- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miditra Amin'Ilay Korontana Ao Tiorkia i Rosia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Tiorkia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet

Raha toa ny ao Istambul ka mbola mitohy ny hozongozonin'ny korontana faobe [1] [en] manohitra ny Praiministra Recep Tayyip Erdoğan, dia manaraka akaiky ny fizotrany sy miresaka ny raharaha ny RuNet. Ho an'ny Rosiana dia i Torkia no toerana be mpifidy indrindra amin'ny fotoam-pialan-tsasatra, izay voasariky ny moron-dranomasiny, ny tsy fahalavirany, ny hamoran'ny sarany sy ny fisian'ny fifanarahana ahazoana Visa malalaka nifanaovany tamin'i Rosia. Tamin'ny taon-dasa fotsiny, teo amin'ny 3 tapitrisa teo ireo Rosiana afaka nitsidika an'i Torkia. Raha toa ny fahalinana amin'ny zava-mitranga ankehitriny any an-toerana mety ho hovoamariky ny ahiahy ho an'ireo dia fivahinianana tsy ankamerim-bola, na i Rosia izy tenany aza tsy vahiny mihitsy amin'ny fidinàna an-dalàmbe tao anatin'izay roa taona izay. Maro ireo Rosiana no haingana tamin'ny fampitahàna : teo amin'ireo hetsi-panoherana roa sy tamin'ireo mpitondra politika roa.

Hatramin'ny voalohany, ny ankamaroan'ny fitseran'ireo Rosiana no nirona nankany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana, toe-javatra iray izay atsipin'ilay [2] mpanoratra mahabe resaka sy Lehiben'ny vondronn'ny mpanohitra “Other Russia”, Eduard Limonov  [ru] ho vokatry ny toetra nationalin'ny Rosiana :

Мы, российские граждане, всегда надеемся, что восставшие против своих правительств победят, всегда инстинктивно встаём на их сторону. Объясняется этот феномен крайне просто. Поскольку мы ненавидим своё правительство и всё руководство нашей страны, и хотим, чтобы оно оставило нас, как можно быстрее; мы солидаризируемся инстинктивно с любой борьбой против правительств.

Izahay mponina eto Rosia dia manantena foana fa ireo izay mitsangana hanohitra ny governemantany dia handresy, mirona fotsiny amin'izao ho amin'ny lafy misy azy ireo. Tsotra ny fanazavana izany. Satria halànay ny governemanta ary ireo izay rehetra mibaiko eto amin'ny firenenay ka takianay ny fialàn'izy ireo, faran'izay haingana, ary dia mandeha ho azy ny fanehoanay firaisankina amin'izay rehetra ady atao amin'ny Fanjakana.

"Unrest in Istanbul", June 11, 2013, Photo by  Eser Karadağ CC2.0 [3]

“Korontana ao Istanbul”, 11 Jona 2013, Sary avy amin'i Eser Karadağ [4] CC2.0

Ary dia nanohy nanazava i Limonov,fa  tsy zavatra mandeha ho azy ny fiaraha-mizaka ao Torkia. Nilaza ny andraikitra tànan'ny Tontolo  manodidina amin'ny fanapariahana ilay hetsi-panoheran'ny Taksim, Limonov nanoratra hoe “Toa tena mitovy amintsika ry zareo Tiorka, toa an'i Chirikova sy ny Alany Khimki [5] [en].

Tsy irery i Limonov, satria marobe ireo Rosiana niditra tao amin'ny Twitter sy LiveJournal haneho ny fanohanany ilay hetsi-panoherana. Arkady Babchenko, Rosiana iray mpanao gazety izay nibilaogy avy eny an-kianja mikasika ilay hetsi-panoherana ao Istanbul, dia tena nanakiana mafy [6][ru] ilay valintenin'i Erdoğan (avy eo izy voasambotra, voavono [7] [ru] ary noroahana hiala an'i Torkia [8][en].)

