Nisy fivoriana tamin'ny Twitter izay mety efa nandrasan'ny olona vitsivitsy : René Pérez, fantatra hoe “Residente” avy amin'ny tarika Calle 13 [1] — tarika iray izay manohitra ny karazana ankolafy —, sy Julian Assange, mpamorona ny Wikileaks [2], dia nanangona ireo hevitra sy sosokevitra avy amin'ireo mpampiasa Twitter mba hanoratra hira miaraka izay hampidirina ao amin'ny rakikiran'ny Calle 13 manaraka.
Ny hira dia hahakasika ny fikirakirana ny fampielezam-baovao. Nazavain'i René Pérez tao amin'ny iray amin'ireo bitsiny ny hevitra ambadiky ny fanangonana sosokevitra avy amin'ireo mpampiasa Twitter:
@Calle13Oficial [3]: Estamos escribiendo todas sus ideas para luego nosotros manipularlas al igual que los medios nos hacen a nosotros #JulianAssangeCalle13 [4]
@Calle13Oficial [3]: Raisinay an-tsoratra ireo hevitrareo rehetra mba hampiasainay ao aoriana kely, sahala amin'ny hanaovan'ny fampielezam-baovao antsika. #JulianAssange [4]
Namorona tenifototra #JulianAssangeCalle13 [4] i Assange sy Pérez, izay nalaza nanerana izao tontolo izao tao anatin'ny minitra vitsy monja taorian'ny nanombohan'ny hetsika. Nametraka andiam-panontaniana maro mba hisarihana ny hetsika avy amin'ireo bitsika i Pérez. Tsy tokony hahagaga fa tamin'ireo andro taorian'ny famborahan'i Edward Snowden [6] mikasika ny rafi-piarovana miafina goavana nataon'ny governemanta Amerikanina, maro tamin'ireo valiny no feno esoeso, ny sasany lalina, ary ireo sasany aza feno hatezerana, saingy ireny rehetra ireny dia seho manambara ny faha-samihafan'ny olombelona. Ny sasany dia nahatalanjona tsotra izao. Tamin'ireo valiny an'arivony nalefan'ny olona, zara raha misy ny ampahany haseho eto:
@Calle13Oficial [7]: ¿Por qué no confían en los servicios de seguridad? #JulianAssangeCalle13 [4]
@Calle13Oficial [7]: Nahoana ianareo no tsy matoky ireo rafi-piarovana?
@FabrielGara [8]: #JulianAssangeCalle13 [4] ¿Cómo confiaría en alguien cuyo trabajo es estar dispuesto a matarme?
@FabrielGara [8]: #JulianAssangeCalle13 [4] Ahoana no hahatokisako olona izay ny asany dia manomana ny hamono ahy?
@AngelCouvertier [9]: La seguridad nacional nace y se mantiene con la sangre de los inocentes #JulianAssangeCalle13 [4]
@AngelCouvertier [9]: Ny fiarovam-Pirenena dia teraka ary mijanona ao anatin'ny ràn'ireo tsy manan-tsiny.#JulianAssangeCalle13 [4]
@Ismael03 [10]: @Calle13Oficial [11] porque sin saberlo se convierten en mercenarios del poder. Proteger al millonario y Servir al malhechor #JulianAssangeCalle13 [4]
@Ismael03 [10]: @Calle13Oficial [11] satria tsy fantany akory fa lasa mpikarama an'ady ho an'ireo eo amin'ny fitondràna ry zareo. Miaro ny mpanam-bola ary miasa ho an'ny mpamono olona #JulianAssangeCalle13 [4]
@ramaotatengue [12]: Porque si de algo estamos seguros, es que no existe seguridad #JulianAssangeCalle13 [4]
@ramaotatengue [12]: Satria raha misy zavatra azo antoka, dia ny hoe tsy misy izany fiarovana izany #JulianAssangeCalle13 [4]
@boricua_x100pre [13]: @Calle13Oficial [11] Vivimos en un sistema privado, privado de libertad, privado de privacidad, privado de semillas terrenos #JulianAssangeCalle13 [4]
@boricua_x100pre [13]: @Calle13Oficial [11] Miaina amin'ny fitondrana tsy miankina isika, tsy manana fahafahana, tsy misy takontakona, tsy manana na tany na voa hafafy #JulianAssangeCalle13 [4]
@CroniQiando [14]: @Calle13Oficial [11] la seguridad no nos asegura bienestar. #JulianAssangeCalle13 [4]‘
@CroniQiando [14]: @Calle13Oficial [11] ny fiarovana dia tsy afaka hiantoka ny filaminanay #JulianAssangeCalle13 [4]‘
@KELVINTIU1 [15]: La seguridad es para pinguinos de traje corbata, en el barrio nos cuidamos todos hasta d la seguridad de los pinguinos #julianassangecalle13 [4]
@KELVINTIU1 [15]: Ny Fiarovana dia ho an'ireo “pengouin” manao palitao sy kravaty, ao anaty barrio samy mitandrina ny tenany daholo isika, na dia avy amin'ny fiarovan'ireo “pengouin” aza julianassangecalle13 [4].
