‘V Ho An'i Thailandy’ Mpanao Fihetsiketsehana Miantso Ny Fanonganana ny Praiminisitra Thailandey

Ilay vondrona miantso tena hoe ‘V ho an'i Thailandy’ no efa nanomana famoriam-bahoaka ao an-drenivohitr'i Thailandy tamin'ity volana ity mitaky ny fialan'ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra.

Amin'ny fanaovana sarontava Guy Fawkes fotsy, izay nalaza nandritra ny hetsika Bodoy nataon'ny 99% no itabataban'ny mpanao fihetsiketsehana ao Thailandy fa misy kolikoly ao amin'ny fitondrana ao. Taloha ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta dia notarihan'ny mpiandany amin'ny fanjakan'andriana ‘Mavo Akanjo’ izay nahazo ny fanohanana avy amin'ny saranga ambony ao amin'ny firenena na ny 1%.

Hatramin'izao moa izany vondrona izany dia miezaka ny mamory olona mihoatra ny arivo ao Bangkok na dia lazainy fa manana mpanohana matanjaka avy any amin'ny farintany aza ry zareo. Yingluck dia faravavin'ny praiminisitra voaongana Thaksin Shinawatra izay voampanga ho manao fandrobana. Ny mpitsikera azy moa miampanga azy ho saribakolin'ny anadahiny.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nisy vondrona isan-karazany nanomana fidianam-bahoaka an-dalambe izay niteraka fiantraikany goavana teo amin'ny politika Thailandey. Ao anatin'ireny vondrona ireny ny Mavo Akanjo (anti-Thaksin sy mpiandany amin'ny fitondran'andriamanjaka) sy ny Mena Akanjo (pro-Thaksin ny ankamaroany).

'V for Thailand'

‘V ho an'i Thailandy’

White Mask protest assembly in Bangkok. Photo by Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix, (6/16/2013)

Fihetsiketsehan'ny Sarontava fotsy ao Bangkok. Saripikan'i Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix, (16/06/2013)

Protesters demand resignation of Prime Minister. Photo by Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix (6/16/2013)

Mpanao Fihetsiketsehana mitaky ny fialan'ny Praiminisitra. Saripikan'i Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix (16/06/2013)

Protesters in Bangkok wearing a Guy Fawkes mask. Photo by Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix (6/16/2013)

Mpanao Fihetsiketsehana ao Bangkok manao sarontava Guy Fawkes. Saripikan'i Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix (16/06/2013)

Tamin'ny fanoratany ho an'ny New Mandala i Nick Nostitz no mitsapa ny halehiben'ny fihetsiketsehana farany teo tao Bangkok:

While presently the different groups’ aim of overthrowing the Yingluck government seems a bit farfetched as they simply do not have the necessary numbers (yet?), these protests cannot be overlooked.

This present effort could be seen as a warming up period, which may get hotter when the parliament opens in August, and several extremely controversial issues will be debated.

While it is impossible to see the outcome yet, it is clear that Thai street politics remain fragile and unpredictable.

Raha amin'izao fotoana izao aloha dia toy ny hevi-dravina ihany ny tanjon'ireo vondron'olona mikendry ny hanongana ny fitondrana Yingluck satria tsy mbola mahazo ny isan'olona farafahavitsiny manaraka ry zareo, dia tsy tokony hamaivanina ireny fihetsiketsehana ireny.

Mety azo jerena ho fotoan'ny fanafana-tena ihany ny ezaka misy ankehitriny, izay mety hafana kokoa rehefa misokatra ny antenimiera amin'ny volana aogositra, ary maro ny lohavolana tena hampiady hevitra tokoa.

Raha mbola tsy misy na inona na inona azo fantarina momba izay ho vokany hatreto, dia mazava kosa fa mbola mora marefo sy tsy azo vinaniana ny politikan'ny eny an-dalambe Thailandey.

Mandritra izany fotoana izany, mieritreritra i Andrew MacGregor Marshall fa Hetsiky ny mpanohitra an'i Shinawatra amin'ny ankapobeny ny hetsiky ny Sarontava Fotsy

This is an anti-Shinawatra movement, pure and simple, and it has little interest in fighting corruption and encouraging good governance in Thailand, beyond the usefulness of these issues as sticks with which to beat the government.

