- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Herisetra Be Tamin'ireo Mpifakatia Mitovy Fananahana Sy Ireo Mpanohana Any Rosia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanoherana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona, Akon'ny RuNet

Manoloana ny adihevitra momba ny fiarahan'ny mitovy fananahana, ny heloka mahery satra miharo fankahalana [1] [GV], ireo tifitra fanavakavahana [2] [GV], ary ankehitriny ny lalàna federaly vao nankatoavina izay mandrara “dokam-barotra mikasika ny firaisan'ny mitovy fananahana” [3] [ru] (noho ny maha-fandikan-dalàna amin'ny ara-draharaha azy, voasazy handoa onitra ireo nanatontosa “dokam-barotra” toa izany, fa tsy enjehina eny amin'ny fitsarana), afaka manaiky ny rehetra fa sarotra ny hitsabahana amin'ny vondrona LGBT any Rosia. Ny marina, ny fotoana laninao nanohanana ireo zon'ny LGBT, dia hitondra anao haka aina eny amin'ny toby fitsaboana.

Izany hoe teo no nihafaràn'i Maria Baronova, mpitoraka bilaogy sy mpanohitra mahery fo iray, rehefa avy nandray anjara tamin'ny hetsika manohitra ny lalàna momba ny “dokam-barotra mikasika ny mitovy fananahana” ny 11 Jiona. Baronova, izay vao avy nanao fanasohasoana tao amin'ny RuNet [4] [GV] raha nanoratra taratasy ho an'ny vahoaka mitsikera ny talen'ny Other Russia (Rosia Hafa) Eduard Limonov, ho iray amin'ireo voaendrikendrika tamin'ny fikorontanana niseho ny 6 May [5] [en] sady efa goaika antitra amin'ny fandraisana anjara amin'ireo famoriam-bahoakan'ny mpanohitra. Raha singanina manokana dia izay no nitarika ny firodanany.

Ny hetsika, izay notontosaina teo alohan'ny Duma, antenimiera Rosiana, dia nitarika herisetra hatramin'ny voalohany. Ilya Varlamov, mpanao blaogy an-tsary, izay nitantara ny andron'ny fitrangan-javatra tao amin'ny lahatsoratra LiveJournal [6] [ru], no nibitsika hoe [7] [ru]:

У Думы очередной пиздец. Православные бьют ЛГБТ

Raikitra indray ny sakoroka eo akaikin'ny Douma. Resin'ny Mpitondra Tranainy ny LGBT.

Nitatitra  [8][ru] koa ny mpanao gazety Tikhon Dzyadko fa nirodorodo ireo mpivavaka mahery fo manohitra ny LGBT:

Было несколько стычек. “Православные” скандировали “Москва не содом”, “ОМОН, дави пидрил”, “Бей пидарасов”, “Христос Воскресе”, “Слава русскому ОМОНу” и проч. ЛГБТ-активистов закидывали яйцами, крапивой и презервативами с говном.

Maro ireo fifandonana. Nihirahira ny “mpitondra tranainy” fa “Tsy Sodoma i Moskoa”, “poteho ny sarimbavy, “Vonoy ny sarimbavy,” “velona i Kristy”, “Voninahitra ho an'ny SWAT Rosiana” sy ny sisa. Notorahina atody, tsilo, ary kapaoty feno tay ireo mafano fo avy amin'ny LGBT.

A scuffle erupts between an LGBT activist and man who threw a condom filled with feces at him. YouTube screenshot. June 14, 2013 [9]

Vaky ny ady teo amin'ny mahery fo LGBT iray (manao mavomavo) sy lehilahy iray nanipy kapaoty feno maloto tany aminy. Sary avy amin'ny YouTube. 14 jiona 2013

Nandray anjara tamin'ny herisetra koa ireo zatovo jiolahimboto, ny sasany amin'izy ireo manodidina ny roambinifolo taona [10] [ru]. Niha-henjana ny raharaha noho ny tsy fandraisan'anjaran'ireo mpitandro ny filaminana sy ny ekipan'ny SWAT maro izay tokony nanakana ny fifanoheran'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Niharan'ny herisetra sahala amin'izany i Baronova raha nomena alalana hitsoaka ny mpanao ratsy. Nibitsika [11][ru] izy fotoana fohy taorian'ny trangan-javatra, nitatitra izay nataon'ny mpitandro filaminana mikasika ny famotsorana ilay mahery fo mpanohitra ny LGBT voasambotra:

Только что из ОВД Тверское вывели человека, сломавшего нос Адику 22 января. Стали заводить за угол. Я пошла за ними. Тоже зашла за угол В этот момент меня обогнал мужчина в рубашке и галстуке ростом 190+ и резко ударил в живот кулаком, сотрудники Полиции в кол-ве человек 5ти Стали удерж.мужчин,которые его пытались задержать.

