Tantara tamin'ny 27 Jona 2013
Nolanian'i Ekoatora Ilay Lalàna Mahabe Resaka Mifehy Ny Serasera
Taorian'ny adihevitra ela efa ho efa-taona izay, dia neken'ny Antenimieram-pirenena tao Akoatora ihany, tamin'ny isam-bato 108 mankasitraka ary 26 mitsipaka, ilay lalàna mahabe resaka hifehy ny serasera, natolotry ny Filoha Rafael Correa, Raha toa ny tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta ka mankalaza [es] ny fahalanian'ilay lalàna, ireo fikambanan'ny mpanao gazety sy ireo mpanohitra kosa dia nandray izany [es] ho toy ny "famehezana" ny fahalalahana haneho hevitra ao amin'ny firenena .
Hatezerana Naterak'Ilay Fanafihana Nihatra Tamin'Ireo Mpifindra Monina Tao Malezia
Toa mihanaka manerana ireo firenena rahavavy ilay herisetra ara-poko tao Myanmar. Misy amin'ireo Bodista Myanmar izay nifindra monina tao Malezia no voatafika tao anatin'izay herinandro maromaro lasa izay, heverin'ny olona maro fa mifandraika amin'ilay disadisa ara-poko sy ara-pivavahana misy ao Myanmar izany. Nahatezitra ny mponina maro ny fihetsiky ny governemanta Myanmar raha vao naheno izany.
Miditra Amin'Ilay Korontana Ao Tiorkia i Rosia

Raha toa ka mbola mitohy ny hetsi-panoherana ao Tiorkia, mampifandray izany hetsika ao Tiorkia izany amin'ny hetsi-panoherany sy ireo mpitondra politika roa ny Rosiana.
#SafeCityPledge: Nijoro Hiaro Ny Vehivavy Aty Anaty Aterineto Ny Indiana
Nisy fanentanana nanerana ireo tambajotra sosialy Indiana tao amin'ny Twitter niaraka tamin'ny fanomezan-toky avy amin'ny tsirairay fa hiady amin'ny fanolanana sy ny fanabantiana vehivavy.