- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitaovana Breziliana Hamoretana Ny Mpanao Fihetsiketsehana Any Amin'ny Firenena Arabo

Sokajy: Amerika Latina, Bahrain, Brezila, Emirà Arabo Mitambatra, Tiorkia, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra nosoratan'i Bruno Fonseca sy Natalia Viana, avy amin'i Agência Pública, ity dia nivoaka tamin'ny voalohany tamin'ny lohateny hoe “Bomba brasileira na pele turca” [1] (grenady breziliana hamelezana ny Tiorka) , izy ity dia ao anatin'ny fanadihadiana manokana momba ireo vondron'olona mpanery ny manampahefana sy ny orinasa mpamokatra fitaovam-piadiana ao Brezila  #IndústriaBrasileiraDeArmas [2]. Hisy lahatsoratra telo momba izany fanadihadiana izany eto amin'ny Global Voices Online. Ity ny lahatsoratra farany.

Jereo ny lahatsoratra teo aloha : Grenady Breziliana Hamelezana Tiorka [3] sy Brezila Goavana iray vaovao eo amin'ny sehatry ny Fitaovam-piadiana tsy mahafaty [4] [mg]

Raha hinoan-teny ny sampana mifandray amin'ny mpampahalala vaovao [5]ao aminy dia ny Condor irery ihany ny orinasa breziliana mivarotra fitaovam-piadiana amin'ny fitondrana Tiorka. Ankoatra ny bala mahatody lavitra sy ny grenady “mandihy”, dia mivarotra tsifitra gazy mandatsa-dranomaso sy misy dipoavatra, baomba mitera-tsetroka, bala fingotra ary poleta mandeha amin'ny herinaratra tsy ahafahan'izay tratrany mikofoka fantatra amin'ny anarany hoe “tasers” ihany koa ny Condor. Tamin'ny 2011 dia nohamafisiny ny fivarotana fitaovam-piadiana mankany amin'ny firenena Arabo nefa laviny ny fivarotana izany mivantana nankany Barhaïn. Hita ao anatin'ny mpanjifany kosa ny fitondrana ao Emirà Arabo Mitambatra izay nandeha ny andia-tafiny nankany Bahraïn.

Tamin'ny volana avrily tamin'ity taona ity dia nanasonia fifanaraham-barotra taranjam-bala tsy mahafaty miisa 600 000 mitentina 12 tapitrisa dolara tamin'ny fitondrana Emirà ny Condor. Nolazaina tamin'ny vahoaka nandritra ny fampirantiana iraisampirenena momba ny fiarovana sy ny fitandroam-pilaminana ( LAAD) tao Rio de Janeiro izany.

Tsy ampy iray volana nialoha ny rotaka tao Torkia, nikarakara fihaonan'ireo orinasam-panamboaram-piadiana tamin'ireo mpividy vahiny avy any Istanbul ny fitondrana breziliana. Nandritra ny fampirantiana iraisampirenena momba ny fiarovana IDEF 2013, ny 7 ka hatramin'ny 10 mey, no nitazona tranoheva mamirapiratra tao amin'ny Fanevan'i Brezila ny sampan-draharaha breziliana misahana ny fampiroboroboana ny fanondranana sy ny fampiasam-bola (Apex Brasil) sy ny fikambanan'ny orinasa breziliana misahana ny fitaovam-piarovana sy ny fitandroam-pilaminana (Abimde), ka ao anatin'izany ny filoha lefitra Carlos Frederico Queiroz de Aguiar, izay filohan'ny Condor.

Ao amin'ny faritra natokana ho an'ny Condor, ahitana tora-javatra metalika isan-karazany, grenady sy kapoakan-tsifitra mitovy amin'izay nampiasaina, roa herinandro taty aoriana, teny an-dalamben'io firenena io ihany. Eo ambanin'ny anaran'ny orinasa no aranty ihany koa ireo greandy “mandihy” sy ireo “karazana isafidianana hiarovan-tena” (araka ny fomba fitenin'io orinasa io) tahaka ireo karazana kojakojam-piadiana tsy mampikofoka 13 karazana de 40/46mm ho an'ireo mpitoraka.

Estande da empresa Condor em pavilhão brasileiro na Turquia em maio de 2013. Alguns dos itens expostos são os mesmos que seriam utilizados contra a população em menos de mês depois/Agência Pública/Sob licença Creative Commons

Tranohean'ny Condor ao amin'ny faneva breziliana tany Torkia tamin'ny mey 2013. Misy ny Fitaovam-piadiana naranty teto no hampiasaina namelezana ny vahoaka iray volana taty aoriana. /Sampam-baovaom-Panjakana/lisansa Creative Commons

Tamin'ny fanontaniana mifandraika tamin'ny fepetra manokana nomena ny Condor sy ny orinasa Breziliana hafa ho any Torkia, tsy namaly ny Apex tamin'ny fotoana nivoahan'ity voka-panadihadiana ity. Araka ny gazety tiorka Sozcu, dia nanambara, hono, ny minisitry ny varotra Hayati Yazici fa tao anatin'ny 12 taona farany, dia nanafatra baomba mandatsa-dranomaso sy tsifitra dipoavatra 628 taonina avy any Brezila sy Etazonia mitentina 21 tapitrisa dolara ny firenena.

Tamin'ny volana febroary tamin'ity taona ity dia nandray anjara tamin'ny foaram-pitaovam-piadiana hafa notontosaina tany Abou Dhabi any Emirà Arabo Mitambatra ny Abimde. Mpandray anjara tokana teo amin'ny famokarana fitaovam-piadiana tsy mahafaty tamin'ny anaran'i Brezila ny Condor.

Mampanontany tena ao Brezila ao ny fampiasana fitaovam-piadiana tsy mahafaty

Nanao sonia momba ny fifanekena ara-barotra fitaovam-piadiana  (ATT amin'ny teny anglisy) teo anatrehan'ny Firenena Mikambana i Brezila tamin'ny 3 jona teo. Hita ao amin'io dina io izay mikendry ny hanafoanana ny fivarotana fitaovam-piadiana handripaham-bahoaka, hampihorohoroana na ny fikambanan-jiolahy iraisampirenena, “tokony asiana fepetra manaraka mason-tsivana ahitana mangarahara kokoa eo amin'ny fampitana azy ny fivarotana fitaovam-piadiana manara-penitra”.

Fomba fihetsika vaovao izany natao izany ho an'ity firenena midify ny mangarahara ity raha eo amin'ny fivarotana fitaovam-piadiana breziliana… Nandà ny hanome ny anaran'ireo orinasa manondrana fitaovam-piadiana ny minisitry ny fampandrosoana ny indostria sy ny varotra ivelany (marina fa tsy voalazan'ny dina ny fepetra manokana momba ny fivarotana fitaovam-piadiana tsy mahafaty).

Ministério do Desenvolvimento, Indústria e Comércio Exterior se nega a divulgar dados de empresas brasileiras que exportam armas/Agência Pública/Usado sob licença Creative Commons

Mandà ny hamoaka ny lisitry ny orinasa breziliana manondrana fitaovam-piadiana ny minisitry ny fampandrosoana ny andostria sy ny varotra ivelany/Sampam-baovaom-panjakana/ sary nampiasaina noho ny lisansa Creative Commons