- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hita Ilay Peroviana Mahay Mandray Olona Indrindra

Sokajy: Mediam-bahoaka

Marisol Rodríguez Gamero, mpianatra Lalàna, 23 taona, no nahazo tamin'ny fifaninànana  “The kindest Peruvian [1]” ( Peroviana mahay mandray olona indrindra [1]) [es], hetsika iray hamporisihina ny Peroviana mba hampiseho toetra mendrika sy fihetsika mampisongadina ny hatsaran'izy ireo amin'ireo vahiny mpizaha tany.

 Ny fanomezana valisoa ireo teratany Peroviana izay, miaraka aminà karazan'asa maha-te-hidera, mitondra traikefa tsara ho an'ny mpizaha tany vahiny na ny nasionaly no tanjon'ilay fifaninanana nokarakarain'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny sy ny Fizahan-tany.

Nofintinin'ny tanonkala  DePeru.com [2] [es] ireo  tanjon'ny fifaninanana [3] [es] ary nozarainy ny vaovao:

[La Comisión de Promoción del Perú para la Exportación y el Turismo] PROMPERÚ [4] realiza esta campaña con el cual pretende seguir incentivando el turismo en el Perú y donde todos los peruanos debemos poner de nuestra parte para lograr que los turistas nacionales y extranjeros reciban una cordial atención durante su permanencia en nuestros lugares de visita.

Notontosain'[ny Komisionan'ny Fampiroboroboana ny Fanondranana Entana sy ny Fizahantany any Pero] PROMPERÚ [4] io fanentanana io mba hanohizana ny fanetsiketsehana ny fizahantany any Pero ary amin'ny maha-Peroviana anay dia tsy maintsy mandray anjara izahay mba hahazoan'ireo mpizaha tany nasionaly na vahiny ny fandraisana mahafatra-po sy feno fitiavana azy ireo mandritra ny fotoana hijanonany aty amin'ireo toerana fitsidiky ny mpizaha tany aty aminay.

Natolotry ny Filoha Ollanta Humala Tasso sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Fizahan-tany, José Luis Silva Martinot, ho an'i Marisol Rodríguez Gamero, 23 taona, mpianatra lalàna, mpandresy tamin'ilay fifaninanana, ny loka tamin'ny Alatsinainy 3 Jona rehefa avy nankalazaina be  tao amin'ny fahitalavitra, ny radio sy ny gazety.

Nofinidy i Marisol noho izy tsy niomana mialoha nefa nanaraka mpitaingina bisikileta Soisa anankiroa avy any Limean distrikan'i Pueblo Libre [5] nankany amin'ny fiantsonam-piaramanidina iraisam-pirenenan'i Jorge Chávez [6]. Tamin'ny volana Martsa tamin'ity taona ity, nitaingina bisikileta niaraka tamin'ireo mpizaha tany Soisa izay hiverina hody any an-tanindrazany, namakivaky ny 20 km avy amin'ny fihaonan'ny làlana Brasil [7] [es] sy Bolívar ho any amin'ny fiantsonam-piaramanidina i Marisol.

Cusco

Làlana mampiavaka an'i  Cusco. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Héctor de Pereda (CC BY-NC 2.0)

Tojo teo amin'ny sehatra famaranan'ilay fifaninanana i Marisol noho ny fifidianan'ny mpiray taninindrazana aminy azy. Fivahinianan'olon-droa any amin'ny iray amin'ireto toerana telo lafatra ireto : Cusco [8], Paracas [9] ary Tambopata [10] no loka natolotra.

Novalian'ny tontolon'ny twitter Peroviana tamin'ny karazana fanamarihana tanaty tarehin-tsoratra 140 izany, tahaka ity filazana fohy nataon'i Marca PERÚ (@marcaPERU [11]) ity :

@marcaPERU [12]: Se inicio ceremonia para elección del #peruanomasamable  [13]@peruanoamable [14] #marcaperu [15]

@marcaPERU [12] [es]: Manomboka ny lanonana hifidianana ny #peruanomasamable [13] [Peroviana tsara fandray indrindra]. @peruanoamable [14] #marcaperu [15] [brand Peru]

