Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

24 Jona 2013

Tantara tamin'ny 24 Jona 2013

Fitaovana Breziliana Hamoretana Ny Mpanao Fihetsiketsehana Any Amin'ny Firenena Arabo

Brezila sy Etazonia no tena mpanondrana fitaovam-piadiana mankany Torkia. Ao anaty lisitry firenena arabo ny mpanjifan'ny orinasa breziliana eo amin'ny fampitaovana ifehezana ny rotaka i Emirà Arabo Mitambatra. Milaza ny orinasa fa tsy nivarotra tamin'i Bahraïn.

Nampitomboin'ny Kiobà Ny Fahafahana Midira Aterineto Avy Amin'ireo Ivontoerana Natao Ho An'ny Daholobe

Nanokatra Ivontoerana 118 hahafahana mampitombo ny fidirana Aterineto ao amin'ny Nosiny i Kioba. Antsoina hoe Nauta, ilay tolotra dia azo anontaniana eny amin'izay solotena ara-barotry ny Sampan-draharaha Kiobàna misahana ny serasera (ETECSA) izay miara-miasa amin'ilay fandaharanasa.

Bénin : Tsy Ny Rehetra no Manaiky ny Bemidina Djakpata

Hatramin'ny nanokafan'ny minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny fivavahana ny Bemidina Djakpata no mikendry ny hanenjika ny jiolahy rehetra, izay mandika lalàna mety hanohintohina ny filaminan'ny vahoaka beninoà. Nefa betsaka ny tsy manaiky ity tetikasa ity tao anatin'ny andro vitsivitsy izay.

Mampatanjaka Ny Aterineto Ho Sehatra Fanetseham-Bahoaka Ny Tati-Baovao-Pihetsiketsehana

Tra-pahasahiranana tokoa ny politisiana mahazatra amin'ny fahazoana ny fomba fampiasan'ireo hetsika ny fitaovana tahaka ny Twitter sy ny Facebook. Mihevitra ry zareo fa ireo fitaovana ireo dia sehatra hanaovana doka ny tena na, raha mety indrindra, fomba hamoahana vaovao ho an'ny mpifidy.