- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mikasa “Handrodana Ny Fitondrana” ny Ejipsiana Amin'ny #June30

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika

Hiverina eny amin'ny tahakala voaloko indray ny Ejipsiana, mandrafitra fihetsiketseha-panoherana “handrodanana ny fitondrana” amin'ny 30 jona. Ny daty izay mivezivezy any amin'ny tambajotran-tserasera amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #June30 no manamarika ny tsingerintaona voalohany nitondran'ny filoha Mohamed Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana, izay voafidy taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka nanomboka tamin'ny 25 Janoary 2011 ary nahaaisotra an'i Hosni Mubarak.

Nandritra ity taona ity maro ny Ejipsiana no mihevitra fa nitondra ratra bebe kokoa ho an'i Ejipta ny fitondran'i Morsi. Ny fikoroso-fahana amin'ny zavatra rehetra eo amin'ny fanjakana ka mandrehitra ny fahatezerana mitombo tsikelikely, no ho tokotanin'ny fihetsiketseha-panoherana amin'ny #June30, izay novolavolaina hanerana ny firenena. Ny fitakiana fototry ny fihetsiketseha-panoherana dia ny “miala ny filoha sy ny fanjakazakan'ny Mpirahalahy Miozolomana.”

Na dia eo aza ny antso mahery sy ny fiaraha-manaiky ankapobe hiaro izany hevitra izany, dia misy ihany koa ny fahatsapana ho tsy mahatombontsiraka sy ny fanjavozavoana tanteraka amin'izay hitranga eny an-tsehatra.

Iray amin'ny fanontaniana lehibe sy iraisan'ny maro indrindra dia ny hoe, manana tetipanorona ve isika? nipaompy ny fanontaniana i  M.J.Y:

@sotsoy [1]: So what's the plan for #june30? Does the opposition have something in place if they succeed? #tamarod

Ka ahoana izany ny paika amin'ny #june30? manan-javatra mipetrapetraka ve ny mpanohitra raha mahomby? #tamarod

Ho valin'ny fanontaniana mitovy amin'izany no nilazan'i Ziad M [ar]:

@ZiadM [1]: يعنى فى الفتره اللى فاتت مفيش ولا حزب سياسى نجح انه يقدم كيان قادر انه يقدم حلول بديله لمشاكل اداره البلد !! كله كلام عايم

Nandritra izay fotoana lasa izay tsy nisy antoko politika iray afa-nanaporofo fa manana vahaolana fisolo hampandehanana ny firenena, miesaka fotsiny ry zareo.

Ny bilaogera Zeinab Samir [2] mino fa adidy ny mandray anjara sy ny mandrisika ny arabe hiteny tsia. Toy izao ny nosoratany tao amin'ny blogpost [3] [ar]:

إنت نازل عشان البنزين أو العيش أو الكهربا أو النيل أو قناة السويس أو الديون أو الجنود اللي بتتخطف أو العيال اللي بتموت في حوادث أتوبيسات أو عشان نازل تقول لأ للإسلاميين اللي صدموك

Mandeha mihetsiketsika manohitra ianao noho ny tsy fisian'ny solika, jiro, ny olana momba an'i Neily, ny lakandranon'i Suez, ny trosantsika, ny miaramilantsika misy maka an-keriny any Sinai, ary noho ireo maty isan'andro noho ny fifandonan'ny bus isan'andro, sa manohitra hitsipaka ny Islamista ianao.

Etsy ankilan'izany ny resaka momba ny fandraisana anjara goavan'ny “felool” na ireo mpanohana ny fitondrana taloha, izay lazaina fa manohana ny fiverenan'ny fitondrana miaramila. Nefa izany tsy ankasitrahan'ny sarambambem-bahoaka izay nivoaka an-dalambe nandritra ny herintaona sy tapany hamaranana ny fitondrana miaramila, hoy ny poeta ejipsiana Amin Haddad [ar] nanamafy:

@AminFHaddad [4]: نطالب بانتهاء حكم الإخوان لا بانتهاء الإخوان ونطالب بأهداف الثورة لا بعودة حكم مبارك والعسكر.

Ny fitakiantsika dia ny hamarana ny fitondran'ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny hanatratra ny tanjon'ny revolisiona fa tsy ny hamerina an'i Mubarak sy ny Filankevitra Faratampon'ny Tafika (SCAF).

Tamin'ny fomba miabo no nanoratan'i Wael Eskandar:

@weskandar [5]: Felool are loyal to their businessmen and Islamists are loyal to their leaders but most revolutionaries are loyal to their values.

Mitoky amin'ny mpandraharahany ny Felool ary amin'ny mpitarika azy ny Islamista fa ny ankamaroan'ny revolisionera mitoky amin'ny soatoaviny.

Saingy nanjavona ilay fisalasalana sy ny ahotrahotra; na rvolisionera izy, na felool, tapa-kevitra na tsy tapa-kevitra – niova hevitra ry zareo taoriana kelin'ny kabary fihantsiana nataon'ny filohan'i Ejipta ho fiarahan-dia amin'i Syria. Niteny i Fathy Saad, izay nisalasala tamin'ny fandraisana anjarany:

@fathysaad [6]: شكرًا #مرسي فقد كنت متردد في النزول يوم ٣٠ يونيو ولكن بعد سماعي لخطابك الغبي حسمت امري وسوف انزل بإذن الله

Misaotra anao ry Morsi, niahotrahotra raha hidina an-dalambe amin'ny 30 jona na tsia, fa taorian'iny kabary adala iny, tapaka ny hevitro, handray anjara aho.

Folo andro mialoha ny #June30 isika, ary efa manomboka ny fihetsiketseham-panoherana isan'andro ny ankamaroan'ny governorà – ary taratra ho manakaikikaiky amin'izay nokasaina ny onjam-panoherana.

Raha hijery ny fihetseha-po maro kokoa avy amin'ny Twitter ianao dia andramo jerena amin'ny teny fifankafantarana #June30 [7] izany.