- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Raha Toa Ka Mizotra Mankany Amin'ny Vondrona Eoropeana i Kroasia, Miatrika Fisalasalana Kosa Ny Fientanam-po Any Amin'ny Balkana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bosnia Herzegovina, Kroasia, Montenegro, Serbia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

Raha toa i Kroasia ka miomana ny hiditra amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Vondrona Eoropeana [1]ny 01 Jolay ho avy izao, ary Serbia miandry ny hamoahana farany ny daty hanombohana ny resaka hidirany ao amin'ny Vondrona Eoropeana [2], dia toa mifanipaka be ihany ny hevitr'ireo mponina ao amin'ireo firenena roa ireo mikasika ny fidirana ao amin'ny Vondrona Eropeana.

Hendratrendratra be ihany ny sasany amin'ireo tanora ao Kroasia ny amin'ny fahafahana mitady asa any amin'ny Firenena Eoropeana sy ny amin'ireo tombotsoa ara-toekarena maro nolazain'ny sasany ho nampanantenain'ny vondrona Eoropeana hoentina. Ao amin'ny Twitter, i @Tash avy ao Zagreb dia milaza hoe [3] [en] :

@EszterLzr haha fantatro, fotoana ratsy safidy ho an'ny Vondrona Eoropeana ary tena samy manana ny heviny ny olona aty mikasika azy io…fa ny ahy ny hany faniriko dia ny ho afaka handeha hiasa any amin'ny toeran-kafa.

Ny hafa, toa an-dr'i Aleksandar Holiga avy ao Zagreb, indray dia miandrandra ny fahafahana hivahiny an-kalalahana any amin'ireo firenena Eropeana hafa maro  [4] [en] :

Ho any Londra aho izao rahampitso. Fotoana farany takiana hamenoako ity taratasy ity sy hiresahako amin'ny tompon'andraikitry ny fifindra-monina eto amin'ny tranohevan'ny seranam-piaramanidin'ny tany tsy mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana.

Pro-EU and anti-EU Croatian citizens are having spontaneous street debates in Zagreb on the eve of the 2012 European Union referendum. Photo by Marin Tomaš, copyright © Demotix (14/01/12). [5]

Ireo teratany Kroaty mpomba sy mpanohitra ny Vondrona Eoropeanadia nanao adihevitra an-dalàmbe tao Zagreb andro iray talohan'ilay fitsapan-kevibahoaka ny taona 2012 mikasika ny fidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Sary Marin Tomaš, fizakà-manana © Demotix (14/01/12)

Kanefa tahaka ny nanisy sira izany fidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana izany ny ankamaroan'ny mponina. Ingahy Goran Saravanja, mpahay toekarena iray avy ao Kroasia izay mpitoraka bilaogy ao amin'ilay filazam-baovao iray Vecernji List, no nanomboka sy namarana ny fieritreretany mikasika ilay tranga taminà famintinana tsotra, tsy miandany tao amin'ilay lahatsoratra nampitondrainy ny lohateny hoe ” Fiatrehana fiovàna : Kroasia ao anatin'ny Vondrona Eoropeana” [6] [hr] :

Prosječna osoba neće primijetiti veliku razliku u svom svakodnevnom okruženju na dan pristupanja Hrvatske EU. No, važne promjene nastupit će ubrzo. […] Pristupanje EU samo po sebi neće automatski poboljšati kvalitetu domaćih institucija, kao ni razne politike niti njihovu provedbu. Ukoliko želimo da nam rast bude konstanta, nezaposlenost smanjena, a izvoz povećan, mi sami moramo provoditi reforme i (ne samo) ekonomsku politiku na kvalitetan način.

Ny olon-tsotra iray tsy hahatsikaritra mihitsy ny fiovàna hoentin'ny fidiran'ny Kroasia ao amin'ny Vondrona Eoropeana amin'ny fiainany an-davanandro. Kanefa, tsy ho ela dia hisy fiovàna goavana.[…] Ny fidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana amin'izao fotsiny anefa tsy hanatsara vetivety eo ny andri-panjakana ato anatiny, na ny firehan-kevitra ara-politika tsy mitovy na ny fanatanterahana izany. Raha tiantsika ny hanana fivoarana mirindra, te-hahita fihenana amin'ny tsy fisian'asa, sy ny fitombon'ny fanondranana, dia tsy maintsy isika ihany no mametraka fiovàna ary (tsy hoe fotsiny) politika ara-toekarena matotra.

