- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Leo ‘Voalavo’, Manohana An'i Morris – Saka Mpifaninana Ho Ben'ny Tanàna – Ireo Meksikana

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Mediam-bahoaka

Any amin'ny fanjakan'i Veracuz [1], nisy hetsi-panentanana natao ho fanohanana saka iray antsoina hoe Morris izay mikatsaka ny toeran'ny ben'ny tanàn'i Xalapa [2] eo ambany ny teny filamatra “tsy hisy voalavo intsony”.

Manana pejy Facebook [3] [es] i Morris “ilay saka mpifaninana” ary manana “mpitia” maherin'ny 107.000 amin'izao fotoana ziao. Ao anatin'ny pejiny, mampiseho sary, teny filamatra ho anà hetsi-panentanana ary mari-panohanana avy amin'ny vahoaka izy. Ho fanampin'izay, manazava [4] io pejy io [es]:

El candigato Morris se postula para que votes por él este 7 de Julio. Ante la cantidad de ratas que acechan esos puestos solo un gato podrá poner orden. El candigato no promete nada más que los demás candidatos: Descansar y retozar.

Nandrotsa-tena ilay saka mpirotsaka ho fidiana, Morris mba hifidiananao azy ny 7 Jolay ho avy izao. Ho an'ireo voalavo mitsilotsilo ireo toerana ireo, ny saka irery ihany no afaka handamina ny zavatra rehetra. Tsy mampanantena zavatra hafa ilay saka mpifaninana afa-tsy ny mba : hialan'ireo mpifaninana hafa sasatra sy hifaly havanja.

Milomano tanteraka anatin'ireo dingam-pifidianana ao an-toerana ireo sampana tsirairay ao Meksika; hotanterahana ny Alahady 7 Jolay 2013 izao ny fifidianana. Any Veracruz, faritra andrefan'i Meksika, hofidiana ireo ben'ny tanànan'ireo fiadidiana ny tanàna miisa 212.

Manoritsoritra ny tetikasa amin'ity fomba manaraka ity ny vohikala Veracruzanos.info [5] [es]:

Ante la apatía de la sociedad xalapeña para emitir su voto y el hartazgo en el que se encuentran por los mismos discursos-promesas de los candidatos y partidos políticos en cada proceso electoral, surgió el “Candigato Morris”, una propuesta creativa, divertida y contestaría [sic] de Sergio, un ciudadano que postula de forma ficticia a un minino adoptado para la alcaldía de la capital del Estado.

Sergio –pidió omitir su nombre completo- quien es dueño del gato y uno de los creadores de este insurrecto proyecto, se dijo sorprendido por la respuesta que ha tenido por parte de los usuarios de la red social de Facebook.

Noho ny tsy faharisihan'ny vahoaka ao Xalapa handasaka ny vaton'izy ireo sy noho izy ireo leon'ny lahateny fampanantenan'ireo mpifaninana sy antoko politika isaky ny dingana mankany amin'ny fifidianana, nivoaka ilay “saka mpifaninana antsoina hoe Morris”, sosokevitra feno aingam-panahy sy mahatsikaiky izay hamaly an'i Sergio, olom-pirenena nanendry tamin'ny fomba tsy tena izy saka kely iray notinaizany ho ao amin'ny biraon'ny ben'ny tanànan'ny renivohi-panjakana.

Sergio-izay nangataka ny tsy hametahana ny anarany feno-izay tompon'ilay saka sy iray amin'ireo mpamorona an'ity tetikasa fikomiana ity, dia nilaza fa gaga tamin'ny valiny azony avy amin'ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy Facebook ny tenany.

Foto compartida en el perfil de Facebook El Candigato Morris [6]

Sary nozaraina avy ao amin'ny pejy Facebookn'ilay Saka Mpifaninana Morris

Nitsikera i Enrique Legorreta [7][es], tamin'ny anaran'ilay bilaogy revoluciontrespuntocero [8] (revolutionthreepointzero) [es] hoe:

De manera satírica, el gato Morris transmite a la oligarquía política –no sólo de Veracruz, sino de todo el país– el mensaje de repudio de una sociedad cansada de unos partidos que no se diferencian entre sí y presentan como candidatos a personajes interesados únicamente en enriquecerse mediante el poder.

Si Morris obtuviera más votos que alguno de los candidatos registrados, el golpe simbólico a la clase política resultaría demoledor: dejaría claro que la gente está tan harta de los políticos que prefiere usar su voto de manera lúdica en vez de tratar de elegir al “menos malo”.

