18 Jona 2013

Tantara tamin'ny 18 Jona 2013

Hetsika Ho Fahatsiarovana ny Kapiteny Mbaye Diagne, Maherifo Senegaley ao Rwanda

Mbola mitohy manerana izao tontolo izao ny fotoam-pahatsiarovana ofisialin'ny lasibatry ny fandrimpaham-bahoaka tao Rwanda tamin'ny 1994. Saingy ankavitsiana ny mbola mahatadidy ny Kapiteny Mbaye Diagne. Nefa dia nampiseho herimpo tokoa io tanora manamboninahitry ny tafika senegaley io nandritra ny fotoana be fieboeboana fotsiny ny ambiny manerana izao tontolo izao. Efa an-taonany i Enrico Muratore no nitolona mafy mba tsy ho latsaka any amin'ny fanadinoana ny anaran'io maherifo io.

18 Jona 2013

Fanampiana An-davitrisany Taorian'ny Horohorontany Tao Japana No Tsy Tonga Tany Amin'Ireo Tra-boina

Gazety lehibe iray ao Japana no namoaka fa yen an-davitrisany natokana ho amin'ny fanampiana ireo olona tra-boina tamin'ilay horohoron-tany mahery vaika izay nitarika ilay tsunami nahazo ny faritra Avatra atsinanan'i Japana ny taona 2011 no nampiasaina taminà tetikasa izay tsy nahazoan'ireo tra-boina ireo tombontsoa mihitsy. Nahatonga resabe teo amin'ireo mpampiasa tambajotra sosialy izany familiana làlana ny vola tokony ho an'ny fanarenana izany.

18 Jona 2013

Notsenain'ny Polisy Tao Jerosalema Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana “Rariny Sosialy Israeliana “

Hetsi-panoherana iray nokarakarainà fikambanana telo samy sampana ao amin'ilay hetsika "Israeli social justice (#j14)" - Rariny Sosialy Israeliana - no niseho tao Jerosalema ny alin'ny Sabotsy teo (June 8). Nitaky ny hiverenana amin' ilay fanapahan-kevitra hanondranana Entona natoraly avy ao Israely izay tsy ahazoana afa-tsy 12.5% amin'ny haba ihany no hiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakana. Nitsipaka ilay tetibolan'ny governemanta vaovao koa ireo mpanao hetsi-panoherana, tetibola heverina izay mikasa ny hampiakatra bebe kokoa ny hetra alaina amin'ireo sarangan'olona ambany sy salantsalany, ary mifanindran-dàlana amin'izay ny fampihenana ny vola ho an'ny foto-drafitrasa ho an'ny daholobe izay tena iankinan'ny fiainan'ireo sarangan'olona ireo. Ambony dia ambony ny tahan'ny herisetra nitsenan'ireo polisy ilay hetsika, na dia nilamina sy vitsy mpandray anjara (an-jatony kely teo ireo mpanao hetsi-panoherana) aza ilay izy.

18 Jona 2013

Vladimir Putin: Tompon'ny Peratra (Super Bowl)

Akon

Nangalatra ny peratr'i Robert Kraft tompon'ny Super Bowl antsoina hoe New England Patriots ve i Vladimir Putin tamin'ny 2005? Maro ny bilaogera Rosiana nanao io fanontaniana io, rehefa niteny i Kraft tamin'ny 4 Jona 2013, tao amin'ny tafatafa hita ao amin'ny New York Post fa tsy nanolotra ny peratra ho fanomezana izy ny tena marina.

18 Jona 2013

Raha Toa Ka Mizotra Mankany Amin'ny Vondrona Eoropeana i Kroasia, Miatrika Fisalasalana Kosa Ny Fientanam-po Any Amin'ny Balkana

Raha toa i Kroasia ka miomana ny hiditra amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny 01 Jolay ho avy izao, ary Serbia miandry ny hamoahana farany ny daty hanombohana ny resaka hidirany ao amin'ny Vondrona Eoropeana, dia toa mifanipaka be ihany ny hevitr'ireo mponina ao amin'ireo firenena roa ireo mikasika ny fidirana ao amin'ny Vondrona Eropeana.. Fanadihadihan'i Danica Radisic

18 Jona 2013

Fianakavian'Ireo Voasambotra Tsy Ara-dalàna Maro, Manao Hetsi-panoherana Avy Any An-Tranony

Nanamarika ny Andro Faharoa Ho An'ireo Voafonja ny Zoma 07 Jona, fihetsiketsehana iray nomanin'ireo Fikambanana Mpisolovava tsy mitonona anarana @e3teqal sy ny @almonaseron ho fanairana mikasika ny fisamborana tsy manara-dalàna ao ataon'ny fitondram-panjaka Saodiana. Nametaka sary teny amin'ny trano fonenan'ireo voafonja ny mpanao fihetsiketsehana mba hisarihana ny sain'ny maro momba ny manjo azy ireo.

18 Jona 2013