Raha toa Ingahy Saravanja ka nanao ny lisitry ny tombontsoa sy ny zavatra azon'ny Kroasia aroso amin'ny maha mpikambana azy ao amin'ny Vondrona Eoropeana, i Zarko Plevnik kosa tao amin'ilay lahatsoratra ho an'ny Glas Slavonije [7] [hr] (Slavonia [8] dia faritra iray ao Kroasia) dia nametra-panontaniana ny amin'ny ho fiatrehan'ny vokatra avy ao Kroasia ny tsena Eoropeana satria mantsy marobe ireo “Tsy voaaro” :

Gledajući i slušajući vijesti iz Hrvatske o tome kako svaki dan pronalazimo neki novi problem vezan uz naš ulazak u Europsku uniju, između ostalog, nameće se pitanje – što smo mi zaštitili od naših proizvoda prije ulaska u EU?

Amin'ny famakiana sy fahenoana ireo vaovao avy ao Kroasia momba ny fiatrehantsika ny olana vaovao mitranga isan'andro amin'ilay fidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, anatin'izany rehetra izany no nipoiran'izao fanontaniana izao : Inona aloha no narovantsika [trademarked/nanomezana mari-pamantarana] tamin'ny vokatra teto amintsika mialoha ny hidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ?

Lahatsoratra iray tao amin'io vohikala io ihany, “Ary dia Indro Ny Vondrona Eoropeana,” no nampiseho sarinà Grika iray Mpamboly  mizara legioma vao vaovao ho an'ireo “namana mitovy saranga aminy” [9] [hr], na ny marimarina kokoa, ireo mpiasam-panjakana.

Tsy dia mahatoky loatra ny tombontsoa mety ho azo amin'ny fidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny ankamaroan'ny mpampiasa tambajotra sosialy

Mpampiasa Twitter iray i @ruzniuzorak no nilaza hoe [10] [hr] :

smorena sam ko europska unija

kivy toy ny Vondrona Eropeana koa aho

I @nxyassa avy ao Kroasia koa naneho ny heviny [11] [hr] :

Glupost nema granice evo naprimjer EUROPSKA UNIJA

Tsy misy fetrany ny fahadalàna [sisintany] ohatra iray amin'izany ny VONDRONA EOROPEANA

I @cromarko avy ao Zagreb dia namerina namaky lahatsoratra iray ary nanampy ny heviny momba izany koa manao hoe [12][hr] :

“Najvece priznanje ulaska RH u EU je sastanak s kraljicom”. Priznanje hah, sve sto cu reci je Sjeverna Irska! #freeireland #oneireland

“Ny fankasitrahana lehibe indrindra amin'ny fiakaran’ [ iKroasia] ao amin'ny Vondrona Eoropeana dia ny fihaonana amin'ny Mpanjaka vavy. ” Fankasitrahana hoe haha, ny hany azoko ambara dia i Irlandy Avaratra! #freeireland (Irlandy afaka) #oneireland (Irlandy tokana)

Samy mahatsapa fisalasalana avokoa ny ao Serbia, na ireo mpampiasa tambajotra sosialy, na ireo blaogera sy mpanao gazety marobe. Raha tsy hijery afa-tsy ny tantara tsy ela akory teo amin'i Serbia Sy Kroasia isika, dia tsy hahagaga intsony ny mety tsy  hisian'ny fitiriritan'i Serbia an'i Kroasia, amin'ny fidiran'i Kroasia ao amin'ny Vondrona Eoropeana, kanefa i Serbia etsy ankilan'izay mbola miandry ny fifampiresahana mikasika ny haha-mpikambana azy. Kanefa i Serbia dia sahalaamin'ny mitaintaina be ihany ny amin'izay ho fiafaràny.