Nilaza ny fanantenany ny handresen'ny mpifaninana tohanany ny mpampiasa  mArTin GV (@MARTINZOTE [16]) :

@MARTINZOTE [17]: En esta 1ra edición tiene que ganar EL POLICÍA DE AREQUIPA. Desborda AMABILIDAD desde HACE AÑOS @marcaPERU [11] @peruanoamable [14] @peruanomasamable [13]

@MARTINZOTE [17] [es]: Tokony ho ilay MPITANDRO FILAMINANA AVY ANY AREQUIPA no hahazo ny fandresena tamin'ity voalohany ity. Efa an-taonany maro no nanehiany HATSARAM-PANAHY. @marcaPERU [11] @peruanoamable [14] @peruanomasamable [13]

Nolavin'i  Lima Cero (@Lima_Cero [18]) izany tamin'ny fampiasana fiteny tsy maoty:

@Lima_Cero [19]: #PTM [20] Se puede saber por qué chu*** no fui elegido el #peruanomasamable [13] ¿? Hablen m**das!!! oh wait!!! cc: @telasopapeo [21]

@Lima_Cero [19]: #PTM [20] [es]: Azoko fantarina ve nahoana t*** mihitsy aho no tsy voafidy ho #peruanomasamable [13] ¿? Teneno mafy, ry  v**!!! oh andraso !!! cc: @telasopapeo [21]

Nandritra izay fotoana izay, nanazava ny fomba fijeriny i César de lta Porras (@drcesardip [22]) :

@drcesardip [23]: Viendo #peruanomasamable [13] y los galardonados me parecen mas vivos [N. del A: listo, audaz] q amable… En fin 🙂

@drcesardip [23] [es]: Eo am-pijerena ny  #peruanomasamable [13] aho, ohatra ny hoe dedaka kokoa fa tsy hoe tsara fanahy ireto tonga tamin'ny famarànana… tsy mampaninona 🙂

Nozarain'i Katty Neciosup (@kttyn [24]) tao amin'ny Twitter ny fahagagany :

@kttyn [25]: QUE!!! #peruanomasamable [13]…pero si a mi no me han llamado! ah es peruanO! OK

@kttyn [25]: INONA!!! #peruanomasamable [13]… fa toa tsy voaantso aho ! Ah, ho an'ny Peroviana lehilahy io ! OK

Mampiseho ny tsy hafaliany i Edwin Gayozzo (@EGayozzo [26]) sady nanolotra soso-kevitra :

@EGayozzo [27]: Qué huachafada. Si quieren incentivar una conducta correcta, háganlo invirtiendo BIEN en educación, no con esta ridiculez #peruanomasamable [13]

@EGayozzo [27] [es]: Ratsy be ity izy. Raha toa ka te-hamporisika ny fitondrantena marina ianareo, dia ataovy amin'ny fampiasam-bola hisian'ny fampianarana TSARA izany fa tsy amin'ny zavatra mampihomehy tahaka izao. #peruanomasamable [13]

Ny  hevitry ny teny Espaniola hoe  huachafada [28] [es] dia zavatra ratsy, ratsy tsiro sy tsy misy dikany.

Etsy andanin'izay, zarain'i  Less Martínez V (@rockazless [29]) ny asa tsara nataony izay tsy nahazo valisoa :

@rockazless [30]: No es justo @karenzd [31] y yo acompañamos a un grupo de 6 de turistas hasta la playa y no nos han condecorado nada #peruanomasamable [13]

@rockazless [30] [es]: Tsy araka ny fahamarinana izany, niaraka taminà vondrona mpizaha tany enina hatreny amin'ny tora-pasika izaho sy @karenzd [31]  nefa tsy nahazo na inona na inona #peruanomasamable [13]

Nofaranan'i  @Lima_Cero [18] tamin'ny teny eso nanondroany an'i Natalia Málaga, [32]ilay mpanazatra ny ekipa volley-ball Peroviana zandriny , izay fantatra amin'ny fomba henjana fanaony :

@Lima_Cero [33]: Natalia Málaga tenía que haber ganado como #peruanomasamable [13]

@Lima_Cero [33] [es]: Natalia Málaga no tokony hahazo valisoa #peruanomasamable [13].