- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kroasia: Mampiasa Facebook Ny Filoha Josipovic Hanasana Ny Vondron'ny Mpamatsy Vola Ara-Teknolojia Informatika

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bosnia Herzegovina, Kroasia, Makedonia, Montenegro, Serbia, Slovenia, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna

Nandritra ny taonjato lasa, nopetahana anarana mampiasa fiteny hafahafa sy miafina i Eoropa Atsimo Atsinanana. Toa tahàka ny samy manana ny famaritana ” ny Balkans” ny olona tsirairay – ary amin'ny lafin'ny ratsy ny betsaka, na koa aza hoe mampatahotra indraindray. Izany rehetra izany na ny mihoatr'izay aza dia avy amin'ny tantaran'ny faritra ihany ary dia mbola ho toy izany hatrany, saingy misy vanim-potoana iray vaovao efa nisandratra ela tao Eoropa Atsimo Atsinanana ary maro amin'izao tontolo izao kosa no tsy nahatsikaritra izany. Na izany aza, mari-pamantarana vaovao no mandravaka ity faritra hafahafa sy miavaka ity. “Fanavaozana”, “Fifampiresahana”, ary “Fampiasam-bola”. Ao anatin'izany rehetra izany, toa sahala amin'ny teny hoe “Fahaizana mandraharaha” no tenin'ny andro androany.

Nanomboka avy any amin'ny vahoaka ilay fiaraha-mientana vaovao teo amin'ny faritra. Eny fa na dia taty amin'ny faramparan'ny taona 90 aza, niaraka tamin'ny solosaina sy tambajotra aterineto manana koriana 56 K, efa ela lavitra talohan'ny nanasoniavana ny fifanarahana maharitra ara-diplaomatika sy fifanarahana ara-toekarena, no nanomboka fiaraha-miasa voalohany teo amin'ny faritra ireo mpitantana orinasa, mpikaroka, mpanao gazety ary ny mpanoratra sasany. Miaraka amin'ny Tranonkala 2.0 (Web 2.0), nipoitra vetivety ny kolotsaina iraisana, ny fiteny iraisana ary, matetika koa aza, ny olana iraisan'ireo mponina eo an-toerana, izay vetivety dia misongadina eny anivon'ireo mpampiasa karazan-tambajotra malaza maro samihafa .

Vao haingana no nisy tetikasa tsy miankina nifampizarranà Startups 500 -ezaka ho fiantombohan'asa [1], nataon'ny vondrona iraisam-pirenana  mpamatsy voa IT. Mikendry hitety izao tontolo izao ny tetikasa, iarahana amin'ireo Geeks On A Plane [2] (GOAP), mba hijery asa azo atomboka sy hijery toerana tsara hanombohana tetikasa eo amin'ny faritra ho vatsiana vola. Satria moa iray amin'ireo faritra misy olona maro mavitrika ety anaty tambajotra sosialy ankehitriny i Eoropa Atsimo Atsinanana, dia nalaky tokoa ny nandraisan'ireo mpampiasa ireo tambajotra tato ko ato mba hirsahana ireo zavatra tsara ananan'ny faritra, hiaraha-miasa amin'ny GOAP ary tsy ela taorian'izay dia nahitana  mpampiasa Twitter maro avy amin'ny faritra nanao antso tamin'ny iray amin'ny ireo mpiara-miasa mpamatsy vola [3]n’ ny tetikasay, Dave McClure, mba hitondra ny GOAP ho aty Eoropa Atsimo Atsinanana.

Tsy misy mahagaga izany, sa ahoana? Ny tena marina, tena hetsika hafakely mampiavaka ny Twitter izy ity. Fa ny hiseho manaraka koa dia tsy hoe tsy hay faritana fotsiny ho an'ireo mpanao politika eo an-toerana, fa ho an'ny governemanta manontolo koa. Toa hoe olona iray avy ao amin'ny biraon'ny Filoham-pirenena Kroaty no taitaitra tamin'ity fimonomononana ity ary ny marainan'ny Sabotsy dia nanao fanambarana ofisialy mikasika ity resaka ity ny Filoha Kroaty Ivo Josipovic, nivantana ho amin'i Dave McClure sy ny GOAP – tao amin'ny pejiny ofisialy ao amin'ny Facebook. Tena marina. Toy izao izany, navaozina toy izao hita izao ny teo amin'ny Facebookn'i Ivo Josipovic [4]:

