Mifosa Ireo Politisiana Ao Zimbaboe Ao Amin'ny Facebook Ilay Tsy Mitonona Anarana'Baba Jukwa’
Tranga iray vaovao no noresahana tao amin'ny Facebook satria efa manakaiky ny fifidianana ao Zimbaboe. Tsy mitonona anarana iray mitondra ny famantaràna hoe Baba Jukwa (BJ) no lasa foto-dresaky ny mponina satria ireo Zimbaboeiana noana resa-politika dia nitsidika ny rindrina Facebook-“NY” hijery ny vaovao farany mikasika izay mitranga ao anatin'ny antoko politika Zimbabwe African National Union – Patriotic Front (ZANU-PF) an'ny filoha Robert Mugabe.
BJ, io moa no fiantso azy, dia voalaza fa lohandohany amin'ny mpikambana ao amin'ny ZANU-PF ary milaza ny tenany ho “Ray tompon'andraikitra, miady amin'ny fiangaràna sy mampifandray mivantana ny vondrom-piarahamonina amin'ny Mpitarika azy ireo, ny Governemanta, Ireo Parlemantera sy ireo Ministra” ary nifosa ilay antoko, narahan'ny hafalian'ireo mpanara-dia azy.
Nohahiahiana anefa fa hoe andianà olona avy amin'ny faritra maro manerana ny firenena izay mampakatra vaovao matetika i BJ, saingy na inona na inona zava-misy, BJ, izay manana Mpitia 144 104 ao amin'ny Facebook hatramin'ny fotoana nanoratanay ity lahatsoratra ity, dia tena nanova ho mandrakizay ny politika Zimbaboeiana sy ny nilàna ny filazam-baovao sosialy amin'ny adihevitra politika amin'izao fotoana hiatrehana ny ny fifidianana voalahatra hatao amin'ity taona ity.

Sarin'i Baba Jukwa. Loharanon-tsary: Pejy Facebook-n'i Baba Jukwa.
Ahitàna anarana na nomerao telefaonin'ireo politisiana ny ankamaroan'ny lahatsoratra nakàriny, mpiandraikitry ny fitsikilovana ary tomponandraikitry ny tafika. Tao anatin'ny iray amin'ny lahatsorany izy dia niresaka momba ny Kolikoly iarahanà orinasa Shinoa iray sy ireo tomponandraikitra ambony ao amin'ny biraon'ny filoha sy ny fanangonana zanatany.
Ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta sy ny tanan-kavanan'ny Zanu ihany no mahazo tombony raha voalaza fa hanampy an'i Zimbaboe n maha-eo an'i Shina. Afaka zaraiko aminareo ve ity torohay ity; misy orinasa iray tantaninà lehilahy Shinoa iray antsoina hoe Tsao Xuecheng. Efa niasa nandritry ny 5 taona . Io ilay orinasa nametraka fanakadrihana “ascensceurs” vaovao tao Zanu pf vao haingana. Nahazo ny anjara volany koa i Shamu sy ireo tanan-kavanan'ny Zanu tamin'io fifanarahana io. Nokaramaina 250 000 dolara Amerikana io orinasa io ny 14 May hametraka CID HQ vaovao. Efa eny an-dalàna avy any Shina izao ireo fitaovana ireo. Miara-miasa amin'i Kasukuwere sy Neville Mutsvengwa avy ao amin'ilay biraon'ny fanangonana zanatany io Shinoa io.
Tao aminà lahatsoratra iray hafa, nolazainy tao ny anaran'ilay manam-pahaizana aminny teknolojian'ny fifandraisan-davitra, nofanina amin'ny fitsikilovana izay mody milaza ho mpiasa aminà orinasan-dalàmby:
Nampandrenesina ireo Lehibenà trano fanaovana fanatanjahan-tena ao Belgravia fa misy mpandraharaha mandany fotoana betsaka amin'ny toerana misy anareo tato ho ato. Manam-pahaizana manokana amin'ny Teknolojian'ny Fifandraisan-davitra ary miafina ao ambadiky ny hoe mpiasa aminà Orinasan-dalàmby. Olona tsara hofana amin'ny fitsongoana dia, ary tena faran'izay akaiky indrindra ny Praiministra Tsvangirai.