@peyeoropeza [16]: Cuando nos atacan le llaman libertad,cuando nos defendemos le llaman represion.#JulianAssangeCalle13 [4], @Calle13Oficial [11]
[16]@peyeoropeza [16]: Rehefa manafika antsika izy ireo, dia antsoiny hoe fahafahana izany, rehefa miaro tena kosa isika dia antsoiny hoe fanoherana izany #JulianAssangeCalle13 [4], @Calle13Oficial [11]
@Calle13Oficial [17]: ¿Por que no confían en la justicia? #JulianAssangeCalle13 [4]
@Calle13Oficial [17]: Nahoana no tsy matoky ny fahamarinana isika? #JulianAssangeCalle13 [4]
@BosqueDavid [18]: @Calle13Oficial [11]#JulianAssangeCalle13 [4] La justicia se ha convertido en un exclusivo bien de mercado, solo la reciben quienes la pueden pagar
@BosqueDavid [18]: @Calle13Oficial [11]#JulianAssangeCalle13 [4] Nanjary entam-barotra voafetra ny fahamarinana, izay afaka mividy azy irery ihany no mahazo azy
@polilo_6 [19]: @Calle13Oficial [11] la justicia tiene diferencias sociales hay una justicia para los ricos y otra para los pobres #JulianAssangeCalle13 [4]
@polilo_6 [19]: @Calle13Oficial [11] Mampiseho fahasamihafana eo amin'ny fiaraha-monina ny fahamarinana, misy ny fahamarinana ho an'ny manankarena ary misy ho an'ny mahantra #JulianAssangeCalle13 [4]
@NOMASIVA1 [20]: Soy nobel de la paz pero odio al whistleblower Si desnudas mis mentiras despídete de tu vida pues te encierro o te mato #JulianAssangeCalle13 [4]
@NOMASIVA1 [20]: Izaho no nahazo ny Loka Nobel mikasika ny Fandriampahalemana saingy halako ny mpisiotsioka, raha toa nabaribarinao ireo laingako dia ataovy veloma ny fiainanao, ho gadraiko ianao na ho vonoiko.#JulianAssangeCalle13 [4]
@lucych7 [21]: #JulianAssangeCalle13 [4] La justicia hoy en día no es + q una utopía, se vende en 1 esquina d cualquier ciudad, la goza quien la puede pagar
@lucych7 [21]: #JulianAssangeCalle13 [4] Zava-poana sisa ny fahamarinana amin'izao fotoana izao, amidy isaky ny kihon-dàlana izy na aiza na aiza, izay afaka mividy azy no afaka mahazo azy.
@riveraalvarenga [22]: La justicia es como la serpiente, sólo muerde el pie del descalzo. #JulianAssangeCalle13 [4]@Calle13Oficial [11]
@riveraalvarenga [22]: Tahaka ny bibilava ny fahamarinana, ny tongotry ny olona izay tsy misy fiarovana ihany no kaikeriny #JulianAssangeCalle13 [4]@Calle13Oficial [11]
Azonao jerena ato [23] [es] ny Storify mikasika ny hetsika noforonin'i Julian Assange, René Pérez ary ireo mpampiasa Twitter anjatony izay nandray anjara tao amin'ny Twitter.