Loka Eropeana Ho An'ny Fanampiana Ireo Voakasiky Ny Krizin'ny Fanaovana Antoka any Espaina

[Ny rohy rehetra dia amin'ny teny Espaniola afatsy ireo voalaza fa tsia.]

Namoaka ny anaran'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana Olom-pirenena Eoropeana tamin'ity taona ity ny Parlemanta Eropeana. Nomena ilay Sehatra ho an'ny Voakasiky ny Fanaovana Antoka (PAH amin'ny teny espaniola) ny iray tamin'izany, fikambanana iray any an-toerana natao hanamaivana ny fijalian'ireo olona any Espaina izay voakasik'ilay krizin'ny fampindramam-bola “subprime” sy ireo voaroaka niala tamin'ny trano fonenany. Araky ny vohikalan'ny [en] Parlemanta Eropeana dia nomeny an'ireo

personas u organizaciones excepcionales que luchen por los valores europeos, promuevan la integración entre ciudadanos y los Estados miembros o faciliten la cooperación transnacional en el seno de la Unión, y a los que día a día tratan de promover los valores de la Carta de Derechos Fundamentales de la UE.

olona na fikambanana miavaka izay manamora ny fiaraha-miasa isam-pirenena ao amin'ny Vondrona Eoropeana, mampirisika ny fifanarahana sy fandraisana anjara tsara kokoa eo anivon'ny vahoaka sy ny firenena mpikambana. Azo omena ireo hetsika indray andro izay manasongadina ny soatoavina anatin'ny Satan'ny zo fototra ao amin'ny Vondrona Eropeana izany.

Recogida de firmas para la ILP en Berriozar (Navarra). Imagen de la web de la PAH en Navarra

Fanangonan-tsonia ho an'ilay fitarainana ILP tao Berriozar (Navarra). Sary avy amin'ilay tambazotra PAH tao Navarra

Anisan'ny tetikasa lehibe indrindra ao amin'ny PAH ny Tetikasa ho an'ny Lalàna avy amin'ny Vahoaka (ILP amin'ny teny Espaniola), fanangonan-tsonia izay natao hanovàna ny lalàna mikasika ny fanaovana antoka mba ahafahan'ny tompon-trano manoratra ny anaran'ilay trano amin'ny kaontiny any amin'ny banky ka ahafahany mandoa ny trosany, eny fa na dia latsaky ny vola nindramina aza ny vidin'ilay trano. Araky ny fanadihadiana natao, io no notohanan'ny 90 isanjaton'ireo Espaniola. Na dia efa nahaangona sonia 1.5 tapitrisa aza izany, ary efa neken'ny Parlemanta, dia nanapa-kevitra ny hanàla izany ihany ny PAH rehefa fantany fa mitady hampanaiky lalàna izay nahatonga izao resaka manaraka avy amin'ny mpitondra tenin'ny PAH Ada Colau izao ny Governemanta :

nos parece inaceptable que el Gobierno pretenda utilizar su mayoría para aprobar una ley que nada tiene que ver con nuestra propuesta. No queremos que lo haga en nuestro nombre. Nosotros la seguiremos defendiendo a través de nuestras campañas de desobediencia, sin renunciar a seguir presionando al Gobierno

Angamba tsy rariny kosa raha ampiasain'ny governemanta amin'ny fifidianana lalàna izay tsy misy idirany amin'ny tolo-kevitra naroso, ity fanangonan-tsonia ity. Tsy sitrakay ny hanaovany izany amin'ny anaranay. Ho tohizanay ny fanohanana izany amin’ ny fanaovanay hetsi-panoherana sivily, ary tsy hajanonay ny fanerena ataonay amin'ny governemanta.

PAH has favoured controversial campaigns such as the escraches [en] [a form of targeted public demonstrations] against political figures in order to garner their support for the petition, which resulted in the Partido Popular leadership branding PAH activists “Nazis” and accusing them of supporting pro-ETA groups.

Nanasongadina ireo fanentanana mampiadihevitra tahaka ny escraches [en][endrika fihetsiketsehana mahakasika mponina voafaritra] ny PAH  hanoherana mpanao politika mba ahazoana ny fanohanan'izy ireo amin'ilay fanangonan-tsonia, ka noho izany dia nolazain'ireo mpitarika ny Partido Popular fa “Nazis” ireo mafana fo ao amin'ny PAH, ary nanasoketa azy ireo ho mpanohana ilay fikambanana miandany amin'ny ETA.

