Ao amin'ireo mpiserasera Twitter Kolombiana, misongadina ny famoahana fehezanteny avy amin'ny hiran'ny Vallenato -hita amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #Elvallenatomeenseñó [1] [es] (nampianatra ahy ny Vallenato)- ka avoitra avy amin'izany ny tononkira tsy lefin'ny fotoana intsony ao amin'ny hira ahitana taratra ny leson'ny fiainana.
Raha eo amin'ny sehatry ny karazan-kira ny Vallenato dia faritan'ny [2] ao amin'ny Wikipedia ho “hiram-bahoaka avy any amin'ny Morontsiraka Kolombiana Mifanolotra amin'i Karaiba [3] […]. Ara-pomban-drazana dia telo ny zavamaneno ihirana azy: ny angorodao [4], ny Guacharaca [5] ary ny amponga Caja Vallenata. [6] Manana ngadom-peo dimy samihafa ny Vallenato dia ireto avy izany: ny paseo, ny merengue, ny puya, ny son ary ny tambora. Ny Vallenato ihany koa dia lalaovina amin'ny Gitara [7] sy amin'ny zavamaneno tahaka ny Cumbia [8] any amin'ireo cumbiambas [mpitendry cumbiambas] sy amin'ireo tarika milalao miaraka amin'ny millo”.
Mandrafitra ny fototry ny kolontsaina kolombiana ny Vallenato ary azo lazaina fa tena manavaka indrindra ny tantaran'ny firenena.
Namoaka i Alexandra Osorio (@alexaaOsorioo [9]) [es] :
@alexaaOsorioo [10]:
#ElVallenatoMeEnseño [11] que si me llego a morir, no la culpen a ella culpen a mi corazón que se enamoro sin conocerla ♪
@alexaaOsorioo [10]:
#ElVallenatoMeEnseño [11] (nampianatra ahy ny Vallenato) Fa rehefa maty aho, aza tsiniana izy, tsinio ny foko izay nitia nefa tsy nahalala azy. ♪
Indro koa i Margy Salgado (@Mar_FisioUMB [12]) [es] miditra mandray anjara amin'ny hira Vallenato “Parranda, Ron y Mujer” [13] (Lanonana, Toaka ary Vehivavy):
@Mar_FisioUMB [14]:
#ElVallenatoMeEnseñó [1] yo gozo mi vida y otro que la sufra, porque con lamentos no se gana NADA (Diomedez Diaz)
@Mar_FisioUMB [14]:
#ElVallenatoMeEnseñó [1] (nampianatra ahy ny Vallenato) Mianoka ny fiainako aho ary mijaly ny hafa, satria raha mitaraindraina ianao tsy mahazo na inona na inona (Diomedez Diaz)
Amin'i Gabriela Nava (@gabyNava12 [15]) [es] kosa dia ifikirany fa sarotra ny tsy hitia Vallenato:
Ny mpisera ‘David no existe’ (Tsy misy i Davida) (@Tuunicoacosador [17]) [es] mahatsiarova fa iray amin'ny manavaka ireo Vallenatos eo amin'ny tantaran'ity karazana ity ny “Obsesión” [18] (Fahajembena) avy amin'ny vondrona El Binomio de América [18] (Anaran-droan'i Amerika).
@Tuunicoacosador [19]:
#ElVallenatoMeEnseño [11] que quisiera que el mundo girara al revés, para hacerme pequeño y volver a nacer, y así no tener que extrañarteee.
@Tuunicoacosador [19]:
#ElVallenatoMeEnseño [11] (nampianatra ahy ny Vallenato) fa tiako izao tontolo izao hivadi-piodinana, mba hahatonga ahy ho kely ka ho teraka indray, ary amin'izay tsy ho banga (=diso) anaoooo.
Valentina Montoya (@Valenmontoyaa [20]) [es], mihira ny “La indiferencia [21]” (Tsy firaharahiana):
@Valenmontoyaa [22]:
#ElVallenatoMeEnseño [11] que esa indiferencia tuya es la que me domina, me hace perder la calma, me hace sentir cosquillas.
@Valenmontoyaa [22]:
#ElVallenatoMeEnseño [11] (nampianatra ahy ny Vallenato) fa manara-maso ahy ny tsy firaharahianao, mahatonga ahy tsy ho tafatombina, manome ahy lolo.
Miteny koa i Silvestre Dangond (@Dangond_Ochoa [23]) [es]:
@Dangond_Ochoa: [24]
#ElVallenatoMeEnseño [11] que no es la plata es el corazón …
@Dangond_Ochoa: [24]
#ElVallenatoMeEnseño [11] (nampianatra ahy ny Vallenato) fa tsy resaka vola ity fa resaka fo…
Farany i Dana (@unaejtupida) [25] [es] manonona mpihira tanora sy mpamoron-kira malaza.
@unaejtupida [26]: Silvestre me enseño, Kaleth me enseño, Martín Elías me enseño………………..mejor
#ElVallenatoMeEnseño [11].
@unaejtupida [26]: nampianatra ahy i Silvestre, nampianatra ahy i Kaleth, nampianatra ahy i Martín Elías………………..tsara indrindra
#ElVallenatoMeEnseño [11] (nampianatra ahy ny Vallenato).
Maro kokoa momba ny Vallenato
Ireto bilaogy manaraka ireto dia natokana ho amin'ny Vallenato:
- Blog vallenato [27][es] (Bilaogy Vallenato)
- Música vallenata sin interrupciones [28][es] (Mozika Vallenato tsy misy fitsaharana)
- Vallenatos clásicos de Colombia [29][es] (klasika Vallenato avy ao Kolombia)
- Eccolo Vallenato, Vallenato “In moto perpetuo” [30][es]
Azonao tsidihana ihany koa ny lahatsoratra [31] efa navoakan'ny Global Voices mifandraika amin'ny fetiben'ity Vallenato manantantara ankalazaina isan-taona ao Kolombia ity.