Vao teo, avy tamin'ny tobin'ny mpitandro filaminana Tversoke, nentin-dry zareo nivoaka ilay lehilahy namaky ny oron'i Adik ny 22 Janoary teo. Nentin'izy ireo teo aorian'ny [tranobe] fivilian-dàlana. Nandeha tao aoriana koa aho. Tamin'io fotoana io, nosongonan'ny lehilahy iray manao lobaka sy kravaty aho, 1.90 m ny halavany, izay namely totohondry tampoka ny kiboko, ary ireo mpitandro filaminana 5 teo an-toerana no niezaka nitazona ireo olona saika hanakana azy.

Araka ny voalazan'i Baronova, tsy nanakana akory ilay lehilahy namono azy ireo mpitandro filaminana, ary mba hanasarotana ny raharaha, dia nosakanana indray ireo mpijery izay saika hanakana ilay lehilahy. Nofaritany [12][ru] tao amin'ny twitter ilay namono azy (“Zatovolahy tsara tarehy, rosiana, 185 cm ny halavany na mihoatra, nanao lobaka manga matroka, pataloha volom-batolalaka ary kiraro volontsokolà”.), saingy hatreto tsy nisy olona nahamarika azy. Tsy midika izany fa tsy misy ireo tsoa-kevitra — ohatra hoe @basilla_the1st , mpampiasa Twitter iray dia nanontany [13] [ru] an'i Baronova raha toa nieritreritra izy fa ho ilay “kokombra” no nidaroka azy (tsy miombon-kevitra izy), araka ny trangan-javatra tamin'ny herinandro lasa, raha nandrora teny amin'ny endrik'ilay lehilahy manao akanjo kokombra [14] [ru] izay nijajirika ivelan'ny varavaran'ny trano fitsarana azy ary nangataka sazy fanagadrana henjana, i Baronova.

The human cucumber, who many suspect of being a Kremlin-paid plant, before the spitting incident. YouTube screenshot, June 14, 2013. [15]

Ilay olona kokombra, izay noeritreretin'ny maro ho olona maka endrika zavamaniry voakaraman'i Kremlin, talohan'ilay tantaran'ny fandroràna. Sary avy amin'ny YouTube, 14 Jiona 2013

@willysever, milaza ny tenany ho mpanao gazety sy mpaka sary, dia nanao fanamarihana tamin'ilay tranga fandroràna, nibitsika [16][ru] tamin-keso nanao hoe:

Ни в жисть не поверю, что г-жа Баронова никому там в глаз не харкнула хотя бы, перед тем, как огрести…

Tsy mino aho na iray segondra monja aza fa tsy nandrona na dia in-dray mandeha tamin'ny olona i Rtoa Baronova talohan'ny nidarohana azy…….

Nentina tany amin'ny tobim-pitsaboana tany Moscou i Baronova mba ho zahàna, nefa tahaka ny tsy misy maninona [17] [ru] — nibitsika izy fa tsy nisy voakitika ny taova rehetra tao anatiny na dia nahatsiaro ho te-handoa sy misy manotika aza. Toa tsy ho hita mihitsy ilay lehilahy nidaroka azy, nefa i Baronova miahiahy mafy [18] [ru] araka izay efa niainany momba ireo zon'ny LGBT any Rosia. Zavatra tsy tsara mihitsy:

Слушайте, обычные активисты и сочувствующие. История с ЛГБТ-протестом совсем другая. Вот совсем. Поведение полиции другое. Агрессия другая Я этого никогда не замечала, но это какая-то абсолютно параллельная реальность, в которой полиция себя ведет иначе.

Henoy, ry mahery fo sy mpanohana. Ny tantaran'ny fihetsiketsehana LGBT dia tena hafa mihitsy [fihetsiketsehana ara-politika tsy miova]. Tena marina izany. Hafa ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana. Hafa ny herisetra. Tsy voamariko, saingy karazana tontolo hafa mihitsy izany, ka miavaka mihitsy ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana.