- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitampify Ao Hong Kong i Snowden, Mihetsika Ny Diplomasia Eo Amin'ny Shina- Etazonia

Sokajy: Azia Atsinanana, Etazonia, Hong Kong (Shina), Shina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Toy ireny horonantsary ao hollywood ireny : navoakan'ny mpiasa iray taloha tao amin'ny CIA ny tsiambaratelo lehiben'ny fanjakana no sady mitady fialokalofana any amin'ny tanin'ny fahavalo, raha toa kosa ka niakatra be ny maripana mikasika ilay raharaha ratsy.

Edward Snowden, 29 taona, Amerikana manam-pahaizana manokana amin'ny fikirakiràna teknolojia, izy tenany mihitsy no niaiky fa namoaka [1] ny pitsopitsony amin'ilay resaka fanaraha-maso ny fifandraisana an-telefaona sy aterineto nataon'ny governemanta Amerikana.  Niafina tao aminà hotely iray tao Hong Kong i Snowden, izay toa efa nilaozany [2]ny 10 Jona 2013. Heverina fa mbola ao  [3]Hong Kong ihany izy, fa tsy fantatra mazava izay tena itoerany.

Nifanandrify [4]indrindra tamin'ilay fitsidihana nandritry ny roa andro nataon'ny Filoham-pirenena Shinoa Xijinping an'i Etazonia hanatsarana ny fifandraisana amin'ny Filoha obama iny fanambaràna mafotaka nataon'i Snowden iny. Talohan'ny nialàn'i Xi tao Beijing, noheverin'ireo filazam-baovao fa hanao fanerena an'i Shina i Etazonia amin'ilay resaka fitsikilovana anaty aterineto izay nampikorontana ny firenena roa tonta nandritry ny volana maro. Nilaza i Etazonia [5], fa efa im-betsaka i Shina no nanao fitsikilovana anaty aterineto nikendrena ireo Orinasa Amerikana sy sampan-draharaha maro tao amin'ny governemantany, fanambaràna izay nolavin'i [6]Shina mafy tokoa.

Iny resabe iny dia mety hanampy be dia be an'i Pekin amin'ny sehatra politika, manam-pahaizana manokana no voalazan'ilay [2]gazety Wall Street Journal fa nilaza izany. Eo am-piandrasana izany aloha, tena nahatonga onjan-kevitra maro mikasika ny fitiavan-tanindrazana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy tao Shina iny resaka Snowden iny, niaraka tamin'izany ny fanararaotan'ireo mponina anaty aterineto hitroatra noho ny amin'ny fitsofotsofohana faobe ataon'ny governemanta Amerikana.

 Edward Snowden, who leaked US surveillance programs, talked to Guardian newspaper  Screen grab from Youku

Edward Snowden, ilay namoaka ny programam-pitsikilovan'i Etazonia, tafaresaka tamin'ilay gazety Anglisy The Guardian. Eo amin'i sarin’ i Youku [7]

Yang Rui, mpanolotra fandaharana amin'ny teny Anglisy ao amin'ny fantsom-pahitalavitra Nasionaly CCTV ao Shina dia naneho hevitra [8]tao amin'ilay sehatra malaza fitorahana bilaogy madinika Sina Weibo toy izao manaraka izao :

中国政府咋办?一位年轻有良知的美国人需要帮助!BBC披露:前中情局雇员Snowden 说美政府可随意监听千万计的世界任何人的电话,监看任何人的电子邮件,美国NSA国家安全署可以进入九大网络公司服务器如脸谱,谷歌和雅虎。目前29岁的 Snowden滞留香港,他面临被引渡回国。美指责中国搞IP偷窃,它自己呢?

Inona no tokony hataon'ny governemanta Shinoa ? Mila fanampiana ilay Amerikana tanora sady tonga saina ! Hoy ny BBC : Nanambara ilay mpiasan'ny CIA teo aloha hoe manana fahafahana ny hanara-maso araka izay tiany ireo resaka an-telefonina an-tapitrisa sy hafatra anaty aterineto maro manerana izao tontolo izao anaty fotoana fohy ny governemanta Amerikana, ny NSA dia afaka miditra amin'ireo lohamilin'ireo Orinasa lehibe sivy mikirakira Aterineto, toy ny Facebook, Google ary Yahoo. I Snowden izay 29 taona dia mbola mijanona ao Hong Kong amin'izao fotoana izao, miatrika ny mety hampodiana azy hody araka ny lalàna. Miampanga an'i Shina ho mangalatra IP (adiresy fampiasa amin'ny aterineto) i Etazonia, ary mba ahoana ny momba an'i Etazonia manokana?

