- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran : ” Ho Any Amin'ny Amboara Eran-tany Amin'ny Baolina Kitra Izahay!” (Lahatsary maro)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Latina, Brezila, Iràna, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka
Celebrating Iran Football Reach to World Cup, source:http://kosuf.com/archive/548.php [1]

Fankalazana ny Fahazoan'i Iran ny Amboara Eran-tany amin'ny Baolina Kitra (avy amin'ny Kosuf.com)

Nahazo aina be ny Iraniana tamin'ny fankalazana natao ho an'ny fiovana. Ny Talata 18 Jona 2013 nameno fifaliana ny lalàmbe izy ireo [2]taorian'ny nahatafakatra ny Ekipa nasionalin'ny baolina kitran'i Iran ho amin'ny Amboara Maneran-tanin'ny Baolina kitra 2014 izay atao ao Brezila tamin'ny nandreseny 1-0 an'i Korea Atsimo. Andro vitsivitsy talohan'io, efa nisy fifaliam-be sy fankalazana maro taorian'ny fanambaràna ilay fandresen'Ingahy [3] Hassan Rouhani tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena.

Fankalazana tao Laheh Park ao Tehran

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=OviIceNKLU4 [4]

Fahatsiarovana ilay mpitarika iray avy ao amin'ny mpanohitra voasambotra

Nankalaza ilay fandresena ny mponina, fa tsy hadinon'izy ireo tao anatin'izany Ingahy Mir Hussein Mousavi, ilay mpitarika iray avy amin'ny mpanohitra any am-pigadràna. Hoy ny firedonan'izy ireo “Rouhani, Mir Hussein, Ho any amin'ny Amboara Maneran-tanin'ny Baolina Kitra izahay”.

Fankalazana tao Tabriz

Nanao izany fankalazana izany daholo ny olona nanerana ny tananàn'i Iran manontolo.

Fankalazana tao Isfahan