Críticas de internautas a las reacciones del PP. Imagen subida a Twitter por el usuario munozporque

Fanakianan'ireo mponina anaty aterneto momba ilay fanambaran'ny PP. Sary avy amin'i Rafael Muñoz, mpampiasa Twitter

Tamim- pahatezerana no nandraisa n'ireo mpanao politika avy ao amin'ny Partido Popular (PP) ilay fizaràna loka natao ny 6 Jona 2013. Nanao fanambarana toy izao i Carlos Iturgaiz, solombavambahoaka eoropeana:

hoy ha sido Ada Colau, mañana nos pueden traer a Arnaldo Otegi y con el voto de la izquierda salir adelante y dar un premio a Otegi.

Anio dia an'i Ada Colau, rahampitso mety ho entin'izy ireo amintsika i Arnaldo Otegi, ary miaraka amin'ny fifidianan'ny mpiandany ankavia dia mety hihitatra izany ka hahazo loka i Otegi.

[Arnaldo Otegi [en] dia mpitantana fanta-daza an'ny Herri Batasuna, ilay sampan-draharaha ara-politikan'ny ETA].

Maro be ny mpampiasa aterineto no nanakiana ilay fanambaran'ny MEP. Cavendish sy Tony S.A.G. dia namaly toy izao tao amin'ny Twitter :

@lowcost12: -Quién ha dicho que después de Colau vendrá Otegui? -Iturgáiz -No, me refiero a si lo ha dicho alguien con cerebro

@lowcost12: – Iza no nilaza fa aorian'i Colau dia an'i Otegi ? – Iturgáiz – Tsia, manontany tena aho hoe mba manan-tsaina ihany ve ilay nilaza izany

@Tony_SaG: PP”hoy ha sido Ada Colau,mañana nos pueden traer a Arnaldo Otegui” hoy es el PP, mañana nos pueden traer la vuelta del Generalisimo.

@Tony_SaG: PP “Anio dia an'i Ada Colau, rahampitso dia mety hitondra an'i Arnaldo Otegui indray izy ireo” anio dia ny PP, rahampitso mety haverin'izy ireo indray ny Jeneraly avo indrindra.

Bosco Martín Algarra, tao amin'ny blaoginy treinta y muchos dia nilaza fa :

Ningún político en su sano juicio, salvo Iturgáiz y algunos compañeros de su partido se atreve a comparar a la PAH con ETA y a Ada Colau con Otegi. Resulta tan desproporcionado que hasta muchos simpatizantes del PP evitan criticar en público a la PAH para no ser identificados con opiniones tan absurdas como las de Iturgáiz. Y lo peor de todo: es Iturgáiz, precisamente alguien que ha padecido el acoso etarra como él, quien utilice de manera tan irresponsable argumentos tan superficiales.

Tsy misy politisiana tsara saina, afatsy i Iturgáiz sy ny sasantsasany amin'ireo mpikambana ao amin'ny antokony, sahy hampitahy ny PAH amin'ny ETA sy Ada Colau amin'ny Otegi. Mizarazara be ihany ny fanehoan-kevitra ka manao izay tsy anehoana ny heviny ampahibe-maso hanakiana ny PAH ireo mpanohina ny PP, mba tsy ho voarohirohy ho manana hevitra taingina tahaka an'i Iturgáiz. Ary ny tena loza, olona tahaka an'i Iturgáiz ve, izay efa niharan'ny fanalambarakan'ny ETA, dia mbola mampiasa tohan-kevitra tsy mitombina sy mandry andrikitra tahaka izany

Nanambara ireo solombavambahoaka eoropeana an'ny Partido Popular fa hangataka ny fanafoanana ilay loka ry zareo, na dia nanohana ny fanomezana izany amin'ny PAH aza ny Antokon'ny Mponina Eropeana, izay antoko misy azy izy ireo. Ilay sosialista

Captura de pantalla de Le Monde. Tuit de Carmela Ríos

“Tsy nanaiky ny fanomezana ny iray tamin'ireo loka ho an'ny olom-pirenena Eoropeana ny PP” Sary nalaina avy tao amin'ilay gazety frantsay mpiseho isan'andro Le Monde. Tweet avy amin'i Carmela Ríos

Enrique Barón, Filohan'ny Parlemanta Eropeana teo aloha ary hany Espaniola tao anatin'ireo mpitsara, dia nanao fanambarana toy izao tao amin'ilay fanadihadiana nataon'ny Eldiario.es :

Se aprobó todo por unanimidad y en el caso del premio a la PAH no hubo ningún tipo de debate. Los populares europeos estaban de acuerdo.