Hetsika anti-Shinawatra io, tsotra sy madiodio, ary tsy dia liana loatra amin'izany ady amin'ny kolikoly sy ny fandresen-dahatra ny fitondrana tsara tantana any Thailandy izany, raha jerena ny any ankoatran'ny fampiasana ireo lohahevitra ireo ho fandonana ny fitondrana.

Tamin'ny fanoratana ho an'ny The Diplomat i Steve Finch no nitafatafa tamin'ny mpampianatra oniversite iray izay nilaza ny heviny momba ny fampiasana ireo sariohatr'i Guy Fawkes:

While the white-mask Occupy and Anonymous movements were typified by unstructured, Communist-driven anarchic sympathies targeted at institutions of power and money, Thailand’s version is using the same symbolism in the name of the upper classes to defend the monarchy

Raha fanavahana ny hetsik'ireo sarambambem-bahoaka sy ireo Mpibodo tsy manana rafitra, tarihin'ny mpankasitraka komonisma anarshista ho famelezana ny rafi-pitondra-panjakan'ny vola sy ny fahefana ny sarontava fotsy, ny eto Thailandy kosa mampiasa azy ireny amin'ny anaran'ny saranga ambony ho fiarovana ny fitondran'andriana

Gaga ihany koa i Zashnain Zainal amin'ny fampiasan'ireo ‘mpandala hiringiriny ny fanjakan'andriana’ ny sarontavan'i Guy Fawkes:

An ultra-monarchist, Paisal Puechmongkol, has adopted the Guy Fawkes mask, commonly associated with the global Anonymous movement. Quite a bizarre representation, intentionally perhaps, that Paisal chose the Guy Fawkes mask and the historical representation of the real-life hero – who died in 1606 before his execution, in England for an attempt at the English King's life

Obviously there is an evolution to the Thai revolution. Undeniably a confusion of colors and ideologies

Mpandala hiringiriny ny fitondran'andriana antsoina hoe Paisal Puechmongkol no nandray sy nampiasa ny sarontavan'i  Guy Fawkes, mpiara-dalana amin'ny hetsika manerantanin'ireo sarambambem-bahoaka. Mba fanehoan-javatra hafahafa tokoa, niniana angamba, raha nisafidy ny sarontavan'i Guy Fawkes sy ny fanehoana ny tena tantaram-piainan'ilay maherifo i Paisal, ilay maherifo izay maty nialoha ny famonoana azy ho faty tamin'ny 1606, tao Angletera noho ny fikasana hanapitra ny ain'ny Mpanjaka Anglisy

Miharihary fa nisy fivoarana ny revolisiona Thailandey. Tsy azo toherina ny fifangaroan-doko sy foto-kevitra

Mahatsikaritra i Faine Greenwood, manoratra ao amin'ny UN Dispatch, fa sady ahitana tanora no ahitana olon-dehibe ireo mpivory amin'ny fihetsiketseha-manoherana:

Whatever its origin, the internationally popular Guy Fawkes masks are now getting a considerable amount of usage in Thailand, with three protests so far this month and more planned for the near future.

The protesters weren’t just the young and disillusioned, but included many middle-aged and even elderly marchers, holding aloft signs and pumping their fists, shouting “Shinawatra Get Out” in rhythmic timing.

Na avy aiza ny fiaviany na avy aiza, mihabetsaka amin'izao fotoana izao eto Thailandy ny mampiasa ny sarontava malaza iraisam-pirenena an'i Guy Fawkes, izay nanao fihetsiketsehana telo hatramin'izao tamin'ity volana ity ary mikasa ny hanao maromaro amin'ny manaraka.

Tsy hoe ny tanora diso fanantenana ihany ireo mpanao fihetsiketsehana, fa maro ireo lazondazony sy antitra nanao diabe, mitondra sora-baventy sy mamonkona ny totohondriny, mihiaka anaty gadona ny hoe “Miala i Shinawatra”

Amin'izao fotoana anoratana izao ny pejy Facebook-n'ny vondrona dia efa nahazo mpankasitraka mihoatra ny 90.000.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.