- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampatanjaka Ny Aterineto Ho Sehatra Fanetseham-Bahoaka Ny Tati-Baovao-Pihetsiketsehana

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka
A faixa "Somos a Rede Social" na manifestação no Rio de Janeiro no dia 17 de junho. Foto de Arthur Bezerra usada com permissão/Facebook

Sora-baventy mivaky hoe “Izahay no Tambajotra Sosialy” tamin'ny fihetsiketseha-panoherana tao Rio de Janeiro tamin'ny 17 Jona. Saripikan'i Arthur Bezerra, nahazoana alalana tamin'ny mpanoratra/Facebook.


[Ny rohy rehetra dia mankany amin'ny vohikala miteny portiogey ankoatra izay lazaina manokana.]

Nanako sy nieli-patrana lavitra tao amin'ny aterineto ny fihetsiketseha-panoherana [1] nanomboka ny 13 jona nitakian'ny vahoaka ny fampidinana ny saran-dalan'ny bus ao São Paulo. Nandritra ny fihetsiketsehana, ka nihabetsaka ny fanohanana izany manerana ny firenena, dia nipongatra hanampy ny famoahan'ny olona ny fitarainany sy hanetsiketsehana ny tontolon'ny ao an-tserasera hihetsika eny ankalamanjana (sy ny mifamadika amin'izany ihany koa) ny fitaovana sy bilaogy maro.

Ka tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy no tena nitoeran'ny ankamaroan'ny fihetsiketseha-panoherana. Hita ao amin'ny fifanakalozam-baovao ny resaka manokana momba ny fotoana sy ny toeran'ny fihetsiketseha-panoherana ary hita ao ihany koa ny torohevitra tsy haradratra foana rehefa mandeha manavatsava ny arabe, aiza ny toerana hahazoana famonjena na fialofana ary avy amin'iza, ary hita ao ihany koa ny fomba hilazana toe-javatra nitranga. Tsy voafetra ihany koa ny torohevitra momba ny fikatrohana ka ao anatin'izany, ohatra, ny fomba fitaterana ny herisetra manerana an'i Brezila amin'ny alalan'ny sary sy lahatsary.

Fitaovana

Misy sarintany ifarimbonana [2] natsangan'ny bilaogy #protestosbr [3] [hetsi-panoherana Brezila], amin'ny alalan'ny sehatry ny Ushahidi, hanangonana ny fitarainana fisian'ny herisetra sy fifandirana mandritra ny nomena anaram-bositra hoe Fiokoam-Binaingitra [4].

print screen do mapa colaborativo #protestobr

Pikantsarin'ny sarintany ifarimbonana #protestobr .

Ny habaka ifarimbonana No Movimento [5] [Ao anatin'ny Hetsika], izay nisongadina nandritra ny fihetsiketsehana, no mamoaka sary avy eny amin'ny fihetsiketsehana manerana an'i Brezila ary ahitana lisitry ny mpisolovava mirotsaka an-tsitrapo [6]manolotra fanampiana eo anivon'ny fitsarana ho an'izay mpanao fihetsiketsehana mila izany. Mampanantena hamoaka “ny marina” momba ny fihetsiketsehana ao Brezila amin'ny teny anglisy ho an'ireo tsy miteny portiogey ny bilaogy BHetsi-panoherana Breziliana [7]. Miezaka manangona vaovao momba ny hetsi-panoherana manerana an'i Brezila ny habaka #vemprarua [8] [midìna an-dalambe] ary nanangana sarintany ifarimbonana [9]ihany koa.

Misy lahatsary [10] iray izay mieli-patrana ao amin'ny tambajotra sosialy mampianatra ny mpijery “Ny Fomba Fandraiketana an-tSarimihetsika Revolisiona iray”:

 

Fikatrohana an-tSerasera sy Fahakamoana Andavanandro?

Ireny fihetsiketsehana teraka avy amin'ny tontolo virtoaly ireny dia mifaninana miangavy ny olona hisintaka kely ny aterineto ka hidina an-dalambe, araka izay nataon'ny teny ifankafantarana #vemprarua [11] [midìna an-dalambe] atao ho ohatra.

Tsy mbola iandian-kevitra moa raha azo tanterahina na tsia ny fihetsiketsehana an-tserasera, saingy maro ny fihetsiketsehana nanerana izao tonto izao, tahaka ny Revolisiona Ejipsiana 2011 [12], no efa nampiseho ny ambaindainy tamin'ny fandrisihana hielezan'ny hetsika sosialy hitaky ny zon'olom-pirenena.

Foto da manifestação de São Paulo no dia 13 de junho. Foto amplamente divulgada por blogs e contas de twitter coletada por @NoMovimento na cobertura colaborativa dos protestos em Sao Paulo [13]

Mponin'ny São Paulo nivoaka ny Facebook ka nitodi-doha ho any amin'ny fihetsiketseha-panoherana tamin'ny 13 Jona. Ity sary mivezivezy ao amin'ny bilaogy sy Twitter ity dia nangonin'i @NoMovimento andritra ny fiaraha-mitatitra ny fihetsiketsehana tao Sao Paulo.