Neken'ny be sy ny maro daholo ny zavatra rehetra tao, ary tsy nahitàna ady hevitra mihitsy ny mikasika ilay lokan'ny PAH. Nanaiky ny PP eoropeana.

Tetsy andanin'izany i Rafael Hernando, mpandrindra ny PP, dia nandefa tweet :

@Rafa_Hernando Baron PSOE hace trampas para quitarle el Premio del Parlamento Europeo a una discapacitada medallista olímpica y darselo a Colau vaya jeta!

@Rafa_Hernando toa nanakipy ny masony i “Baron” (PSOE) tamin'ny fanafoanana ny lokan'ny Antenimiera Eoropeana ho an'ilay nahazo medaly tamin'ny lalao “Paralympique”, ary nanome izany an'i Colau ! Sahisahy ka !

Hernando eto dia miresaka momba an'i Teresa Perales [en], mpilomano “Paralympique” Espaniola ary efa nandrombaka medaly miisa 22 — tahaka an'i Michael Phelps koa — voatonona koa. Hoy ireo mpitsara nanohana ny fanapahan-keviny

Los deportistas no reúnen los requisitos de este galardón porque ya tienen su propio reconocimiento en su actividad.

Tsy tafiditra ao anatin'io ireo mpanao fanatanjahn-tena satria efa nahazo ny mari-pankasitrahany manokana izy ireo tamin'ny ezaka nataony.

Ny mpitondra-tenin'ilay Fanatanjahan-tena ao amin'ny PP , Miriam Blasco, dia nilaza ny heviny :

Se quiere castigar al Gobierno pero se le da una patada al deporte paralímpico

Te hanasazy ny Governemanta izy ireo kanefa toa ny fanatanjahan-tena Paralympique indray no nahazo loza.

Izany no nahatonga an'i JAVI, mpampiasa aterineto, hilaza hoe :

Ya está el PP en pleno en el papel de víctima (el que más les gusta despues del de embusteros) y manipulando a los minusválidos para intentar crear en la opinión pública la sensación de injusticia. Se puede caer más bajo?

Efa manao be taraina sahady ny PP (zavatra tiany indrindra aorian'ny lainga) ary mampiasa ireo sembana mba hampirisihana karazana  fanaovana tsinontsinona ny vahoaka. Tsy misy latsaka ambany noho izany intsony.

Ny Ministry ny Raharaha Ivelany ao Espaina, José Manuel García Margallo, dia nilaza fa aminy dia “fahadisoana avy amin'ny Parlemanta” ny fanomezany ilay Loka ho an'i PAH, ary nilaza fa “mamporisika ny escraches izany.”

Imagen de la PAH de Sant Boi en Facebook

Sary ao amin'ny Facebook avy amin'ny pejin'ny vohikalan'i PAH ao amin'ny kaominin'i Sant Boi

Na dia mifantoka amin'ny escraches novolavolain'ny PAH tao anatin'ilay fampielezan-keviny hanohanana ny ILP aza ny antoko eo amin'ny fitondràna, hita tokoa ilay tetikasa fa natao indrindra ho an'ireo fikambanana izay miaro ny zo araky ny lalàna ny amin'ny fananam-ponenana sy ny manamaivana ny alahelo tamin'ny fandroahana sy fakàna ny trano natao antoka —raha ny taona 2012 ihany no jerena dia nahitàna fianakaviana tsy manan-kialofana miisa 30 000 (atontan'isa avy amin'ny Colegio de Registradores)— amin'ny alalan'ny fanomezana fanampiana sy fanohanana ara-moraly ireo izay voakasik'iny krizy ara-ponenana iny. Eny fa na dia ny Banky foibe aza, tao amin'ilay fanambaràna nivoaka ny 26 May dia nangataka ity hevitra manaraka ity tamin'ny governemanta Espaniola :

«debería adoptarse un conjunto de medidas más amplio que aborde las causas subyacentes de las dificultades relacionadas con las hipotecas y que trate de evitar, en la medida de lo posible, las ejecuciones hipotecarias»

Tokony hisy fepetra mivelatra kokoa raisina mba hijerena manokana ny anton'ireo olana mifandraika amin'ny fanaovana antoka mba hisorohana araka izay azo atao ny fakàna ny trano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.