Hita Ilay Peroviana Mahay Mandray Olona Indrindra
Marisol Rodríguez Gamero, mpianatra Lalàna, 23 taona, no nahazo tamin'ny fifaninànana “The kindest Peruvian” ( Peroviana mahay mandray olona indrindra) [es], hetsika iray hamporisihina ny Peroviana mba hampiseho toetra mendrika sy fihetsika mampisongadina ny hatsaran'izy ireo amin'ireo vahiny mpizaha tany.
Nofintinin'ny tanonkala DePeru.com [es] ireo tanjon'ny fifaninanana [es] ary nozarainy ny vaovao:
[La Comisión de Promoción del Perú para la Exportación y el Turismo] PROMPERÚ realiza esta campaña con el cual pretende seguir incentivando el turismo en el Perú y donde todos los peruanos debemos poner de nuestra parte para lograr que los turistas nacionales y extranjeros reciban una cordial atención durante su permanencia en nuestros lugares de visita.
Notontosain'[ny Komisionan'ny Fampiroboroboana ny Fanondranana Entana sy ny Fizahantany any Pero] PROMPERÚ io fanentanana io mba hanohizana ny fanetsiketsehana ny fizahantany any Pero ary amin'ny maha-Peroviana anay dia tsy maintsy mandray anjara izahay mba hahazoan'ireo mpizaha tany nasionaly na vahiny ny fandraisana mahafatra-po sy feno fitiavana azy ireo mandritra ny fotoana hijanonany aty amin'ireo toerana fitsidiky ny mpizaha tany aty aminay.
Natolotry ny Filoha Ollanta Humala Tasso sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Fizahan-tany, José Luis Silva Martinot, ho an'i Marisol Rodríguez Gamero, 23 taona, mpianatra lalàna, mpandresy tamin'ilay fifaninanana, ny loka tamin'ny Alatsinainy 3 Jona rehefa avy nankalazaina be tao amin'ny fahitalavitra, ny radio sy ny gazety.
Nofinidy i Marisol noho izy tsy niomana mialoha nefa nanaraka mpitaingina bisikileta Soisa anankiroa avy any Limean distrikan'i Pueblo Libre nankany amin'ny fiantsonam-piaramanidina iraisam-pirenenan'i Jorge Chávez. Tamin'ny volana Martsa tamin'ity taona ity, nitaingina bisikileta niaraka tamin'ireo mpizaha tany Soisa izay hiverina hody any an-tanindrazany, namakivaky ny 20 km avy amin'ny fihaonan'ny làlana Brasil [es] sy Bolívar ho any amin'ny fiantsonam-piaramanidina i Marisol.

Làlana mampiavaka an'i Cusco. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Héctor de Pereda (CC BY-NC 2.0)
Tojo teo amin'ny sehatra famaranan'ilay fifaninanana i Marisol noho ny fifidianan'ny mpiray taninindrazana aminy azy. Fivahinianan'olon-droa any amin'ny iray amin'ireto toerana telo lafatra ireto : Cusco, Paracas ary Tambopata no loka natolotra.
Novalian'ny tontolon'ny twitter Peroviana tamin'ny karazana fanamarihana tanaty tarehin-tsoratra 140 izany, tahaka ity filazana fohy nataon'i Marca PERÚ (@marcaPERU) ity :
@marcaPERU: Se inicio ceremonia para elección del #peruanomasamable @peruanoamable #marcaperu
@marcaPERU [es]: Manomboka ny lanonana hifidianana ny #peruanomasamable [Peroviana tsara fandray indrindra]. @peruanoamable #marcaperu [brand Peru]
Nilaza ny fanantenany ny handresen'ny mpifaninana tohanany ny mpampiasa mArTin GV (@MARTINZOTE) :
@MARTINZOTE: En esta 1ra edición tiene que ganar EL POLICÍA DE AREQUIPA. Desborda AMABILIDAD desde HACE AÑOS @marcaPERU @peruanoamable @peruanomasamable
@MARTINZOTE [es]: Tokony ho ilay MPITANDRO FILAMINANA AVY ANY AREQUIPA no hahazo ny fandresena tamin'ity voalohany ity. Efa an-taonany maro no nanehiany HATSARAM-PANAHY. @marcaPERU @peruanoamable @peruanomasamable
Nolavin'i Lima Cero (@Lima_Cero) izany tamin'ny fampiasana fiteny tsy maoty:
@Lima_Cero: #PTM Se puede saber por qué chu*** no fui elegido el #peruanomasamable ¿? Hablen m**das!!! oh wait!!! cc: @telasopapeo
@Lima_Cero: #PTM [es]: Azoko fantarina ve nahoana t*** mihitsy aho no tsy voafidy ho #peruanomasamable ¿? Teneno mafy, ry v**!!! oh andraso !!! cc: @telasopapeo
Nandritra izay fotoana izay, nanazava ny fomba fijeriny i César de lta Porras (@drcesardip) :
@drcesardip: Viendo #peruanomasamable y los galardonados me parecen mas vivos [N. del A: listo, audaz] q amable… En fin 🙂
@drcesardip [es]: Eo am-pijerena ny #peruanomasamable aho, ohatra ny hoe dedaka kokoa fa tsy hoe tsara fanahy ireto tonga tamin'ny famarànana… tsy mampaninona 🙂
Nozarain'i Katty Neciosup (@kttyn) tao amin'ny Twitter ny fahagagany :
@kttyn: QUE!!! #peruanomasamable…pero si a mi no me han llamado! ah es peruanO! OK
@kttyn: INONA!!! #peruanomasamable… fa toa tsy voaantso aho ! Ah, ho an'ny Peroviana lehilahy io ! OK
Mampiseho ny tsy hafaliany i Edwin Gayozzo (@EGayozzo) sady nanolotra soso-kevitra :
@EGayozzo: Qué huachafada. Si quieren incentivar una conducta correcta, háganlo invirtiendo BIEN en educación, no con esta ridiculez #peruanomasamable
@EGayozzo [es]: Ratsy be ity izy. Raha toa ka te-hamporisika ny fitondrantena marina ianareo, dia ataovy amin'ny fampiasam-bola hisian'ny fampianarana TSARA izany fa tsy amin'ny zavatra mampihomehy tahaka izao. #peruanomasamable
Ny hevitry ny teny Espaniola hoe huachafada [es] dia zavatra ratsy, ratsy tsiro sy tsy misy dikany.
Etsy andanin'izay, zarain'i Less Martínez V (@rockazless) ny asa tsara nataony izay tsy nahazo valisoa :
@rockazless: No es justo @karenzd y yo acompañamos a un grupo de 6 de turistas hasta la playa y no nos han condecorado nada #peruanomasamable
@rockazless [es]: Tsy araka ny fahamarinana izany, niaraka taminà vondrona mpizaha tany enina hatreny amin'ny tora-pasika izaho sy @karenzd nefa tsy nahazo na inona na inona #peruanomasamable
Nofaranan'i @Lima_Cero tamin'ny teny eso nanondroany an'i Natalia Málaga, ilay mpanazatra ny ekipa volley-ball Peroviana zandriny , izay fantatra amin'ny fomba henjana fanaony :
@Lima_Cero: Natalia Málaga tenía que haber ganado como #peruanomasamable
@Lima_Cero [es]: Natalia Málaga no tokony hahazo valisoa #peruanomasamable.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...