Tantara tamin'ny 19 Jona 2013
Fitadiavan-Daza Iraisampirenenan'i Rosia: Hitsifotra (Elefanta Fotsy) ?

Raha manohy ny politikany amin'ny fampiasana ny hetsika iraisampirenena i Putin hanehoana fa mendrika hanaovana fampiasam-bola i Rosia, ny mpandoa hetran'ny firenena kosa efa manomboka mahatsapa fa ry zareo ihany no handoa ny faktiora.
Lehilahy Yemenita Dimy Novonoin'I Arabia Saodita, Naseho Vahoaka Ny Fatin'Izy Ireo
Lehilahy Yemenita dimy voapanga ho nahavita namono nahafaty sy nanolana no voaheloka ho faty tao Arabia Saodita ary naseho vahoaka ny fatin'izy ireo, tao atsimo andrefan'i Jizan. Sarin'ny vata-mangatsiakan'izy dimy lahy miantona amin'ny tady tazonina vy anankiroa no niparitaka tany amin'ny Twitter sy Facebook narahan'ny hatezeran'ireo mponina maro avy ao Yemen .
Nilaozam-bady i Putin & Tapa-tsinay ny RuNet

Vondron'olona telo avy ao amin'ny TV Russia 24 mijaridina anatinà lalantsara babangoanan'ny Kremlin, ilay mpitati-baovao miakanjo mainty nivanaka—izany no mpanatrika voalohany ny fanambaran'i [ru] Vladimi Putin fa nisaraka izy sy ny vadiny Lyudmila.