Notanisainy tao ny anaran'ireo olona tao ambadik'ilay raharaha nahatafiditra an'i Zimbaboe tamin'ilay Ady Faharoa Tao Congo :
Ry Zimbaboe, fantatrao ve fa ny antom-pisian'ny Miaramila Nasionaly avy ao Zimbaboe tamin'ilay adin'i RDC iny dia natosiky ny fanirian'i Mugabe, Mnangagwa ary ireo miaramila teo amin'ny fitondrana hahazo ny harena voajanaharin’ Congo ? Tao anatin'izy ireny i Robert Mhlanga, Miaramila Amiraly Lefitra taloha tao amin'ny Tafika an-Habakabaka ary ilay mpanamory ny angidimby manokan’ Ingahy Mugabe, izay nandeha nisotro ronono ary lasa Mpanefoefo taoriana kelin'iny fandehanana tany RDC iny. Io Jiolahim-boto antsoina hoe Robert Mhlanga io ihany koa no fanalahidin'ny fanjakana, nanao vavolombelona nahita maso tamin'ilay fitsaràna ilay famadihan-tanindrazana namelezana an'Ingahy Filohan'ny MDC, Morgan Tsvangirai ny taona 2003.
Hoy izy mamaritra ny tetikady nomanin'ny Zanu PF hanodinkodinana ny fifidianana amin'ity taona ity :
Ireo rehetra mpanaraka ity pejy ity dia mety hahatadidy tsara fa herinandro maromaro lasa izay dia nampàkara lahatsoratra iray aho, hoe misy fizaràna ambaratonga telo ny fomba fiasan'ny tsikombakombanny Zanu Pf, ny firaketana anarana sy ny fanaraha-maso , ny fampielezan-kevitra ary ny farany fifidianana sy fanisàm-bato.
Nolazaiko fa nohamarinin'ilay loharano iray, Amai Mujuru […] ny nambarako tao anatin'ilay dingana voalohany. Na izany aza, ny hafatro ho amin'ny androany dia ny hoe efa nanapa-kevitra ny handeha mafimafy kokoa ny Zanu Pf eo amin'ny paikadiny ho fanaovana hosoka, izay no izy, dingana 2, Ny Fampielezan-kevitra, izany no manosika ahy hitodika aminareo eto Zimbaboe mba tsy ho voafitak'ireo goaika antitra fetsy lahy ireo ianareo.
Voaresaka be tokoa ny fomba fiainany sy ny ampamoaka nataony. Ilay Zimbaboeiana mpanao fampihomehezana, Carl Joshua Ncube (@CarlJoshuaNcube) dia nanoratra hoe :
@CarlJoshuaNcube : nanontany ahy ireo namako tsy teratany Zimbaboeiana hoe iza izany Baba Jukwa izany ary hoy aho hoe “ny hany fantatro dia olona fotsy fohy kely izy ary mitondra tehina”
Namariparitra ny lazan'i BJ ilay Zimbaboeiana mpanao gazety, Mike Madoda (@mikemadoda), manao hoe :
@mikemadoda : Sahiko ny milaza fa tsara/ratsy laza (araky ny fironana misy anao) ireo naman'i Baba Jukwa miohatra amin'i Jonathan Moyo [Jonathan Moyo dia ilay Ministry ny Fampahalalam-baovao teo aloha nikorehan'ny rehetra ] fony tonga tamin'ny fara-tampon'ny lazany.
Ny Living Zimbabwe, vohikala filazam-baovao iray, no nametra-panontaniana tamin'ny Zimbaboeiana tao amin'ny Facebook hoe:
Rehefa jerena ny votoatin'ilay zavatra zarain'i Baba Jukwa ho an'izao tontolo izao, heverinao ve fa hisy fiantraikany amin'ny tontolo politikan'i Zimbaboe izy (na izy ireo) ?