По поводу переговорщиков (вчера одиннадцать человек ездили к Эрдогану на переговоры, насколько я понял, ни о чем не договорились, но это не точно) – не то, чтобы разброд и шатание, но разговоры уже начались. Очень грамотный ход со стороны Эрдогана. Разделяй и властвуй. Умно. У Путина учится.

Raha ny momba ireo mpanao fifampiraharahana (omaly [12 Jona 2013] iraikambin'ny folo ireo olona nandeha tany Erdoğan hanao fifampiraharahana, araka ny fahafantarako azy, tsy nahavita nanao fifanarahana na dia iray akory aza izy ireo, nefa tsy mazava izany) — tsy momba ny fisaritahana sy tsy filaminana loatra [ izay zareo no fototra ], fa dia efa nanomboka niresaka izany ny olona. Hetsiky ny manam-pahaizana manokana ho an'ny andaniny ao Erdoğan. Zarazarao hanjakàna. Marani-tsaina. I Putin no nampianatra azy.

Maro ny fampitahàna an'i Erdoğan tamin'i Putin, indrindra tao amin'ny twitter. Real_Estate_Mos [9] [ru] nandefa bitsika hoe :

Эрдоган – это такой турецкий Путин..

Erdoğan dia karazàna Putin Tiorka

Tamin'ny alalan'ny fanambaràn'ireo mpitondra roa izay milaza ny tenany ho mpanompon'ny vahoaka ireo, sergeiolevskii [10] [ru] nibitsika hoe :

Эрдоган: “я слуга народа”.
Путин: “я как раб на галерах”.
Чего же так сложно избавиться от этих слуг и рабов?

Erdoğan – “mpanompon'ny vahoaka aho”
Putin- “Miasa toy ireny andevo eny an-tsambo ireny aho”
Nahoana no sarotra ny manàla ireo mpanompo sy andevo ireo ?

Ireo Rosiana manohana an'i Putin dia nisalasala hilaza ny fanohanany an'i Erdoğan, izay teo ambain'ny fitantanany no namparikivy ny fifandraisana eo amin'ny Rosiana-Tiorka, indrindra mikasika ilay resaka Syria. Na dia izany aza, i Nikolai Starikov, mpikambana ao amin'ilay vondrona matanjaka manohana an'i Putin, mpanoratra, ary mpandalina ny resaka tsikombakomba dia nanambara [11][ru] fa nitsabahan'ny Amerikana iny hetsika iny mba hahatonga fikorontanana ao Torkia sy hanerena ny governemanta hanohana ireo mpiady avy amin'ny mpanohitra ao Syria, izay ambaran'i Starikov fa nezahany nosorohana :

Не хочет – нужно заставить. И вот «турецкая весна» на улицах. Погромы, драки с полицией, попытки штурма офисов правящей партии. И все из-за планов сноса одного парка, как говорят нам СМИ? Полная чушь. Цель беспорядков – заставить Турцию активно вписаться в сирийский конфликт и помочь исламистам.

Tsy te [ho voarirodrirotra] i [Torkia] ka dia mila terena. Ary izao dia azonareo izy ity: eny an-dalambe izao “Ny Lohantaona Tiorka”. Fitroarana miharo famonoana, fifandonana tamin'ny polisy, fikasana ny haka an-keriny ny biraon'ny antoko mitondra. Ary ny planina rehetra nikasàna ny hamotika kianja tokana, araky ny voalazan'ny filazam-baovao ? Hagaigena tanteraka. Ny hanery an'i Torkia hanao sonia amin'ilay adin'i Syriana ary hanampy ireo Islamista no tena tanjon'ireny fanakorontanana ireny

Taloha i Starikov dia matetika no nilaza fa ny Departemantam-panjakana Amerikana no ao ambadiky ny hetsiky ny fanoherana ao Rosia, ho fitaovana mavitrika hamparefo ny firenena.