Hoan'i Dave McClure,

Efa toerana mafanan'ny fiantombohan'ny fanavaozana foana nandritra ny taona maro lasa ny New Europe, na Eoropa vaovao (na, araka ny iantsoan'ny sasany azy “Eoropa Atsinanana”). Nahasarika ny sain'ny mpamatsy vola, avy amin'ny famantsiam-bola iraisam-pirenena toy ny SeedCamp sy avy amin'ny vondron'anjely eo an-toerana i Eoropa Atsimo Atsinanana manokana (na, araka ny iantson'ny sasany azy hoe “Balkans”). Ankehitriny, miaraka amin'i Kroasia eo an-tokonam-baravaran'ny hidirany ho ao amin'ny Vondrona Eoropeana amin'ny volana Jolay amin'ny taona ho avy, mbola tsy nisy mihitsy fotoana tsara tahaka ity ho an'ny GOAP mba ho tonga hiantso. Hisarika ny sain'ireo mpamatsy vola ho amin'ny faritra ity vondrona miroborobo eo am-panombohana ity miaraka amin'ny tanjona ny ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana  – tsy misy antony tokony tsy hahatonga ny GOAP ho isan'ny lohalaharana amin'ity fironana ity!

Maniry manokana ny hanasa anao sy ny tariky ny GOAP ny tenako mba ho aty Zagreb hitsidika an'i Eoropa Atsinanana amin'ity Lohataona ity. Ho hitanao eto ny vondrom-piarahamonina starup (fanombohanà fandraharahana) mavitrika vao miainga, fitantanana ara-politika izay mampitombo ny fanohanany ireo fahaizana mandraharaha ary ny fandraisana mahafa-po tsy avy amin'ny Kroaty ihany fa koa avy ami'ireo namantsika ao amin'ny faritra – Sloveniana, Serba, Bosniaka ary ny hafa.

Dia manantena ny hihaona aminao tsy ho ela aty Zagreb, manolotraanao ny fankasitrahana feno.

Ivo Josipović
Filohan'i Kroasia

Tsy ilaina lazaina akory, lasa niparitaka be nanerana ny faritra tamin'ny aterineto tao anatin'ny ora iray monja [5] ilay fanambarana ary tsy ela dia namaly i Dave McClure niaraka taminà fanehoan-kevitra tao amin'ny fanavaozana ny mombamomba azy, nanao hoe: “Oooay… tena voninahitra ho ahy, ary tsy mahita izay holazaina”. Atoa. McClure, mpamatsy vola tsara sitrapo, avo toerna sy nahomby, miaraka amin'ny traikefa iraisam-pirenena eo amin'ny lafin'ny teknolojia informatika sy indostrian'ny Teknolojia, Fampitam-baovao, ary Fifandraisana (ITC), dia namaly tsotsotra teo amin'ny  fanehoan-keviny tao amin'ny Twitter mikasika ilay fanambaràna [6]:

Holy crap: Vao avy nanasa ahy ho any Zagreb ny Filohan'i Kroasia; teo amin'ny Facebook: http://on.fb.me/Mut9sV ‪#MindBlown‬ ‪#GOAP‬

Fa tena eo mihitsy vao manomboka ny tantara. Nomarihan'ny Filoha Josipovic teo amin'ny hafany tena diplaomatika ery amin'ny faran'ny fanambarany ery – “fandraisana mahafa-po tsy avy amin'ny Kroaty ihany, fa avy amin'ireo namantsika aty amin'ny faritra ihany koa – Sloveniana, Serba, Bosniaka, sy ny hafa” – izay mazava tsara raha lazaina fa amin'ny anaran'ny  fiaraha-miasa sy fahaiza-mandraharaha ao amin'ny faritra. Faly tsy misy hoatr'izany ny mpankafy manerana ny faritra. Ara-bakiteny. Mpandraharaha avy any Serba, Slovenia, Bosnia sy Herzegovina, ary firenena hafa koa no nizara ny fanambaràna nohavaozina teo amin'ny Twitter sy Facebook, nitehaka ho an'ilay hertsika vao haingana nataon'ny Filoha Kroaty tao amin'ny Facebook. Azo antoka kokoa ny mihevitra fa hijanona ao amin'ny faritra ary hijery tsara ny manodidina i Atoa Mr. McClure sy ny GOAP mpiara-dia aminy.  Sady koa, moa va misy fomba tsara kokoa noho izany hoe manana filoha mandefa fanasàna ho an'ireo mpampiasa vola amin'ny alàlan'ny tranonkala izany mba hanehoana fa hoe vonona ho amin'ny fihavaozana sy ny fampiroboroboana ny faritra iray?