Ny tena zava-baovao ho an'i Brezila, izay firenena manana ny fisiany lehibe ao amin'ny ankamaroan'ny tambajotra sosialy [14], dia tahaka ny mianatra ny hitrandraka ny ambaindain'ny tambajotra an-tserasera ho fanaingàna ny fihetsiketseha-panoherana eo amin'ny sehatra manerana ny firenena izy.

Niteraka hagagàna sy hafaliana ho an'ireo mpiserasera izany. Ao amin'ny Facebook, ny mpahay tantara Fred Coelho, avy amin'ny bilaogy Objeto Sim, Objeto Não [15] [Antony Eny, Antony Tsia], mandrandrana ny anjara toerana lehibe ananan'ny fifampitam-baovao sosialy eo amin'ny sehatry ny fihetsiketsehana (nahazoana alalana):

Hoje foi um dos dia mais bem informados da história do facebook – ao menos, da minha timeline. A quantidade de artigos, links e videos que coletei sobre os eventos de ontem, textos do mundo inteiro, sem ter que sequer sair da rede do zuckberg foi sensacional.

Androany no andro nifampitam-baovao indrindra teo amin'ny tantaran'ny Facebook, farafaharatsiny teo amin'ny takelako. Tena nampitolagaga tokoa ny isan'ny lahatsoratra, rohy sy lahatsary nangoniko nandritra ny zava-nitranga omaly, lahatsoratra nanerana izao tontolo izao, ary tsy nivoaka ny tambajotran'i Zuckerberg (nanorina ny facebook) aza.

Bilaogin'i Leonardo Sakamoto [16] niresaka ny fahasahiranan'ny politisiana amin'ny fomba fiasan'ny fitaovana an-tserasera ho fanetsiketsehana:

 Os políticos tradicionais têm dificuldade em assimilar como movimentos utilizam ferramentas como Twitter e Facebook. Acreditam que são apenas um espaço para marketing pessoal ou, no máximo, um canal para fluir informação ou atingir o eleitor. Há também os que creem que redes sociais funcionam como entidades em si e não como plataformas de construção política onde vozes dissonantes ganham escala, pois não são mediadas pelos veículos tradicionais de comunicação. Ou seja, onde você encontra o que não é visto em outros lugares, por exemplo.

Tra-pahasahiranana tokoa ny politisiana mahazatra amin'ny fahazoana ny fomba fampiasan'ireo hetsika ny fitaovana tahaka ny Twitter sy ny Facebook. Mihevitra ry zareo fa ireo fitaovana ireo dia sehatra hanaovana doka ny tena na, raha mety indrindra, fomba hamoahana vaovao ho an'ny mpifidy. Misy koa ny sasany mieritreritra fa ny fiasan'ny tambajotra sosialy dia tahaka ny an'ny fikambanana (mahaleo tena) ho an-dry zareo mpikambana ao anatiny ihany fa tsy sehatra hananganana politika izay ny feon'ireo tsy mitovy hevitra (amin'ny mpanao politika?) no tena mahazo vahana rehefa tsy voasivan'ny fomba fifaneraserana nahazatra. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ahitanao izay tsy hitanao any amin'ny toeran-kafa, ohatra.

Lazain'ny lahatsoratra ihany koa fa karazan'endrika fandraisana anjara anivom-piaraha-monina ihany koa ny fifampitam-baovao sosialy:

Essas tecnologias de comunicação não são ferramentas de descrição da realidade, mas sim de construção e reconstrução desta. Quando a pessoa está atuando através de uma dessas redes, não reporta simplesmente. Inventa, articula, muda. Vive. Isso está mudando aos poucos a forma de se fazer política e as formas de participação social. O poder concedido a representantes, tanto em partidos, como em sindicados, associações, entre outros espaços, tende a diminuir e a atuação direta das pessoas com os desígnios da sua polis, consequentemente, aumentar.

Ireo teknolijiam-pifandraisana ireo dia tsy fitaovana hitantarana ny zavamisy, fa fananganana sy fananganana indray ny zavamisy. Raha misy olona iray manao zavatra amin'ny alalan'ireo tambajotra ireo, tsy mitatitra fotsiny ihany izy fa mamorona, manapatapaka (manavaka), manova, miaina. Manova tsikelikely ny fanaovana politika sy ny endrika fandraisana anjara ara-tsosialy izy io. Mihen-danja tsikelikely ny fahefana natolotra ireo solontenam-bahoaka, eo amin'ny sehatry ny antoko, sendikà, ny fikambanana ary ny mitovitovy amin'izany, ary hita ho mitombo lanja aok'izany ny fandraisana anjara mivantana ataon'ny vahoaka, amin'ny mahampandrafitra ny zavamisy ara-politikany azy.