- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Grenady Breziliana Hamelezana Tiorka

Sokajy: Amerika Latina, Bahrain, Brezila, Tiorkia, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra nosoratan'i Bruno Fonseca sy Natalia Viana, avy amin'i Agência Pública, ity dia nivoaka tamin'ny voalohany tamin'ny lohateny hoe “Bomba brasileira na pele turca” [1] (grenady breziliana hamelezana ny Tiorka) , izy ity dia ao anatin'ny fanadihadiana manokana momba ireo vondron'olona mpanery ny manampahefana sy ny orinasa mpamokatra fitaovam-piadiana ao Brezila  #IndústriaBrasileiraDeArmas [2]. Hisy lahatsoratra telo momba izany fanadihadiana izany eto amin'ny Global Voices Online. Ity ny lahatsoratra voalohany amin'izany.

Tamin'ny 2012, hita tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso namelezana ny mpanao fihetsiketsehana miandany amin'ny demokrasia tao Bahrain ny soratra hoe  ”made in Brazil”. Nisy mpikatroka niampanga ny fisian'ny zazakely iray maty [3], lasibatry ny gazy breziliana, ary nanambara [4] ny minisitry ny raharaham-bahiny breziliana fa hanamarina ny mety ho fisian'ny zavatra tsy mazava teo amin'ny fanondranana ity vokatra ity. Nefa herintaona taty aoriana, nanambara ny tao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny (Lapan'Itamaraty), fa nandray naoty ny zava-nitranga tsy nanao famotorana na fepetra noraisina izy. Hoy i Rasheed Abou-Alsamh, mpikatroka Amerikanina-Saodianina, nanoratra [5]ny fiampangana:

O Itamaraty deve achar que somos ingênuos.

Mety mieritreritra i Itamaraty fa donto izahay

Noho ny tsy fisian’ny fandrarana momba ny fanondranana fitaovam-piadiana tsy mahafaty, dia ampiasain’ny polisy tiorka hamoretana ny fihetsiketseha-panoherana an’i Recep Tayyip Erdogan , izay mipoaka any amin’ny tanàna 60 mahery mahatonga faharatran’olona an-jatony sy fisamboran’olona eo ho eo amin’ny 2000 eo ankehitriny ity gazy vokarin’ny orinasa Condor S A avy ao Rio de Janeiro ity.

Manamafy ny fampiasana gazy (baomba) mandatsa-dranomaso breziliana nandritra ireny toe-javatra nanomboka tamin’ny fandabohana hazo 600 eo amin’ny kianja Taksim ao Istambul ireny ny Amnesty International. Suzette Grillot, mpampianatra amerikanina iray izay nanatrika izany, no naka sary ny iray amin’ireo tora-javatra nampiasain’ny polisy ary nanao fanambarana tao amin’ny Agência Pública:

Um membro do nosso grupo encontrou a cápsula na noite de ontem (3 de junho) em Ankara.

Mpikambana iray ao amin’ny vondrona misy anay no nahita ity grenady ity tamin’ny halina (3 jona) tao Ankara.

Bomba Made in Brazil Turquia

Mpampianatra Amerikanina iray no naka sary kopily iray nampiasain’ny polisy tiorka ho gazy mandatsa-dranomaso. Saripika Suzette Grillot/ lisansa Creative Commons

Nampiasaina hatramin’ny nanombohan’ny fihetsiketsehana , tamin’ny 31 mey tao Istambul ny gazy mandatsa-dranomaso breziliana. Mitantara ny mpikambana ao amin’ny Occupy Gezi [Bodoy Gezi] izay nisafidy ny tsy hanonona anarana noho ny tahotra mety hisian’ny famaizana:

Naquele dia, havia apenas um grupo pequeno de ambientalistas. A polícia invadiu o parque às 5h da manhã enquanto essas pessoas dormiam nas barracas. Os policiais queimaram barracas e atacaram os manifestantes com gás lacrimogêneo. Os policiais deveriam atirar os projeteis de gás para cima, mas eles miram nas pessoas. Alguns perderam a visão por serem atingidos diretamente (pelos projeteis), outros são atingidos nos braços e pernas. Existem centenas de vídeos mostrando efeitos do gás: lágrimas, náusea, vômito, dificuldade em respirar.