Ilay mpampiasa twitter aliciamillor [12] [ru] dia nilaza ny heviny mikasika ireo andianà bitsika [13] [ru] hita hatramin'izay nilazan'i Erdoğan tao an-kianja fa hanao fitsapan-kevibahoaka izy, tsara lavitra noho ireo politisiana tandrefana izy :

Браво! Эрдоган предложил провести референдум. Того же самого требовали фр-зы по поводу гей браков. Олланд отказал в груб форме,собаками и газом. Вывод – Эрдоган больше демократ чем Олланд.

Arahabaina! nanolotra hevitra ny amin'ny tokony hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka i Erdoğan. Nanao toy izany koa ny Frantsay tamin'ilay fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy iny.  Nolavin'i Hollande [Filoha Frantsay] fatratra izany, niaraka taminà alika sy baomba [mandatsa-dranomaso] mirarakompana. Noho izany, demokraty lavitra mihoatra noho i Hollande izany i Erdoğan.

Vondrona iray miteny Rosiana, izay fantatra fa nanohana an'i Erdoğan, ahitàna mponina avy ao amin'ny repoblikan'i Asia afovoany, ny ankamaroan'izy ireo dia Tiorka avokoa, ny fomba fiaina sy fomba fiteny mifandray amin'ny Tiorka “Anatolia”. Mpampiasa iray [14] [ru, uz] ao Uzbekistan (izay famoloana [15] [en] olona an-jatony maro no namalian'ny filohany ny hetsi-panoherana natao ny taona 2005) dia nidoka an'i Erdoğan [16] [ru] tamin'ilay fifehezantena sy fahatoniana nasehony :

Эрдоган поступил правильно , предупредил , не отреагировали , и теперь выгнал всех нахрен !!! и вообще можно было без предупреждении

Nety ny nataon'i Erdoğan, efa nampitandrina [ireo mpanao hetsi-panoherana] izy, tsy taitra anefa izy ireo, ary izao lasa nitsoaka ireo!!! ny tena marina, tsy tokony nampitandrina azy ireo akory izy

Mpampiasa hafa iray, Eva_Alli [17] [ru, kg] avy ao Kyrgyzstan, izay feno korontana ihany koa ao amin'ny governemantany, dia nandoka [18][ru] ny fihenjanan'i Erdoğan.

Эрдоган красавчик. нам бы такого. знает, что делает, имеет свою точку зрения и ни перед кем не пасует. лев в мужском роде. одним словом.

Tena lehilahy mahafinaritra i Erdoğan. Raha mba manana olona toa azy mantsy isika. Fantany izay ataony, araky ny fomba fijeriny manokana ary tsy misy tsy hainy. Toy ny Liona raha atao teny iray.

Leonine Erdogan is anything but cowardly, according to some RuNet users. YouTube screenshot. June 18, 2013. [19]

Leonine Erdogan dia hafa fa tsy kanosa velively, araky ny hevitr'ireo sasany amin'ny mpampiasa RuNet. Sary tao amin'ny YouTube. 18 Jona 2013.

Samy mahita iny raharahan'i Tiorkia iny amin'ny amin'ny alàlan'ny olany anatiny avokoa ireo vondrona mpampiasa RuNet : mahita ohatra iray azo arahana tsara ireo mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra, raha toa ka porofon'ny tsy fifehezan'ny vahiny sy ny fihatsaram-belatsihin'ny tandrefana no fahitàn'ireo mpanohana ny fitondrana izany fanakorontanana izany. Mifanohitra amin'izay, ny ao Azia afovoany dia toa mitsiriritra fatratra ny hanana mpitarika toa ireo rahavaviny Anatoliana ireo, mba hanana mpitarika mahafehy sy tony ary mahay manapa-kevitra kokoa raha miohatra amin'ny azy ireo. Ary na dia tsy sarotra ho an'ny firenena lavitra be an-kilometatra maro aza ny mahazo sy manaraka iny vaovao iny amin'ny alalan'ny filazam-baovao sosialy, dia maro no milaza fa raharahan-tokantrano ny olana politika.