Amin'ny fomba maneso, mandefa ny hafatra fandàvana ny fitondran'olom-bitsy ny lafiny politika ilay saka Morris – tsy any Veracruz irery ihany, fa manerana ny firenena iray manontolo- avy aminà fiarahamonina leo ireo antoko tsy misy mampiavaka azy amin'ny hafa sy leo misafidy mpifaninana izay tsy liana afa-tsy ny mampitombo ny harenany amin'ny alalan'ny fahefany.

Raha mahazo vato mihoatra noho ireo mpifaninana voasoratra rehetra i Morris, handravarava ny kàpoka kely tsy hita maso mahazo ny antoko politika; hazava araka izany fa tena leo ny politika ny vahoaka, hany ka aleon'izy ireo mampiasa ny vatony amin'ny fomba kilalao raha tokony hiezaka hisafidy izay [mpifaninana] “tsy dia ratsy” indrindra.

Víctor Hernández, ao amin'ny Blog de Izquierda [9] (Bilaogin'ny Havia) [es], nanamarika fa tsy mitondra zava-baovao ilay hevitra hanolotra mpifaninana tsy olona aminà toerana iray anatinà fifidianana iray malaza, na dia mahatsikaiky aza izany. Etsy ankilan'izay, nanamarika izy fa mety hanampy antoko politika iray manokana ny fifidianana an'i Morris:

La idea en sí no es nueva, hay que decirlo. Michael Moore hizo lo mismo en 2000 postulando como candidato a diputado de Nueva Jersey a una planta ficus.

Irónicamente, Ficus fue candidato en el condado de Morris, Nueva Jersey.

Pero bueno, OK; como chistorete está muy bien lo del candigato. ¿Pero como estrategia política? Es una tonelada de ayuda… para el PRI [Partido Revolucionario Institucional] [10].

Y es que cada dos o tres años sale la misma cantaleta: “los políticos son una mierda, ya estamos hartos, mejor hay que anular para mandar un mensaje”.

Ah, porque votar por Morris (o por Cantinflas, o por Pedro Infante, o por Superbarrio, o por cualquier otra opción mamerta [falaz]) legalmente se contabiliza como “otro” o como “nulo.”

Y a los políticos les importa muy poco, ya que en una elección gana quien tiene más votos. ¿Quién tiene más votos si hay mucho anulismo [sic]? El partido que tiene la mayor cantidad de voto duro. ¿Quién tiene la mayor cantidad de voto duro en Veracruz? El PRI.

Tsy vaovao io hevitra io, tsy maintsy eken'ny tsirairay izay. Nanao zavatra toy izany i Michael Moore tamin'ny 2000 tamin'ny fanolorany voninkazo Ficus ho delegasion'i New Jersey.

Mampihomehy fa, mpifaninana tany amin'ny comté-an'i Morris, New Jersey, i Ficus.

Nefa OK; ho anà hanihany goavana, tena tsara ny saka mpifaninana. Nefa ho anà paikady politika? Fanampiana goavana be izany…ho an'ny PRI (Antoko ho an'ny fanovàna ara-drafitra) [11].

Ary isaky ny roa na telo taona, miverina indray ny tantara fahagola : “tay ny politika, leo izahay, aleonay mamotsy ny vatonay mba handefasana hafatra”.

Ah, satria ny fifidianana an'i Morris (na an'i Cantinflas, na an'i Baby Pedro, na an'i Superneighborhood, na izay safidy tsy mitombina hafa rehetra) dia voasokajy ho “hafa” na “fotsy” araka ny lalàna.

Ary tsy dia misy dikany ho an'ireo mpanao politika izany, satria anatina fifidianana dia ny olona mahazo vato be indrindra no mandresy. Iza no manana vato be indrindra raha maro ireo vato fotsy? Ny antoko manana vato be indrindra. Iza no manana vato be indrindra ao Veracruz? ny PRI.

Mamarana i Victor:

Así que todos los indignados que le quieran “mandar un mensaje” a los políticos se van a llevar un chasco si le ponen “Morris” a la boleta, ya que el único mensaje que van a entender los políticos del PRI, que son los que están en el poder, es “qué güeyes [estúpidos]; si hubieran votado por uno de oposición, me hubieran ganado.”