Zhang Jiang, Mpampianatra Fanaovan-gazety ao amin'ny Oniversiten'i Beijing Fianarana ny tontolo Iraisampirenena, dia nanoratra [9]toy izao tao amin'ny kaontiny Weibo :

Edward Snowden的举动不止于载入新闻史,他以公开身份揭露美国官方应该增加了自己的安全系数。美国政府即便以“反恐”为由,也不能如此监控大量公民电话和电邮通信,其他国家也要引以为戒。

Hisoratra anaty tantaran'ny fanaovan-gazety iny nataon'i Édouard Snowden iny, ny nilazany ny [nataon'ny] governamanta Amerikana dia tokony hahazoany fiarovana/fiantohana. Na dia amin'ny anaran'ny ady atao amin'ny fampihorohoroana aza, tsy manan-jo hanao fitsikilovana midadasika amin'ny fifandraisan'ny olom-pirenena an-telefonina sy anaty aterineto lehibe toy izany mihitsy ny governemanta Amerikana, tokony haka lesona avy amin'izany ireo firenen-kafa.

Fan Haitao, mpianatra Shinoa ao amin'ny Oniversiten'i Kolombia ao Etazonia, dia namintina [10]ny endrika roa ananan'ilay adihevitra :

美国人Edward Snowden目前跳出公然揭秘美国政府对电话、网络和电子邮件的监控目前让政府又处在“是否违宪”的风口浪尖。看了电视新闻,主要观点分为两派。国会议员认为政府监控没有问题,有法庭的监视并且监控的电话只出现时间没有名字。但是另一边观点认为,即便是监控也应该举办听证会,让公众决定。

I Edward Snowden izay mizaka ny zom-pirenena Amerikana dia nanao ampamoaka momba ny fisian'ny fitsikilovan'ny governemanta Amerikana ireo antso an-telefaona, anaty Aterineto sy mailaka, tojo tafiotram-panakianana mivaivay mikasika fanitsakitsahana ny lalàm-panorenana ny governemanta ankehitriny. Taorian'ny nijereko ny vaovao tamin'ny fahitalavitra, dia hitako fa misy lafiny roa izany. Ny mpikambana ao amin'ny Kongresy milaza fa zon'ny governemanta ny manao fanaraha-maso, ambany fanaraha-mason'ny tribonaly ary, etsy andaniny misy ora sy ny faharetany ao anatin'izany fitsikilovana antso an-taroby izany, fa tsy ahitàna anarana kosa. Ny ankilany indray, milaza fa tokony hisy fivoriambe fakàn-kevitra mikasika ny raharaha fanaraha-maso, mba hahafahan'ny olona tsirairay manapa-kevitra.

Ilay mahitsy fiteny iray, Wu Zuolai, dia tonga [11]niaro an'i Etazonia nanao hoe :

有些国家用于反恐怖,有些国家用于侵犯人权,民主国家,公共信息很难用于造恶,专制国家,窃听公众信息是为了更好的专制。

Misy ireo firenena mampiasa [fitsikilovana] mba hiadiana amin'ny asa fampihorohoroana, ny sasany mampiasa izany ho fanitsakitsahana ny zon'olombelona, tsy dia ampiasaina amin'ny zava-dratsy loatra ny torohay mahakasika ny olon-tsotra any amin'ireo firenena demokratika, fa ireo firenena mpampiasa didy jadona kosa no mampiasa izany hikatsahana fahefana misimisy kokoa.

Ny sasany, toa an-dry Ahua [12]de [12]Yisaka [12]Dao [12], dia nanontany tena ny amin'ny antony nisafidianan'i Snowden an'i Hong Kong :

我俩讨论了很久Edward Snowden的事情,这真是堪比大片的情节,觉得他选择来香港太诡异了,难道他真的不知道香港早已不是真正的自由港,而是被中共控制的吗?向来只有中国人去美国申请政治避难,要是现在来一个美国人向中国政府申请政治避难,这件事就精彩了。。。。

Niresaka betsaka ny raharahan'i Edward Snowden izahay roa, tahaka ireny horonantsary malaza ireny ilay izy! Heveriko fa tena hafahafa ihany ny nandehanany ho eto Hong Kong, tsy fantany ve hoe tsy manana ny fahalalahany intsony i Hong Kong, fa hay efa baikon'ny Antoko Kaominista Shinoa ? Ny hany fandrentsika dia ny Shinoa mandeha mangataka fialokalofana any Etazonia, fa toa mety hahaliana ihany raha ny Amerikana no hangataka fialokalofana amin'ny governemanta Shinoa….

Lvqiu Luwei, mpanao gazety fanta-daza aminà fahitalavitra iray izay manana mpanjohy 2,7 tapitrisa ao amin'ny Weibo, no nanoratra [13]hoe :

对Snowden来说,香港安全吗?如果在港申请政治庇护,会有漫长的审查时间,这段时间内,申请人可以合法居留,但是不能工作。媒体都在找他,千辛万苦找到一家酒店,结果被告知,一个叫这个名字的人今天退房了。去哪儿了?重庆大厦吃咖喱?

