Ny Iraniana ato amin'ny aterineto sy ny eny an-dalamben'i Iran (sary eto ambony) no nilaza [fa] fa faly ry zareo tamin'ity indray mitoraka ity fa voaisa ny vaton-dry zareo tamin'ny fifidianana filoham-pirenena asabotsy lasa teo. Rehefa nipariaka ny fampiangana ho nisian'ny hosoka sy ny fihetsiketseha-panoherana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2009.
Hassan Rouhani, mpitondra fivavahana 65 taona sady mpifampiraharaha momba ny zasaka nokleary taloha, avy amin'ny sehatry ny “fanantenana sy ny fahamailoana” no nandresy tamin'ny fifidianana. Nifanandrina tamin'ny mpandala ny mahazatra miisa dimy i Rouhani, izay notohanan'ireo reformista Iraniana teo amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Izy no nisolo tena an'i Ali Khamenei, ilay mpitarika faratampony, tao amin'ny vaomieran'ny fiarovana hatramin'ny 1989.
Nankalaza ny fandresena'i Rouhani ny olom-pirenena maro avy amin'ny tanàna samihafa. Nahatsiaro ireo olom-pirenena maty efatra taona lasa izay nandritra ny fihetsiketseham-bahoaka nanao fanoherana ilay fifidianana nampiady hevitra ihany koa izy.
Fifaliana tao Teheran
http://www.youtube.com/watch?feature=player_detailpage&v=cql3THHgrZo
Teheran: Tokony avotsotra ny gadra politika
Nama Jafari nizara lahatsary iray ahitana vahoaka mihiaka, “Nandritra ny lohataonan'ny fahafahana, foana ny kianja Neda” manondro ilay tanora vavy Neda Agha Sultan [fr] izay maty nandritra ny fihetsiketsehana efatra taona lasa izay.
“Basij nanafika tanora lahy iray”
Lahatsary iray hafa milaza fa namely tanora lahy iray mankalaza ny fandresen'i Rouhani teo amin'ny kianjan'i Vanak ao Teheran ny milisy Basij .
http://www.youtube.com/watch?feature=player_detailpage&v=zs-y6k8ylNU
Fandihizana tao Mashhad
Nieli-patrana nanerana ny tanàna hafa maro mihoatra an'i Teheran ny fankalazana. Tao an-tanànam-pivavahana tao Mashhad dia nahitana olona nandihy noho ny fandresen'i Rouhani ato amin'ity lahatsary ity.