Hatezerana Naterak'Ilay Fanafihana Nihatra Tamin'Ireo Mpifindra Monina Tao Malezia

Toa mihanaka manerana ireo firenena rahavavy ilay adim-poko tao  Myanmar.

Misy sasany amin'ireo Bodista Myanmar izay nifindra monina tao Malaysia no voatafika tao anatin'ny herinandro maromaro lasa izao, heverin'ny olona maro fa mifandraika amin'ilay disadisa ara-poko sy ara-pivavahana misy ao Myanmar izany. Araka ny Eleven Media, 6 no maty ary 12 ireo naratra nahiditra hopitaly nandritra ilay fanafihana feno herisetra natao tamin'ireo teratany avy any Myanmar mipetraka ao Malezia nanomboka ny 30 May hatramin'ny 8 Jona.

Nandà ny fisian'io vaovao io ny Masoivohon'i Myanmar ao Malezia, ka nahatezitra mafy ireo Birmana mpisera ety anaty aterneto. Ye Htut, ilay visy-Minisitra ao amin'ny Ministeran'ny Serasera ao Myanmar dia nanazava [my] ilay tatitra :

Mamaky ny vaovao ety anaty Aterineto (izahay) mikasika ny fifandonana nitranga teo akaikin'ilay Monastera Myanmar ao KamPung sy Selayang sy nilazàna hoe misy vitsivitsy  amin'ireo olona avy any Myanmar no namoy ny ainy. Nanontany avy hatrany ny Ambasadin'i Myanmar tao Malezia (izahay) mikasika io olana io, tamin'ny 5 ora hariva, ary avy eo tamin'ny 8 ora alina tamin'ny alalan'ny Ministry ny Raharaham-bahiny. Ary nilaza ny Masoivoho fa diso izany fanambaràna izany. […]

A Myanmar national put 11 red roses at Malaysia Embassy Yangon for Myanmar nationals killed at Malaysia.

Nametrahan'ireo tearatany avy ao Myanmar raozy 11 isa teo anoloan'ny Masoivohon'i Malezia ao Yangon ho fanomezam-boninahitra ireo mpifindra monina avy ao Myanmar namoy ny ainy tao Malezia. Sary – Facebook-n'i Ye Moe.

Naneho [my] ny hatezerany mikasika ilay valintenin'ny Masoivoho i Wai Lin Oo :

Tena zava-mitranga amin'izao ora itenenana izao izany ! Raha te hino izany tenin'ny Masoivoho izany ianareo, manomàna sidina ho ao Myanmar hitondràna ireo vata-mangatsiaka ireo hody.

Fang Ran koa dia nanamafy[my] hevitra iray mitovy amin'izany ihany.

Mijaly ny olona. Mpandainga fotsiny ireo olona ao amin'ny Masoivoho izay tsy mivoaka aty ivelany ireo akory. Ary mametra haba ambony dia ambony aminay izy ireo. Tsy hitako izay teny hilazàna ny fomba fibetrohan'izy ireo (ny olona mba mangataka fialokalofana ao amin'ny Masoivoho). […] Rahoviana vao afaka ny hametraka ny fitokisantsika amin'ny governemanta Myanmar isika ? Tena mahakivy. Aiza ho aiza ny fanajàna ny zon'olombelon'ireo teratany avy ao Myanmar ?[…]

Nampitaha[my] izany izay ho fihetsiky ny governemanta any amin'ny firenena hafa i Myo Set raha sendra tojo olana toa izany :

Raha nisy namono tao Myanmar ny Japone iray ny taona 2007, dia nisy Ministra Japone iray tonga avy hatrany nankany mihitsy. Tamin'ny fotoana nisianà olana tao amin'ilay Koreana tomponà Orinasa iray tamin'ireo mpiasa tao Myanmar, dia lasa niditra an-tsehatra ny Masoivohon'i Korea.  Nofotsian'i Korea Avaratra teny amin'ireo trano fivarotam-boky tao Myanmar ilay boky mikasika n'Ingahy Kim Jong Ill. Henatra izany! Nidina nijery taty Myanmar i Etazonia rehefa nisy ny olana Yettaw.

