- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taokanto Maoderina Indiana Hita Tamin'ireo Lahatsary Fanadihadiana Miaraka Amin'ireo mpanakanto

Sokajy: Azia Atsimo, India, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Ny tetikasa Regarding India (Mitodika amin'ny Inde [1]) dia andiana lahatsary fanadihadiana an'ireo mpanakanto Indiana mikasika ireo asany, izay tarihan'i Kathryn Myers, [2] mpanao hosodoko sy mpampianatra ny taokanto amin'ny anjerimanontolon'i Connecticut.

Myers, nanao fikarohana mikasika ny taokanto sy ny kolotsaina any Inde, dia nanomboka ny tetikasa nandritra ny Fulbright Fellowship [3] ny taona 2011. Regarding India dia niainga [4] avy tamin'ireo fanadihadiana nojereny fony izy mbola mpianatra taokanto, ka voatendry handray anjara tamina lesona izay nampianarany mikasika ny taokanto Indiana sy ny kolotsaim-bahoaka. Natao ho loharanom-pahalalàna ihany koa izany ho an'ireo liana amin'ny taokanto maoderina Indiana.

Mpanakanto enimpolo no nametraham-panontaniana hatreto, ary izay lahatsary vita dia nampakarina avy hatrany tamin'ny vohikalan'ny “Regarding India”.

Sarnath Banerjee [5], mpanakanto sady mpanao sarimihetsika, dia fanta-daza amin'ny maha-voalohany azy amin'ny fanoratana tantara an-tsary lava any Inde:

Arpana Caur [6] dia mpanao hosodoko mahakasika indrindra ny ara-panahy:

Mpaka sary fanta-daza i Dinesh Khanna [7]:

Mpanao sary sikotra sy mpanakanto mpikarakara i Krishnaraj Chonat, [8] izay mampiasa ireo fitaovana tsy ampoizina toy ny savony vita amin'ny ditin-kazo sy ireo potika fitaovana elektronika:

Sary famantarana: Sary avy amin'ny fanadihadiana miaraka amin'i Arpana Caur [9].