Noho izay tazana ho fahalalana tsy mampino avy ao anatiny ny ZANU-PF natolotr'i BJ, nanao fangatahana toy izao ilay mpampiasa Twitter Madzibaba Sir Revita (@AwkwardZimbo) :
@AwkwardZimbo : Tokony mba hanao zavatra iray ho antsika i Baba Jukwa ary hamoaka ny kaonty Instagram'i Bona Mugabe [Bona dia ilay zanaka vavin'ny Filoha Robert Mugabe ]
Olona iray tsy taitra ny amin'io Conor Walsh (@ConorMWalsh) no nanontany hoe :
@ConorMWalsh : Moa tena mihevitra i Baba Jukwa fa hanova zavatra be toy ny nahafahan'i ZanuPF nanova ny tenany ihany ?
Nihanihany momba ny fiakaran'ny lazan'i BJ (@zbc_news) ny filazam-baovaom-panjakana tao an-toerana :
@zbc_news : Raha toa isika rehetra ka variana manisa ny isan'ny “Tiako” ao amin'ny pejy fb-n'i Baba Jukwa, dia efa toy ny manisa ny vato ho an'ny fifidianana ho avy sahady isika – Zanu PF.
Mushongera (@GMushongera) nihomehy tamin'ilay fanjakana mijoro :
@Mushongera : Miditra ao amin'ny Baba Jukwa avy hatrany tonga dia eto anoloan'ny Parlemanta. Tapanduka! [nitroatra izahay] — Africa Unity Square (kianja hoan'ny Firaisankinan'i Afrika) : toerana iray hidirana Aterineto http://t.co/FBTcA8YnF6
Ary dia nihitatra ivelan'i Zimbaboe ny dindon'i BJ sy ny fahafantaran'ny olona azy. Ilay bilaogera Sir Nigel (@SirNige) nitatitra hoe:
@SirNige: @stanleykwenda : Ary dia nanangana marika lamaody Baba Jukwa & Mai Jukwa vaovao ireo zatovo lahy tao UK” //tena marina ?
Araky ny filazan'i Jeffrey Smith (@Smith_RFKennedy) nanomboka nampiasa bilaogy i BJ :
@Smith_RFKennedy: #Zimbabwe : Ilay mpikambana avy ao amin'ny ZANU-PF fanta-daza & miha fanta-bahoaka hatrany, nanome toky “tsiambaratelo miafina kokoa,” dia nanokatra vohikala vaovao :
http://zimbabwean-at-heart.com/ @BabaJukwa
Naneho ny heviny tao amin'ny Facebook i Eve Queeniie Parkes hoe nanao izay nahatonga ny politika tao Zimbaboe ho mahaliana kokoa i BJ :
MIAINGA AMIN'I MAKANDIWA SY ANGEL “Mpaminany” fanta-daza ao an-toerana] KA HATRAMIN'NY MAI SY BABA JUKWA ZIM LASA MAHALIANA KOKOA NY POLITIKA [sic] TSY MBOLA NISY TOY IZANY TANY ALOHA TENA LEO AN'IREO MPAMINANY SANDOKA IREO MARARY SAINA FANETRI-BEN'NY TANY….
Tena tsy aritry ny maro ilay fanohanana an'i BJ na ho an'ireo bilaogera tsy avy ao Zimbaboe aza, toa an'i Joel B. Pollak izay mihevitra fa tokony efa niparitaka be ny hevitr'i BJ raha ohatra ka betsaka ny olona afaka niditra Aterineto tao amin'io firenena io :
Raha mba mihoatra ny 1 amin'ny 6 monja ireo mponina ao Zimbaboe manana fahafahana miditra Aterineto, dia mety ho afaka mitondra fiovàna misimisy kokoa.
Jero ny pejy Facebook-n'i BJ raha te hahafantatra izay zava-mitranga any ambadiky ny sehatra politika ao Zimbaboe.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...