- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vietnam: Mpitoraka Bilaogy Voasambotra, Voampanga Ho Nanaparitaka Fampielezan-kevitra “Manohitra Ny Fitondrana”

Sokajy: Vietnam, Fanoherana, Fisamborana sy faneriterena, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Truong Duy Nhat, Pham Viet Dao ary Dinh Nhat Uy dia mpitoraka bilaogy telo be mpahalàla izay nosamborina [1] tany Vietnam tanatin'ny iray volana latsaka monja. Voampanga ho nanaparitaka fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana izy rehetra ireo.

Nosamborina ny 26 Mey tany Danang i Truong Duy Nhat [2]. I Pham Viet Dao notanana tany Hanoi ny 13 Jona. Ny 15 Jona, nentina teo ambany fanaraha-mason'ny mpitandro filaminana i Dinh Nhat Uy tany amin'ny faritanin'i Long An.

Nampiditra an-tranomaizina mpitoraka bilaogy sy mafana fo momba ny demokrasia 46 i Vietnam tamin'ny 2013. Mety misy ifandraisany amin'ny latsa-batom-pitokisana [3] vao vita tao amin'ny Antenimieram-pirenena izao taha ambonin'ireo fisamborana mpitsikera ny governemanta tsy refesi-mandidy izao, na ireo olon-tsotra hitan'ny governemanta ho “fahavalon'ny fanjakana”.

Avotra [4] tamin'ilay latsa-batom-pitokisana voalohany indrindra ny Praiminisitra saingy 30 isanjaton'ny Antenimieram-pirenena no nifidy nanohitra azy.

Phạm Viết Đào. Image from dinhti.blogspot.com [5]

Phạm Viết Đào. Sary avy ao amin'ny dinhti.blogspot.com

Niampanga avy hatrany ireo fisamborana ireo ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpisolovava ny fahalalàna manao gazety. Maro no manahy fa miasa ireo manam-pahefana hampangina ireo mafana fo sy mpanao gazety avy any amin'ny mpanohitra izay tsy nitsahatra namoaka ireo tranganà kolikoly nahavoarohirohy ireo mpitondra ambony ao amin'ny governemanta.

Nampitandrina [6]ny Reporters sans Frontières fa mety hiandry fihetsehana eran-tany i Vietnam raha mitohy ny fandrahonana ireo mpanome vaovao:

Mampitandrina ireo manam-pahefana izahay ny amin'ny fitomboan'ny fandrahonana ireo mpanome vaovao. Taorian'ireo fanapahan-kevitry ny Parlemanta Eoropeana hiampanga ny fisamboran'i Vietnam ireo mpitoraka bilaogy sy ny antson'ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hisian'ny fahalalahana miteny sy mampahafantatra bebe kokoa ao Vietnam, tokony hazava fa hampisitaka ny firenena amin'izao tontolo izao fotsiny ny fitànana io politika fampihorohoroana mpitoraka bilaogy sy mpanohitra anaty aterineto io, isan'izany ny any anatin'ireo rafitra ifandraisan'ny samy governemanta.

Manazava ny tokony hamerenana ny fandinihana ireo lalàna sasany nampiasain'ny governemantan'i  Vietnam hampanginana ireo mpitsikera azy ny fanararaotam-pahefana nihatra tamin'ireo mpitoraka bilaogy ireo.

Matetika dia ampiasaina hitanana olon-tsotra manohitra ny governemanta ny Artikla 88 [7] ao amin'ny Fitsipika momba ny Heloka bevava izay mandrara ny fampielezan-kevitra manohitra fanjakana. Ny Artikla 258 [8] ao amin'ny Fitsipika momba ny Heloka bevava dia manasazy ny tsy fahaizana mampiasa ny “fahalalahana demokratika hisembanana ny tombotsoan'ny fanjakana sy ireo zo fototra ary ny tombotsoanà fikambanana na olon-tsotra” ary ahazoana sazy fito taona an-tranomaizina. Namoaka baiko [9] ihany koa ny Praiminisitra, tamin'ny herintaona, izay mibaiko ny hanakatonana ireo bilaogy “maneho fanoherana” rehetra.

Nanome fahafahana ireo manam-pahefana hanao fisamborana mitanila ihany koa ireo tsofoka sasany tao anatin'ilay lalàna . Ohatra, Dinh Nhat Uy dia voampanga [10]ho namoaka vaovao “tsy marina sady manoso-potaka” momba ny governemanta kaominista. Ambonin'izay, nambara ho namoaka sary sy lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy izy, izay “mamily ny marina sy manaratsy ireo fikambanam-panjakana.”

Iray volana lasa izay, notànana nandritra ny fotoana fohy [11]tany amin'ny faritanin'i Khanh Hoa ny mpitoraka bilaogy Nguyen Ngoc Nhu Quynh—izay mitoraka bilaogy amin'ny anarana Me Nam (Reny Holatra)– noho ny fihazonany dikasoratry ny Fanambarana Iraisam-pirenena ny Zon'olombelona [12] navoakan'ny Firenena Mikambana. Araka ny tatitra dia nosamborina izy satria tsy nanana fahazoan-dàlana mazava hitsinjara  fitaovana tahaka izany.

Truong Duy Nhat, izay mitoraka bilaogy ao amin'ny “Another Viewpoint”, (Fijery Hafa) nanamarina [13] fa sady tsy mpanao ratsy izy no tsy maneho fanoherana:

Sady tsy mpanao ratsy aho no tsy maneho fanoherana. Tsy misy zavatra mampiely hevitra na maneho fanoherana ny lahatsoratra navoakako ao amin'ny ‘Another point of view.’ Tokony hikendry ireo mpaneho fanoherana, ireo tsy tia tanindrazana sy ireo vondrona mpikaroka tombotsoa mivangongo any amin'ny banky, ireny mikrôba mikiky ny vahoaka ireny ny fanadihadian'ny mpitandro filaminana, ny  fampiantsoana ary ny fakàna am-bavany.

Na inona na inona heviny momba ny politika na tsikera mikasika ny governemanta, tokony hekena ao Vietnam ny Zon'olombelona eken'izao tontolo izao izay zon'ireo mpitoraka bilaogy koa, ny amin'ny fahalalahana miteny [14]. Hanohy hanaraka ireo tantara ireo ny Global Voices Advocacy araka ny fizotrany.