Antsika indray izao ?

Ao Malezia, Tratran'ny fahatapahàna lalan-drà ny vavan'ilay Masoivoho. Sembana ny Minisitry ny Serasera ary tsy malemy ny governemantan'i Myanmar.

“We are Birmanase” na hoe Birmana isika, pejin'ny fiarahamonina iray anaty Aterineto an'ireo teratany avy ao Myanmar manerana izao tontolo izao no nametra-panontaniana mikasika ny fahanginan'ireo fikambanana tsy miankina na ONG sy ireo filazam-baovao maro manoloana ny tsy rariny hiaretan'ireo Bodista ao Malezia :

Tamin'ny fotoana nisian'ny korontana tao an-tananàn'i Meikhtilar tao Myanmar, ny filazambaovao (manerantany) sy  ireo fikambanana Iraisam-pirenena (toy ny) Firenena Mikambana, Human Rights Watch (dia nitatitra) mikasika izany ary nisy mihitsy aza ireo nanatavy (ilay resaka), nanasokajy azy io ho famongorana foko, novonoina tamin-kerisetra ireo Silamo tao Myanmar, na zavatra mitovitovy amin'izany….Kanefa maninona izy ireo ankehitriy no tsy ahitan-teny mikasika io raharaha famonoan'olona ao Malezia mikendry ireo Bodista avy ao  Myanmar io? Bodista Birmana  firy no andrasan'izy ireo hatao sorona vao hamoaka (ilay raharaha) eny amin'ny gazety sy ny fahitalavitra ? Azafady indrindra Mba asehoy ilay lazaina fa ZO dradradradrainareo matetika rehefa te hanala baraka ireo Bodista Birmana  amin'ny gazety sy ny fahitalavitra manerana izao tontolo izao ianareo

Ny 4 Jona, rehefa niakatra ny feo ary nihamafy ny fanafihana, izay ny governemantan'i Myanmar vao namoaka “Aide Memoire” tao amin'ny Masoivohon'i Malezia, ho manainga ny governemanta Maleziana hanao fanadihadiana avy hatrany mikasika ilay raharaha ary hampihatra ny lalàna velona amin'ireo olona tompon'antoka tamin'izany. Ny 6 Jona, nanao fanambarana ny tao Malezia fa 900 ireo teratany Myanmar nosamborina nandritra ilay fanadiovana nataon'ny mpitandro filaminana. Miomana ny[my] handefa solontena manokana ho any Malezia ny governemanta ao Myanmar.

Koa satria betsaka ireo mpifindra monina Myanmar tsy manana ny akory fahafahana hiditra hopitaly nohon'ny ratra mahazo azy, dia nanome fanampiana ho an'ireo niharam-boina ny  “Malaysia Kampung Free Funeral Service Social Team” (Kampung FFSS), fikambanana avy ao Malezia . I U Aung Ko Win, filohan'ny Kanbawza Bank izay sady mitantana ilay orinasam-pitanterana am-piaramanidina Myanmar Airways International (MAI) dia nanome fanampiana [my] mitentina $50,000 dolara Amerikana ary nampidina ny saran'ny tapakila fandehanana fiaramanidina MAI Malezia-Myanmar hatramin'ny 50% ho an'ireo mpifindra monina te-hiverina any Myanmar. i U Zaw Zaw, mpanefoefo fanta-daza iray, izay Filohan'ny Federasionan'ny Baolina Kitra ao Myanmar koa no nanambara fa [my] hanome tapakilam-piaramanidina miisa 1000 atolotra ireo rehetra te-hiverina hody any Myanmar, miampy vola $20 000 dolara Amerikana ho an'ilay fikambanana FFSS Kampung.

Maro amin'ireo mpampiasa Facebook no nanova ho mainty ny sary teo amin'ny mombamomba azy ho fisaonana ireo teratany Myanmar maty tao Malezia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.