Tamin’io andro io, tsy nisy afa-tsy vondrona vitsin’ny mpandala tontolo maitso no teo. Nanemitra ny zaridaina ny polisy tamin’ny dimy ora maraina raha mbola natory tao anaty fialofana tsizarizary ry zareo.Nodoran’ny polisy ny fialofana ary notifiriny gazy mandatsa-dranomaso ny mpanao fihetsiketsehana. Tokony natifiny ambony izy ireny saingy nataony tifitra akaiky dia akaiky. Maromaro ireo lasa tsy nahita noho izy ireo voan’ny kopily mivantana, ny hafa indray nisy voa teny amin’ny sandry na teny amin’ny tongotra. Ahitana lahatsary an-jatony mampiseho ny fiantraikan’ny gazy mandatsa-dranomaso : Ranomaso tsy mitsaha-miraraka, salebolebo, fandoavana, fahasahiranana ara-pisefoana

Niangavy an’i Torkia hanokatra famotorana tsy miankina tamin’ireo fihetsiky ny mpitandro ny filaminana raha niatrika ny mpanao fihetsiketsehana ny Biraon’ny Firenena Mikambana misahana ny zon’olombelona. Cécile Pouilly, mpitondra tenin’ny komisarià ambony ao amin’ny Firenena Mikambana misahana ny zon’olombelona, no nanao izao fanambarana manaraka izao:

Estamos preocupados com relatos de uso excessivo de força por agentes legais contra manifestantes.

Sahiran-kevitra amin’ny vaovao milaza ny fampiasan’ny mpitandro ny filaminana hery tafahoatra amin’ny mpanao fihetsiketsehana izahay

Fitaovam-piadiana “tsy mahafaty ” mety hamono

Ny taimbala nopihan’ilay Amerikana vavy Suzette Grillot sary no sisa tamin’ilay kopily mandatsa-dranomaso mahataka-davitra ( GL 202) novokarin’ny orinasa Condor, lohalaharana amin’ny famokarana karazam-piadiana tahaka ireny ao Amerika Latinina. Mety hahatratra hatrany amin’ny 120 metatra amin’ny ankapobeny ny kopily ary afa-mihoatra sakatsakana tahaka ny rindrina na barazy “hanesorana olona sy hampiparitaka andian’olona mandika lalàna ”, araka ny fomba fiteny ampiasain’ny mpamokatra [6] azy. Saingy, nanazava tao amin’ny tranonkalany ny orinasa Condor fa mety hampisy fahavoazana goavana eo amin’ny fahasalamana ary mety mahatonga hatrany amin’ny fahafatesana aza ny fampiasana amin’ny tsy mety ireny kopily ireny.

Sary hafa noraisin’ny mpanao fihetsiketsehana, no mampiseho grenady mandatsa-dranomaso iray mivezivezy [toa tandrimo ?] (GL 310), fantatra amin’ny anarana ho “mpandihy” . Raha vao midona amin’ny tany izy io dia mitontotontona tsy fantatra izorana sady mamoaka gazy ihany amin’ny faritra midadasika nefa tsy afa-mandaka azy hiverina any amin’ny mpitandro ny filaminana ny olona lasibatra. Manamarika ny orinasa fa raha midona amin’ny zavatra mora mirehitra ny grenady dia mety hiteraka haintrano.

Bomba Made in Brazil na Turquia [7]

Ao amin’ity sary navoakan’ny mpanao fihetsiketsehana ity no ahitana fitaovam-piadiana GL 310 sy Gl 202 an’ny Condor (1º sy 3º avy any ankavia miankavanana). Ny kopily faharoa avy any ankavia dia avy any amin’ny Nonlethal Technologies, orinasan’i Etazonia izay voalohany amin’ny fanondranana fitaovam-piadiana « tsy mahafaty » miaraka amin’ny brezilianina Condor mankany Torkia. Lisansa Creative Commons