociedad andina que celebraba la fiesta del sol fue desmembrada. El Inti Raymi fue entonces olvidado, hasta mediados del siglo XX cuando, como expresión de un gran movimiento de revaloración de la cultura nativa en el Perú, fue vuelto a la escena.

[…]

El Inti Raymi en tiempo de los Incas era una ceremonia religiosa, ahora es una representación de teatro, sin embargo esta expresión genera un sentimiento de identidad en el pueblo […]. La versión está expresada en el idioma original, quechua, con su correspondiente traducción al castellano para facilitar una mejor comprensión.

Nofoanan'ny fiangonana katolika ilay fankalazana rehefa tafiditra ny Espaniola mpanjanaka, ary niparitaka ny vondrom-piarahamonina Andeana izay nankalaza io lanonana fetiben'ny masoandro io. Adino teo ny Inti Raymi hatramin'ny tapaky ny taonjato faha-20, fotoana nampiverina indray ilay fankalazana ho toy ny fanehoan-kevitry ny hetsika lehibe hikendrena ny hamerenana indray ny kolontsaina zanatany ao Però.

[…]

Fotoam-pivavahana ny Inti Raymi tamin'ny andron'ny Inca, ankehitriny dia efa lasa seho an-tsehatra izy io, na izany aza anefa dia miteraka ny fahafantaran'ny olona ny maha-izy azy io fanehoan-kevitra io […]. Amin'ny fiteny niandohany, ny quechua, no anaovana ilay fampisehoana, ary adika amin'ny fiteny Espaniola mba ho mora azo kokoa.

Nisy ihany koa ireo filazalazana ny momba ny Fetiben'ny Masoandro tao amin'ny Twitter, tahaka ity nataon'i Kristell PerezAlbela (@Kristellpa [12]) ity:

@Kristellpa [13]: Quisiera estar en el #IntiRaymi [14] !!

@Kristellpa [13] [es]: Tiako raha mba nanatrika ny #IntiRaymi [14] aho!!

Niteny tamim-pahasahiana i SanBlasSpanishSchool (@SanBlasSpanish [15]) hoe :

@SanBlasSpanish [16]: Omaly ny Inti Raymi, anatenaiko fa nankasitrahanareo izany !

Nandritra izany fotoana izany kosa no nizaran'i  Val (@Vientino [17]) ny fiandohan'ny fankalazana :

@Vientino [18]: Desde el amanecer de ayer se celebró la fiesta del sol, el Inti Raymi, en las estepas y las serranías de los Andes.

@Vientino [18] [es]:Nanomboka omaly ka hatramin'ny androany maraina vao mangiran-dratsy no nankalazana ny fetiben'ny masoandro, ny Inti Raymi, teny amin'ny lembalemba sy ny tendrombohitr'i Andes.

Nanasongadina ny safidy raisin'ireo ray aman-dreny sasany rehefa hifidy ny anaran-janany i Anyel (@AnyelZae [19]):

@AnyelZae [20]: Pucha aveces los padres estan estresados cuando escogen nombres a sus hijos #intiraymi [21] x ejmplo ..

@AnyelZae [20] [es]: Indraindray sahirana ireo ray aman-dreny rehefa hifidy ny anarana ho an-janany, ataovy hoe #intiraymi [21] ohatra …

Nozarain'i Ralph H (@lopezraulh [22]) avy any Arzantina ny fomba fankalazany io daty io :

@lopezraulh [23]: Ayer en el trabajo festejamos el Inti Raymi. Con apacheta [montículo de piedras] y ofrenda.
Así nomas de particulares somos.

@lopezraulh [23] [es]: Nankalazainay tany am-piasana  niaraka tamin'ny apacheta (vato mifanongoa) sy ny fanomezana ny Inti Raymi omaly. Izany no tena maha-hafa kely antsika.

Farany, nobitsihan'i ronaldchamat (@ronaldchamat [24]) ny fihetseham-pony niaina ny Inti Raymi:

@ronaldchamat [25]: Hace 5 años estuve presente en el #IntiRaymi [14], qué privilegio haber estado en ese lugar en ese preciso instante http://elcomercio.pe/actualidad/159… [26]

@ronaldchamat [25] [es]: Dimy taona lasa izay, nanatrika ny #IntiRaymi [14]aho,  tena tombontsoa ho ahy ny nahafahana nanatrika io fotoana io indrindra http://elcomercio.pe/actualidad/159… [26]