- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kandidà Ho Filoham-pirenena Iraniana Mampiasa Ny Media Sosialy Ho Fiadiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika
The Presidential Election. Shared by the International Campaign for Human Rights in Iran [1]

Ny zava-misy momba ny fifidianana any Iran, asehon'i Touka Neyestani, mpanao sariitatra, ao anatina sary mihetsika iray avy amin'ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona ao Iran

Samy mifaninana amin'ny fampiasana ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook sy ny Twitter ireo Iranianina kandidà amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena na dia voasivana sy matetika tsy afaka hidirana ho an'ireo mpampiasa aterineto aza ireo tranonkala ireo. Na ny ben'ny tanàna,  Mohammad Bagher Ghalibaf, kandidà, aza dia nandràra [2]ny fanasivanana ny aterineto tany anaty fampielezan-keviny.

Nanokatra làlana amin'ny zava-mitranga tafahoatra ny tokony ho izy i Iran nandritra ireo taona lasa ary ny fifidianana ho filoham-pirenena dia tsy nivaona tamin'izany. Afaka nifidy filoha iray amina andianà kandidà [3] voafantina tsara avy amin'ireo izay akaiky sy sarobidy amin'ny Filoha Faratampony ry zareo Iraniana tamin'ny 14 Jona 2013.

Bilaogy poakaty

Ny fampielezan-kevitry ny mpirotsaka ho filoham-pirenena, i Saeed Jalili [4], ilay lehiben'ny mpanelanelana niokleary iranianina, milaza fa maherin'ny  bilaogy 1.800 no manohana azy. Afaka hidirana indray mipotsitra monja ireo bilaogy ao aminà sarintany iray an'i Iran, azo tetezina, saingy mahagaga fa ny sasany amin'izy ireo – tahaka ny Shahid [martyr] Zabuni [5] – dia tsy hita niasa nandritra ny fotoana maromaro ary vao haingana no nizara sary iray ho fanohanana an'i Jalili, tsy misy lahatsoratra miaraka aminy. Misy aza ny bilaogy sasany dia tahaka ny noforonina [6]ho an'ilay fampielezan-kevitra nefa  tsy misy na voanteny iray aza.

Mampiasa [7]Twitter ihany koa i Jalili, izay ampiasàny ny bitsika amin'ny teny Anglisy hampiroboroboany ny politikany ho an'ny mpanaraka iraisampirenena:

@DrSaeedJalili [8]: Ny politika manerantanin'i Iran dia anisan'ny fomba fanantonana miabo voalohan'ny repoblika islamika. Ireo sasany kosa dia tokony haka tahaka izany.

Tsara ho an'ny fifidianana ny Facebook, fa ratsy ho an'ny olona. Amin'ireo kandidà 8, Dokotera Ali Akbar Velyati, minisitra fahiny nisahana ny raharaham-bahiny sy mpanolotsain'ny Filoha Faratampony Ali Khamenei , no mahazo ny ‘Tiako’ betsaka indrindra ao amin'ny Facebook. Araka asehon’ny tabilao fampitahàna an'ny The Brookings, [9] manana 40.000 amboniny ny isan'ny “tia” izy. Ny mpifanandrina aminy faran'ny akaiky indrindra dia i Mohammad Bagher Ghalibaf izay tsy manana afa tsy 19.000 ‘ tia’ [10]fotsiny. Ireo fanehoankevitra tao amin'ny pejy Facebookin'i Velyati dia avy amina mpanohana maro sy ireo sasany izay manararaotra io fotoana io mba hitsikerana ny rafitra fanivanana ny aterineto.  Kollan Nistam dia nanoratra [11] [fa]:

[Ny Repoblika Islamika] miteny fa ny Facebook dia tsy ara-dalàna ary mpamitaka. Fa maninona no tampoka teo ianao dia niditra Facebook mba hanangonana vato? Mieritreritra ve ianao hoe ho lasa sefo [ filoha ] dia mampiseho hoe azo ekena ny fivadihanao mitsipaka ny fihetsikareo ihany? Aza mihiakiaka teny filamatra. Na dia maniry ny handidy izay atin'akanjo tokony ho entin'ny olona aza ianaeo. Mampisaritaka anay ianareo ao anatin'ity tntolo virtoaly ity, mialà tany.

Instagram, “the new kid on the block” vaovao Ireo kandidà efatra ho filoham-pirenena taloha tamin'ny taona 2009, nahitàna ny filoha Mahmoud Ahamdinejad [12] sy ireo roa hafa mpitarika ny mpanohitra, Mir Hussein Mousavi [13], sy Mehdi Karroubi [14]dia nampiasa Facebook sy Twitter nandritra ireo fampielezan-keviny. Tamin'ity indray mandeha ity ireo kandidà roa, Saeed Jalili sy Mohmmad Baghr Ghalibaf, dia nanampy fitaovana vaovao tao anatin'ny taharo: Instagram. Vao haingana i Saeed Jalili no namoaka [15] sariny miisa 33 tanatin'ireo fihetsiketsehana samihafa ary tany amin'ny anjerimanontolo iray. Nampiasa [16] Instagram i Ghalibaf mba hamoahana lahatsoratra bebe kokoa noho ireo sary.

Kandidà voarara Nandritra ny hazakazaka ho filoham-pirenena teo aloha, ilay lehibe taloha tao amin'ny mpiambina revolisionera, Mohsen Rezai, [17] no zara raha nampiasa ny aterineto. Amin'izao, nitondra tetikady tena avo lenta mikasika ireo media sosialy tao amin'ny Twitter sy Facebook i Rezai. Milaza ny pejy Facebook-ny fa voasivana [18]tamin'ny ampahany ny lahatsarin'ny fampielezan-keviny, izay ilazan'i Rezai ireo olana atrehan'ny Iraniana.