Ilay mpampiasa Twitter @na_preporciju avy ao Serbia dia nanoratra hoe [13][sr] :

Evropska unija nam se pokakila na demokratiju i slobodu,
a naši Slepci ne znaju da povuku vodu.

Nanaovan'ny Vondrona Eoropeana maloto ny demokrasiantsika sy ny fahalalahantsika, ary ireo Lehilahy Jambantsika kosa tsy mahay izay fomba handefasana ny ranon-kabone.

I @m2ajaaja namerimberina hatrany [14] [sr] ny zavatra nolazain'ny Serba maro :

Britanc žele da napuste Evropsku uniju, a Srbija bi da ide…

Maniry ny hiala ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny Britanika, etsy ankilany, maniry ny hiditra ao ny Serba…

Na dia ireo mpampiasa Twitter toa an'i @luminous_pg avy any Montenegro, firenena izay vao nanao fifanarahana hidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana [15] vao herintaona teo izay aza,  mba nihomehy tamin'ilay raharaha -Vondrona Eoropeana [16] [sr] io :

Muče vas bolovi u vratu? Imate problema sa zglobovima? Zaboravite na vaše neprilike, uskoro ulazimo u EVROPSKU UNIJU!

Tratry ny aretin'ny Henjan-katoka ve ? Manana olana eo amin'ny vanin-taolana va ianao ? Adinoy any ny aretinao rehetra, fa efa hiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana isika izao ato ho ato !

I @na_preporciju koa dia naneho ny heviny [17] [sr] :

Kad uđe Hrvatska Evropska unija zaključava vrata – od robijašnice.

Amin'ny fotoana hidiran'i Kroasia ao, hanidy varavarana ny Vondrona Eoropeana – eo amin'ny sehatry ny asa.

Ny sasany, toa an'ilay blogera Beograd Cafe izao, mahita tombontsoa ara-toekarena maro ho an'i Serbia amin'ny fidiran'i Kroasia ao amin'ny Vondrona Eoropeana [18][sr], tamin'ny fitaterana ilay fivoriambe momba ny varotra “CEFTA Aorian'ny Fidiran'I Kroasia Ao amin'ny Vondrona Eoropeana “, izay nihaonan'ireo solontena avy amin'ny faritra maro hiadin-kevitra mikasika ilay Central European Free Trade Agreement na Fifanarahana FiFanakalozam-barotra Malalaka amin'ny Eoropa Afovoany [19]:

Ulazak Hrvatske u EU doneće Srbiji niz prednosti, kao što su dominantan položaj u CEFTA regionu i povećanje suficita u razmeni sa okolnim zemljama, a očekuje se i više investicija…

Hitondra tombotsoa maro ho an'i Serbia ny fidiran'i Kroasia ao amin'ny Vondrona Eoropeana, toy ny fanànana toerana tsara ao amin'ny faritr'i CEFTA ary tombotsoa lehibe eo amin'ny sehatry ny varotra ifanakalozana amin'ireo firenena manodidina, eo ihany koa anefa ny fanantenana amin'ny hisian'ny fampiasam-bola misimisy kokoa. […]

Blogera iray avy ao Bosnia sy Herzegovina no nanoratra mikasika iny raharaha iny ihany koa [20] [bs] tao amin'ilay lahatsoratra nampitondrainy ny lohateny hoe “Noho ny Fivoahan'ny CEFTA, Moa ireo Orinasa Kroasiana Va Afaka ny Hanisaka ny Famokarany  ho any Bosnia sy Herzegovina?”.

Amin'ny ankapobeny, na ho an'i Kroasia na ho an'i Serbia, dia toa manao fihetsika toy ny “izay no izy “ihany ny olona mikasika ity raharaha Vondrona Eoropeana ity. Angamba ity bitsika ity ,nalefan'i @Darac42, no hamintina tsara izany rehetra izany [21] [hr] :

Da da, bit ce taj EU hard landing za hrvate.. niti ne zasluzujemo bolje..

Eny,eny, ho toy ny fipetrahana mafy (fakàna sary an-tsaina ny fidinan'ny fiaramanidina) ho an'i Kroasia tokoa ny ao amin'ny Vondrona Eoropeana.. ary  tsy mendrika tsara kokoa mihoatra izany isika..