Nolanian'i Ekoatora Ilay Lalàna Mahabe Resaka Mifehy Ny Serasera

Taorian'ny adihevitra ela efa ho efa-taona izay, dia neken'ny Antenimieram-pirenena tao Akoatora ihany, tamin'ny isam-bato 108 mankasitraka ary 26 mitsipaka, ilay lalàna mahabe resaka hifehy ny serasera, natolotry ny Filoha Rafael Correa,

Raha toa ny tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta ka mankalaza [es] ny fahalanian'ilay lalàna, ireo fikambanan'ny mpanao gazety sy ireo mpanohitra kosa dia nandray izany [es] ho toy ny “famehezana” ny fahalalahana haneho hevitra ao amin'ny firenena .

Natsangan'ny lalàna ny Filankevitra Mpanara-maso Ny Votoaty “mba hamolavola sy hampihatra avy hatrany ilay polikan'ny serasera ary handrindràna ireo filazam-baovao,” araky ny fitateran'i Tania Lara azy tao amin'ilay bilaogy Centro Knight.

Araky ny fanazavana tao amin'ilay lahatsoratra [es] tao amin'ny DW, “Ilay Filankevitra Mpanara-maso Ny Votoaty” dia hanan-kery eo amin'ny sehatry ny fitrandraham-baovao, ny rakitra sy ny ampaham-potoana, ny firoboroboana ny fandrindràna ary ny tatitra mahakasika ny fanomezana maridrefy, ankoatry ny zavatra hafa. Harindran'ilay filankevitra izay votoatim-baovao avoakan'ny filazam-baovao ka mirakitra fanavakavahana na misy fifandraisana amin'ny herisetra. Ho an'izay filazam-baovao mamoaka ny toa izany, dia azon'ilay filankevitra atao tsara ny manasazy azy na izany miainga amin'ny fialan-tsiny imasom-bahoaka izay ataon'ilay mpanoratra ka hatramin'ny sazy ara-bola henjana.

Ilay lalàna[es] dia mandràra ihany koa ny “lynchage mediatique”,  fanaparitahana vaovao ” natao hanaratsiana olona iray na fikambanana iray na koa manaratsy ny endrik'izany olona izany imasom-bahoaka.” Mizara ny maridrefin'onjam-peo sy televiziona ihany koa ilay fandridràna, “izay ahitàna maridrefy 33% atokana ho an'ny filazam-baovaom-panjakana, 33% ho an'ny filazam-baovao tsy miankina, ary 34% ho an'ny filazam-baovaonà vondrom-piarahamonina.”

Foto de @PoliticaEc

Sary avy amin'i @PoliticaEc, ilay kaonty ofisialin'ny Sekretera Nasionalin'ny Mpandrindra Ara-politika – SNGP nalaina tamin'ny andron'ilay fankalazana nitranga teny amin'ny faritra manodidina ny Antenimiera taorian'ny nandaniana ilay lalàna.

Andrés Páez (‏@andrespaezid) [es], mpikambana ao amin'ny antenimieram-pirenena, avy amin'ny mpanohitra, no namaritra ny andron'ny 14 Jona 2013 izay andro nanekena ilay lalàna ho “andro fisaonana” :

@andrespaezid: Hoy es un día fúnebre para el Ecuador. Hoy en la Asamblea Nacional se firma el acta de defunción de la libertad… http://fb.me/MNRlMYk6

@andrespaezid: Andro fisaonana ho an'i Ekoatora anio. Androany no vita sonia tao amin'ny Antenimieram-pirenena ilay lalàna manamarika ny fahafatesan'ny fahalalahana… http://fb.me/MNRlMYk6

Mercy Castro (@Mercy2ACastr) [es], mpanao gazety ao amin'ilay gazety mpiseho isan'andro La Hora, gazety an-tsoratra iray tsy miankina, dia nanoratra fanasoketana toy izao :

@Mercy2ACastr: Ver al oficialismo festejando la aprobación d la #LeydeComunicación, es tan desagradable como ver a ancianos y niños mendigando en ls calles

@Mercy2ACastr : Ratsy be tahaky ny mahita olona antitra sy zazakely mangataka eraky ny arabe ny fahitàna ny fankalazàn'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta ny fahalanian'ilay lalàna #LeydeComunicación [#LawofCommunications] ( lalànan'ny serasera)

Tetsy ankilany, toy izao ny fanehoan-kevitr'i Isabella Buchelli B. (@IsaBuchelli) [es] :

@IsaBuchelli: Los que se quejan de la #LibertadDeExpresion y de la #LeydeComunicación son los que mas insultan…

@IsaBuchelli : Ireo izay mitaraina momba ilay #LibertadDeExpresion [#FreedomofExpression] (fahalalahanaManehoHevitra) sy ny #LeydeComunicación [#LawofCommunication]( lalànan'ny serasera) no tena naniratsira tamin'izy rehetra…

Gabriela Rivadeneira (‏@gabrielaespais) [es], Filohan'ny Antenimieram-pirenena, dia toy ny faly tamin'ny nahalany n'ilay lalàna :

@gabrielaespais: Desde hoy, l@s ecuatorian@s van a tener la voz para reclamar sus derechos que los medios monopólicos les han quitado #LeydeComunicación

@gabrielaespais : Manomboka izao, hanàna ny feoony ireo Ekoatoriana hitaky ireo zo izay nesorin'ireo filazam-baovao tamin'izy ireo sy nataony ampihi-mamba  #LeydeComunicación [#LawofCommunications]

Ny filoha Rafael Correa dia nikolokolo fifandraisana ratsy tamin'ny filazam-baovao. Araka ny fanambaran'i Tania Lara tao amin'ilay bilaogy Centro Knight :

Fantatra amin'ny fampiasàny ny lalàna mikasika ny fanalam-baraka hanenjehany ireo mpanao gazety ny Fitantanan'i Correa ary fantatra ihany koa amin'ny fandefasany hafatra ofisialy lavabe ao anatin'ny fandaharana any amin'ny filazam-baovao tsy miankina, araky ny tatitra voalazan'ny Kaomity mpiaro ireo Mpanao gazety.

Namoaka ity lahatsary mikasika ny “Fifandonana ao Ekoatora eo ambany fitantanan'i Correa” ity ny Kaomity mpiaro ireo Mpanao gazety tamin'ny taona lasa :

Ankehitriny, ilàna ny sonian'ny Filoha Correa ilay lalàna, izay ahitàna artikla miisa 119.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.