Saodiana Mafana Fo Voampanga Hiditra An-tranomaizina Mandritra Ny Valo Taona

Ampahany amin'ny Fandrakofanay Manokana ny : Reformista Tsaraina Any Arabia Saodita ity lahatsoratra ity.

Abdulkareem al-Khadar, mpikambana mpamorona ny fikambanana miaro ny zon'olombelona mpanohitra ny Fanjakana, ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Politika Sy Sivily (ACPRA), dia notsaraina ary nosaziana valo taona am-ponja noho ny fanairany ny hevi-bahoaka sy ny fametrahany fikambanana miaro ny zon'olombelona tsy nahazo alàlana, ankoatr'ireo fiampangana hafa, izay ny dimy taona amin'ireo no nahantona sy tsy ampiharina raha toa tsy manatrika fivoriana na miditra anatinà fikambanana tsy ara-dalàna io mafàna fo io aorian'ny famoahana azy.

Natao tany amin'ny tanànan'i Buraydah any Arabia Saodita ny fitsarana androany ary natrehana mpanohana ampolony maro ny ACPRA, fa kosa tsy navelan'ny mpitsara hanatrika ny vehivavy, tamin'ny filazany fa “ampy ny lehilahy”.

Ny fakàna am-bavany voalohany tamin'ny fitsarana ny Dr. al-Khadar dia tamin'ny 20 Febroary, rehefa nangataka ny mpitsara hiala anatin'io raharaha io izy noho ny fifandirana nisy teo amin'ny roa tonta tany aloha, nefa nandà ilay mpitsara. Io mpitsara io ihany, Ibrahim al-Husni, no niampanga ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana ho karavasiana tany aloha tany.

Dr. al-Khadar (in the middle) before the beginning of a previous session. Image uploaded by @acprahr

Dr. al-Khadar (eo ampovoany) talohan'ny nanombohan'ilay fitsarana teo aloha. Sary nakarin'i @acprahr

Tamin'ny Martsa, nisy mpanohitra sangany, mafana fo roa hafa momba ny zon'olombelona sady isan'ireo namorona ny ACPRA nolazaina ho meloka ary nosaziana 10 ka hatramin'ny 11 toana am-ponja noho ny “tsy fanajana ny mpitondra sy ny mpandimby azy” ary noho ny  “fikasan'izy ireo hanakantsakana ny  fivoaran'ny firenena”.

Taorian'ilay fitsarana androany, nentin'ireo mpitandro filaminana ny mpisolovavan'i al-Khadar sady mpikambana ao amin'ny ACPRA, Abdualziz al-Shubaily, taorian'ny niampanganà mpitandro miafina azy ireo ho “nanao fihetsika tsy mendrika.” Navoaka izy taoriana kelin'izay:

خرجت قبل قليل من مركز الشرطة الجنوبي بعدما اتهمني فرد من جهاز المباحث بعمل حركات غير لائقه له

@a_abdulaziz300: Vao navoaka avy tao amin'ny Tobin'ny Mpitandro Filaminana Atsimo aho taorian'ny niampanganà mpitandro filaminana miafina ahy ho nanao fihetsika tsy mendrika manoloana azy.

Taorian'io fitsarana io, namorona tenifototra ireo Saodiana mpampiasa Twitter : (#أنا_عضو_حسم) (mpikambana ao anatin'ny ACPRA aho), izay nanoratan'izy ireo ny anarany mba hanehoany ny fanohanana feno ny toerana noraisin'ny ACPRA sy ny fangatahan'izy ireo ny fanovàna ny politika.

Ampahany amin'ny Fandrakofanay Manokana ny : Reformista tsaraina any Arabia Saodita ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.