Ho an'i Snowden, tena tsy misy atahorana ve ny fipetrahany ao Hong Kong? Raha nangataka fialokalofana eto izy, mila miandry fotoana ela izy amin'ireo dingana rehetra ilaina arahana amin'izany, mandra-piandry izany anefa, afaka ny hipetraka ara-dalàna eto izy, kanefa tsy afaka ny hiasa. Nitady azy daholo ny filazam-baovao rehetra, hitan'izy ireo ihany avy eo ilay hotely [nipetrahany], ary nilazana fa hoe efa niala tao io olona voalazana anarana io. Lasa aiza ary izy? Angamba lasa nihinana “curry” any amin'ny tranoben'i Chongqing?

Ny lahatsoratra tao amin'ny  The [14]Guardian [14]sy The [15]Washington Post [15] no namoaka ilay programam-pitsikilovanan'ny governemanta Amerikana ny 6 Jona 2013, ary tsy nanondro azy ho loharanon'izany, kanefa i Snowden tenany mihitsy no namoaka taty aoriana fa izy no tao ambadik'iny famoahana tsy nahazaona alalàna iny. Tao anatinà lahatsary fanadihadina [1] nakarina aty anaty aterineto, nilaza i Snowden fa nisafidy ny hitsoaka aty Hong Kong noho ny “Fanekeny zo sy ny fahalalahana haneho hevitra ho an'ireo mpanohitra ara-politika”

Hong Kong, izay zanatany Britanika taloha, dia niverina ho ambany fifehezan'i Shina ny taona 1997. Araka ny fifanarahana mikasika ny famerenana mody ireo olona enjehan'ny lalàna nifanaovan'ilay tanàna tamin'i Etazonia, dia mety mbola ho voaraoka sy voahenjika ihany izany i Snowden. Tsy mbola nanao fanambaràna ofisialy mikasika izany aloha ny governemanta Shinoa noho ny fisian'ny andro tsy fiasana telo andro misesy.

Na izany aza, noraisin'ireo filazam-baovao ao Shina [16] ilay raharaha malaza, ary notsongainy ilay fanambaran'i Snowden an'ny Hong Kong ho toy ny toeran'ny ” Fahalalahana maneho hevitra”. Ao amin'ny Tanibe Shina, manjaka be ny sivana anaty aterneto, ary misy ireo legiona antsoina  amin'ny hoe polisin'ny aterineto [17] nokaramaina hanara-maso ireo fanehon-kevitra ara-politika saropady.

Tsy mahagaga araka izany ny mahita fa raha toa mandoka an'i Snowden ny sasany amin'ireo Shinoa mponina anaty aterneto, ny sasany kosa milàza fa nitsoaka aty amin'ny tany tsy tokony nandehanany izy, mitondra amin'ny fahatsapàna ny politikam-pifehezana henjana dia henjana ataon'i Pekin  mampitombo hatrany ny fanaraha-maso manerana an'i Hong Kong.

Ilay lehiben'ny Google taloha tao Shina, Kaifu Lee, dia nandoka [18]an'i Snowden tao amin'ny Weibo :

观看了Snowden的采访后(http://t.cn/zHT8ZsQ [19]),我佩服他的原则性和价值观,鄙视美国Prism计划。但是他确实触犯了美国法律(泄露国家机密)。所以最合适的结局可能就是得到政治庇护了(冰岛?)。

Taorian'ny fijerena ilay tafatafa natao tamin'i Snowden, dia tena miaiky ny foto-pisainany sy ny maha-izy azy aho, ary halàko ny fandaharanasa Prism ataon'ny Amerika. Saingy nandika ny lalàna tao Amerika anefa izy (famoahana ny tsiambaratelon'ny fanjakana). Noho izany, ny fanapahan-kevitra tsara indrindra dia ny fahazoany fialokalofana politika ( Iceland ve ?).

Mpisera iray ety anaty aterneto antsoina hoe Fengmao Lingjiao no nanoratra toy izao [20] :

选错了地方。在一个人性价值观沦落的地方寻求庇护,其结果就是被当作筹码出售。大陆是BOSS,BOSS是无节操的原始商人,有杀戮与买卖的传统。兔死狗烹,鸟尽弓藏的“交易理念”,一直在被执行:曾经的地主,曾经的右派。。

Ratsy fisafidy toerana [izy]. Amin'ny fangatahana hialokaloka aty aminà firenena izay ambany dia ambany ny fitsinjovana ny maha olona sy ny maha izy azy, ny hany hiafarany dia mety hoe hatao fitaovana [izy]. Ny Tanibe no lehibe/sefo, ary lehibe mpandraharaha baribariana tsy mahalala fomba tsy misaina, izay efa zatra ny mamono sy manao afera [maloto]. ny fomba fisainana “havako raha misy patsa sy Vato natsindry ahazana” no mibahan-toerana : Fahiny [ny governemanta] dia sady tompony no mpampihatra ny zo (mpifikitra amin'ny nentin-drazana).