Tantara tamin'ny 20 Jona 2013
Brezila, Goavana Vaovao Eo Amin'ny Sehatry Ny Fiadiana Tsy Mahafaty
Mampanontany tena ny Fitsarana Breziliana ny fampiasana fitaovam-piadiana tondroina ho tsy mahafaty raha miezaka ny mampiroborobo ny fanondranana azy ireny ho any amin'ny firenena tahaka an'i Torkia na ny Emirà Arabo ny Firenena.
Ny Fomba Fampiasàn'Ireo Mpitarika Ao Azia Atsimo Atsinana Ny Twitter
Tena fitaovana mahomby ho an'ireo mpitondra any Atsimo Atsinanan'i Azia tokoa izao ny Twitter. Ny Filohan'i Indonezia Susilo Bambang Yudhoyono izay 2.4 tapitr'isa ireo mpanaraka azy ao no malaza indrindra amin'ireo mpitondra any amin'ny faritra. Etsy ankilany, ilay Praministra Maleziana Najib Razak,dia mbola malaza be ihany any amin'ny fireneny, ary 1.6 tapitrisa ireo mpanaraka azy. Ny filoha Filipiana Noynoy Aquino kosa no tena mahafatra-po ao amin'ny Twitter ary mahatratra 1.5 tapitrisa ny mpanaraka azy ao.
#BarHeaven Sy Ny Olana Mikasika Ireo Olona Tsy Hita Popoka Tao Meksiko
Nanao fanambaràna ampahi-bemaso mikasika ny fanjavonan'ireo olona 26.121 ny biraon'ny LEhiben'ny Fampanoavana ao Meksika. Anarana raika ambiny folo izany izao no hamenoana ny lisitra taorian'ny fanjavonan'izy ireo tao amin'ilay trano fisotroana "Heaven" tao an-tananàn'i Meksiko.
Mikasa “Handrodana Ny Fitondrana” ny Ejipsiana Amin'ny #June30
Hiverina eny amin'ny tahakala voaloko indray ny Ejipsiana, mandrafitra fihetsiketseha-panoherana “handrodanana ny fitondrana” amin'ny 30 jona. Ny daty izay mivezivezy any amin'ny tambajotran-tserasera amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #June30 no manamarika...
Kolombia: Mianatra Amin'ny Vallenato
Ao amin'ireo mpiserasera Twitter Kolombiana, misongadina ny famoahana fehezanteny avy amin'ny hiran'ny Vallenato -hita amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #Elvallenatomeenseñó [es] (nampianatra ahy ny Vallenato)- ka avoitra avy amin'izany ny tononkira tsy lefin'ny fotoana intsony ao amin'ny hira ahitana taratra ny leson'ny fiainana.