- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nolanian'i Ekoatora Ilay Lalàna Mahabe Resaka Mifehy Ny Serasera

Sokajy: Ekoatora, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Taorian'ny adihevitra ela efa ho efa-taona izay, dia neken'ny Antenimieram-pirenena tao Akoatora ihany, tamin'ny isam-bato 108 mankasitraka ary 26 mitsipaka, ilay lalàna mahabe resaka hifehy ny serasera, natolotry ny Filoha Rafael Correa,

Raha toa ny tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta ka mankalaza [1][es] ny fahalanian'ilay lalàna, ireo fikambanan'ny mpanao gazety sy ireo mpanohitra kosa dia nandray izany [2][es] ho toy ny “famehezana” ny fahalalahana haneho hevitra ao amin'ny firenena .

Natsangan'ny lalàna ny Filankevitra Mpanara-maso Ny Votoaty “mba hamolavola sy hampihatra avy hatrany ilay polikan'ny serasera ary handrindràna ireo filazam-baovao,” araky ny fitateran'i Tania Lara azy tao amin'ilay bilaogy [3] Centro Knight.

Araky ny fanazavana tao amin'ilay lahatsoratra [4] [es] tao amin'ny DW, “Ilay Filankevitra Mpanara-maso Ny Votoaty” dia hanan-kery eo amin'ny sehatry ny fitrandraham-baovao, ny rakitra sy ny ampaham-potoana, ny firoboroboana ny fandrindràna ary ny tatitra mahakasika ny fanomezana maridrefy, ankoatry ny zavatra hafa. Harindran'ilay filankevitra izay votoatim-baovao avoakan'ny filazam-baovao ka mirakitra fanavakavahana na misy fifandraisana amin'ny herisetra. Ho an'izay filazam-baovao mamoaka ny toa izany, dia azon'ilay filankevitra atao tsara ny manasazy azy na izany miainga amin'ny fialan-tsiny imasom-bahoaka izay ataon'ilay mpanoratra ka hatramin'ny sazy ara-bola henjana.

Ilay lalàna [5][es] dia mandràra ihany koa ny “lynchage mediatique”,  fanaparitahana vaovao ” natao hanaratsiana olona iray na fikambanana iray na koa manaratsy ny endrik'izany olona izany imasom-bahoaka.” Mizara ny maridrefin'onjam-peo sy televiziona ihany koa ilay fandridràna, “izay ahitàna maridrefy 33% atokana ho an'ny filazam-baovaom-panjakana, 33% ho an'ny filazam-baovao tsy miankina, ary 34% ho an'ny filazam-baovaonà vondrom-piarahamonina.”

Foto de @PoliticaEc

Sary avy amin'i @PoliticaEc [6], ilay kaonty ofisialin'ny Sekretera Nasionalin'ny Mpandrindra Ara-politika – SNGP nalaina tamin'ny andron'ilay fankalazana nitranga teny amin'ny faritra manodidina ny Antenimiera taorian'ny nandaniana ilay lalàna.

Andrés Páez (‏@andrespaezid [7]) [es], mpikambana ao amin'ny antenimieram-pirenena, avy amin'ny mpanohitra, no namaritra ny andron'ny 14 Jona 2013 izay andro nanekena ilay lalàna ho “andro fisaonana” :

@andrespaezid: [8] Hoy es un día fúnebre para el Ecuador. Hoy en la Asamblea Nacional se firma el acta de defunción de la libertad… http://fb.me/MNRlMYk6 [9]

@andrespaezid: [8] Andro fisaonana ho an'i Ekoatora anio. Androany no vita sonia tao amin'ny Antenimieram-pirenena ilay lalàna manamarika ny fahafatesan'ny fahalalahana… http://fb.me/MNRlMYk6 [9]

Mercy Castro (@Mercy2ACastr) [10] [es], mpanao gazety ao amin'ilay gazety mpiseho isan'andro La Hora, gazety an-tsoratra iray tsy miankina, dia nanoratra fanasoketana toy izao :

@Mercy2ACastr: [11] Ver al oficialismo festejando la aprobación d la #LeydeComunicación [12], es tan desagradable como ver a ancianos y niños mendigando en ls calles

@Mercy2ACastr : [11] Ratsy be tahaky ny mahita olona antitra sy zazakely mangataka eraky ny arabe ny fahitàna ny fankalazàn'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta ny fahalanian'ilay lalàna #LeydeComunicación [12] [#LawofCommunications] ( lalànan'ny serasera)

Tetsy ankilany, toy izao ny fanehoan-kevitr'i Isabella Buchelli B. (@IsaBuchelli [13]) [es] :

@IsaBuchelli: [14] Los que se quejan de la #LibertadDeExpresion [15]y de la #LeydeComunicación [12] son los que mas insultan…

@IsaBuchelli : [14] Ireo izay mitaraina momba ilay #LibertadDeExpresion [15] [#FreedomofExpression] (fahalalahanaManehoHevitra) sy ny #LeydeComunicación [12] [#LawofCommunication]( lalànan'ny serasera) no tena naniratsira tamin'izy rehetra…

Gabriela Rivadeneira (‏@gabrielaespais [16]) [es], Filohan'ny Antenimieram-pirenena, dia toy ny faly tamin'ny nahalany n'ilay lalàna :

@gabrielaespais: [17] Desde hoy, l@s ecuatorian@s van a tener la voz para reclamar sus derechos que los medios monopólicos les han quitado #LeydeComunicación [12]

@gabrielaespais : [17] Manomboka izao, hanàna ny feoony ireo Ekoatoriana hitaky ireo zo izay nesorin'ireo filazam-baovao tamin'izy ireo sy nataony ampihi-mamba  #LeydeComunicación [12] [#LawofCommunications]

Ny filoha Rafael Correa dia nikolokolo fifandraisana ratsy [18] tamin'ny filazam-baovao. Araka ny fanambaran'i Tania Lara tao amin'ilay bilaogy [3] Centro Knight :

Fantatra amin'ny fampiasàny ny lalàna mikasika ny fanalam-baraka hanenjehany ireo mpanao gazety [19]ny Fitantanan'i Correa ary fantatra ihany koa amin'ny fandefasany hafatra ofisialy lavabe ao anatin'ny fandaharana any amin'ny filazam-baovao tsy miankina, araky ny tatitra voalazan'ny Kaomity mpiaro ireo Mpanao gazety.

Namoaka ity lahatsary [20]mikasika ny “Fifandonana ao Ekoatora eo ambany fitantanan'i Correa” ity ny Kaomity mpiaro ireo Mpanao gazety tamin'ny taona lasa :

Ankehitriny, ilàna ny sonian'ny Filoha Correa ilay lalàna, izay ahitàna artikla miisa 119.