Noho izany dia ho very ireo olona tezitra rehetra “te-handefa hafatra” any amin'ireo mpanao politika raha mametraka ny anaran'i “Morris” izy ireo ao anatin'ny vatom-pifidianana, satria ny hany hafatra voarain'ireo mpanao politika avy ao amin'ny PRI, ireo mitondra, dia ny hoe “adala; raha nifidy olona avy any amin'ny mpanohitra izy ireo, mety nandresy ahy.”

Nitatitra ireo fihetsehampo nateraky ny “firotsahan-kofidian'ilay saka” Morris teny anivon'ireo manam-pahefana mikasika ny fifidianana ao an-toerana ny vohikala sinembargo.mx [12] (naizanyaza.mx) [es]:

Promo de campaña, compartido en la página oficial elcandigato.com [13]

Fanandratana ilay hetsi-panentanana, nozaraina tao amin'ny pejy ofisialy elcandigato.com

La presidenta del Instituto Electoral Veracruzano (IEV), Carolina Viveros García, pidió a los ciudadanos “no echar a perder su sufragio” votando por el Candigato Morris el próximo 7 de junio, ya que, explicó, sus votos serán nulos.

[…]

“Queremos, pedimos la participación para que voten por los ciudadanos registrados en las boletas electorales; eso es lo importante –enfatizó–, lo demás son expresiones que se dan en las redes y mis respetos, pero hay que votar por los candidatos registrados, por favor”, insistió la funcionaria del IEV.

Nangataka ny filohan'ny Veracruz Electoral Institute (IEV), Carolina Viveros García, mba “tsy hanao tsinontsinona ny vatony” hifidy ilay Saka Mpifaninana, Morris ny vahoaka ny 7 Jolay ho avy izao, satria , nohazavainy, ho fotsy ny vaton'izy ireo.

[…]

“Tianay, angatahanay ny fandraisana anjara mba hifidianan'izy ireo ireo olom-pirenena voasoratra ao anatin'ireo lisitry ny ho fidiana; tena manan-danja izany-hoy izy nanipika-, ny ambiny dia fanehoan-kevitra ao anaty aterineto ary ankasitrahako izany, nefa miangavy mafy anareo aho hifidy ireo mpifaninana voasoratra”, hoy ilay manampahefan'ny IEV nanizingizina.

Naneho ny heviny tahaka ity manaraka ity iTora Toncha (@toratoncha [14]), mpampiasa Twitter [es], momba an'i Morris:

@toratoncha [14] Bastante ingeniosa la campaÑa del candigato Morris (a manera d protesta) pro considero 1 tonteria poner su nombre en la boleta electoral -_-

@toratoncha [14] Tena tsara ilay hetsi-panentanana hifidy an'ilay saka Morris (ho fomba fanoherana) nefa raisiko ho hadalàna ny fametahana ny anarany ao anatin'ny lisitra ho fidiana amin'ny fifidianana  -_-

Nanasa ny mpanaraka azy rehetra i Gustavo Pelaez (@gjpelaez [15]) [es] hifidy an'i Morris:

@gjpelaez [15] #Xalapa [16] #vota [17] por el #Candigato [18] #Morris [19]escribe su nombre en el cuadro en blanco al votar, que ningun humano alcance el minimo de votos!!!!! [sic]

@gjpelaez [15] #Xalapa [16] #vota [17] por el (fidio ilay) #Candigato [18] #CandidateCat (saka mpifaninana) #Morris [19] soraty ao anatin'ilay faritra fotsy amin'ny vatom-pifidianana ny anarany, mba tsy hisy olombelona hahazo na dia  ny isam-bato kely indrindra aza !!!!! [sic]

Nanamarika ny mpampiasa twitter, Jorge Cervantes (@jorcervan [20]) fa hanohana an'i Morris izy:

@jorcervan [20] Yo en Xalapa voy con Morris, Morris para Presidente Municipal 2014-2017.

@jorcervan [20] Miaraka amin'i Morrisa aho aty Xalapa, Morris ho an'ny Fifidianana Monisipaly 2014-2017.

Niteraka fihetsehampo samihafa teny anivon'ny hevi-bahoaka Meksikana ny “filatsahan-kofidian'i” Morris; ny sasany naneho ahiahy ny amin'ny mety ho fisolokiana ara-barotra azy ity na hetsi-panentanana ho tombontsoan'ny iray amin'ireo mpifaninana voasoratra ho fidiana, na izany aza, ny hany zavatra mibaribary amin'izao fotoana izao dia miakatra ny lazan'ilay saka.