Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Rosiana Sy Ny Sigara : Mafy Ny Fisarahana

Isan'ny firenena iray be mpifoka sigara indrindra eto amin'izao tontolo izao Rosia. Raha 39 isan-jaton'ny Rosiana no mifoka, dia lehilahy ny 60 isan-jato (ho fampitahàna, manakaiky ny 21 isan-jato ho an'ny lahy sy vavy io isa io any Angletera. Malemy kokoa ny lalàna mifehy ny Rosiana amin'ny fifohana sigara raha oharina amin'ireo firenena any Eorôpa. Malalaka amin'ny famatsiana ireo miankin-doha amin'ny nikôtina ny Rosiana, tsy any amin'ny toeram-pisotroana toaka ihany, na ny trano fisakafoanana sy fialàna hetaheta ihany, fa hatrany amin'ny sekoly, ny tobim-pitsaboana, ireo fitateram-bahoaka isan-karazany, ny biraom-panjakana ary ny trano fonenana itambaram-be. Mandravaka ireo kihon-dalana eraky ny firenena sy any amin'ny “metro” ary mameno ny pejin'ireo fanontàna Rosiana ny dokam-barotra momba ny sigara. Kely dia kely ny hetra alaina amin'ny sigara ary latsaky ny roa dolara dia efa mahazo ny fonosana Marlboro iray, antsasak'izany aza ny vidin'ireo vokatra vita ao an-toerana..

Russian's smoking habits know few boundaries. "Bad Habit," Volgograd, Russia, 22 November 2009, photo by Mohd Hafizuddin Husin, CC 2.0.

Zara raha misy fameperana ny fahazarana mifokan'ny Rosiana.” Fahazaran-dratsy,” Volgograd, Rosia, 22 Novambra 2009, sary avy amin'i Mohd Hafizuddin Husin, CC 2.0.

Tamin'ny Sabotsy 1 Jona teo dia namoaka lalàna vaovao ” momba ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka amin'ny fisokon'ny setroka sy ny fifohana sigara ” ny governemanta Rosiana mba hanovàna izany fomba izany sy ho famerana ny fifohana eny amin'ny biraom-panjakana, ny trano fampianarana, ny toeram-pitsaboana, ny ‘ascenseur’ (fanaka-drihana), ny lalantsara amin'ny trano fonenana itambarana, ny toeram-piantsonan'ny fiarandalamby sy any anaty fiarandalamby. Hentitra ihany koa ny lalàna momba ny dokam-barotra amin'ny sigara, nakarina ny hetra ho an'ireo orinasa mpanao sigara, nasondrotra ny sazy amin'ny fivarotana izany amin'ny ankizy tsy ampy taona, ary manamora tsikelikely ihany koa ny fampidirana ny fandraràna tahaka ny voalaza teo aloha any amin'ireo trano fivarotana, ny  toeram-pialàna hetaheta, ny toeram-pisotroana toaka ary ny toeram-pisakafoanana.

Raha hiverenana ny  Oktobra 2012, ny tenan'ny Piraiminisitra Dmitri Medvedev mihitsy no nandefa tao amin'ny bilaoginy ny lahatsary iray (jereo etsy ambany) manazava ny antony nanaovan'ny governemanta io lalàna io, amin'ny fahafantarana fa tena  ambony be loatra, tsy araka ny tokony ho izy, ny tahan'ny mpifoka sigara any Rosia ( raha ampitahaina amin'ny Shina) ary hatramin'ny taona 1990 dia niakatra ho 22 isan-jato ny vehivavy mifoka sigara raha 7 isan-jato izany teo aloha, nefa nidina 11 ka hatramin'ny 15 taona ny salan-taonan'ny fifohana sigara voalohany.

Ambaran'ny tarehimarika ofisialy  [ru] fa 70 ka hatramin'ny 80 isan-jato no mankasitraka io lalàna vaovao io, nefa tsy izay no miseho any amin'ny tontolon'ny bilaogy Rosiana izay andàvan'ny maro ilay lalàna noho ny antony samy hafa. Nanambara ilay bilaogera  Nicolai Troitsky ( eo amin'ny LiveJournal ny sariny mankafy sigara ) fa vao avy nanangana ny ” Hetsiky Iraisana ho an'ny Zon'ny Rosiana Mpifoka”[ru]. Nokianin'i Troitsky tamin'ny fomba henjana araka izay azony natao tao anatin'ity lahatsoratra ity ilay lalàna :  “Atsaharo ny Famonoana ny Mpifoka !” [ru].

тоталитарная, гестаповская, фашистская борьба с курильщиками, больше похожая на истребление, на геноцид, противоречит всем нормам здравого смысла. Целая немалая группа граждан демонстративно лишается элементарных прав.

Io ady tsy refesi-mandidy, toy ny ‘gestapo’, fanavakavahana atao amin'ireo mpifoka io dia manoatra noho ny  fandripahana, ny vonomoka, mifanohitra amin'ny fenitra rehetra amin'ny fahatsapàna iraisan'ny maro. Voahitsakitsaka ny zo fototry mponina iray manontolo.

Raha nahafinaritra an'i Troitsky ny fampiasana ny Lalànan'i Godwin tamin'ny famidirany adihevitra mipatrapatraka ity, dia tsy ny mpifoka ihany no tràny. Nandàny fotoana mihitsy ny solombavam-bahoakan'ny Duma, i Igor Lebedev nanoratra ity lahatsoratra ity “‘Ny Zon'ny Mpidoroka’ sy ny ‘Ny Zon'ny Mpamono olona’ no atao hoe ‘ Zon'ny Mpifoka'” [ru]:

Привычка, конечно, сильна. Причем не только привычка курильщиков к никотину, но и наша общая привычка видеть вокруг себя людей с белыми бумажными дымящимися палочками во рту. Надо сделать так, чтобы вид прилюдно курящего человека вызывал такую же реакцию, как и вид прилюдно “ширяющегося” наркомана. По сути, это одно и то же.

Tena henjana ny fahazarana. Tsy ny fahazarana amin'ny nikôtina ihany amin'ireo mpifoka fa ny fahazarantsika mahita ireo manodidina antsika miaraka aminà taratasy fotsy lavalava kely mamoaka setroka eny am-bavan'izy ireo ihany koa. Ohatra ny hoe rehefa mahita olona mifoka eny imasom-bahoaka dia mahita olona “mitsindrona”  zava-mahadomelina imasom-bahoaka. Raha atambatra, iray ihany izy rehetra ireo.

Notsipihan'i Lebedev, mpikambana ao amin'ny LDPR antoko politika fatra-mpandàla ny nasionalisma, fa “tsy fomba amam-panaon'ny Rosiana ny mifoka- fa i Peter Lehibe no nitondra ny fahazarana” (efa 300 taona lasa izay ).

Malala-tsaina kokoa i Anton Nossik, nanakiana ilay lalàna tamin'ny toan-kevitra hoe toa tsinjo tsy hisy vokany ireo fepetra feno teritery ao anatin'io lalàna io [ru]

в любой стране, где за последние 10 лет достигнуты ощутимые успехи в борьбе с курением, мы видим огромный спектр усилий, направленных именно на помощь курильщикам в бросании курить… А там, где это направление работы задвинуто, никакие даже самые жёсткие репрессивные меры не помогают. Мы это недавно тут обсуждали на примере французских драконовских мер, результат которых с 2000 по 2010 год оказался нулевым. И британских программ помощи курильщикам, которые за тот же период помогли снизить число страдающих зависимостью в полтора раза.

Na firenena aiza na firenena aiza no nahitàna vokatra azo tsapain-tànana tamin'ny ady amin'ny fifohana sigara dia nahitàna ezaka nifantoka indrindra  tamin'ny fanampiana ireo mpifoka sigara hiala amin'izany… Fa any amin'izay entina an-terisetra ny asa atao, na dia ny fepetra henjana indrindra sy feno famoreana indrindra aza tsy hitondra vokatra. Noresahintsika vao haingana [ tao amin'ny bilaogin'i Nossik] ny ohatra momba ny fepetra famoretana hita tany Frantsa izay tsy nahitam-bokany teo anelanelan'ny 2000 sy 2010. Ary nampihena ho antsasany ny isan'ireo miankin-doha amin'ny nikôtina ny fandaharan'asa Britanika, fanampiana ny mpifoka nandritra io fe-potoana io.

Na dia izany aza, maro ireo Rosiana izay tsy dia liana loatra amin'io lalàna miendrika zo io ary dia mifanontany ny amin'ny hoe hoampiharina na ho azo ampiharina ve izy io. Araka ny nibitsihan'i Osik101195 azy :

Если вы думаете, что антитабачный закон будут соблюдать в России, то вы точно ебанутый

Raha heverinareo fa hohajaina any Rosia ny lalàna momba ny ady atao amin'ny sigara sy ny paraky, dia tena adala kentrina ianareo

Eo am-panoratana, andro maro taorian'ny namoahana ilay lalàna, dia nanao sary hosodoko mampalahelo  [ru] momba ny fandairan'io fandraràna io i MindNasty:

В тамбуре электрички курили два контролера, выдыхали дым в табличку “Не курить”. Обсуждали антитабачный закон. Не вижу смысла в этом законе.

Eo anelanelanà kalesin-dalamby anankiroa, misy mpisava tapakila roa mifoka ary mandefa ny setro-tsigarany any amin'ilay soratra hoe ” Tsy azo hifohana sigara”. Miresaka ilay lalàna mandràra ny fifohana sigara sy fihinanana paraky ry zareo. Tsy hitako izay dikan'io lalàna io.

Mitovy be amin'ny lalàna any amin'ireo firenena Tandrefana efa ho 20 taona lasa ny lalàna vaovaon'i Rosia ifehezana ny fifohana, araka ny resabe ( tsy fifanandrifian-javatra akory, fa any ny tahan'ny fifohana sigara dia mitovy amin'ny an'ireo firenena toa an'i UK 30 taona lasa).  Voatery manao ezaka be ny governemanta ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka ka namoaka ilay lalàna ho fiadiana amin'ny fifohana sigara sy zava-mahadomelina noho ireo Rosiana 400.000 maty vokatry ny aretina azo avy amin'izany, saingy ho hojerentsika eo na hankato izany ny vahoaka Rosiana, na vonona ny hampanaiky io lalàna io ireo mpitandro filaminana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.