Sambany Manana Sarintanin'ny Lalan'ny Bus Ny ao Dhaka Renivohitr'i Bangladesh

Sambany ankehitriny ny mpitondra bus ao an-drenivohitr'i Bangladesh ao Dhaka, fonenan'olona 15 tapitrisa sy fifamoivoizana mavesatra dia mavesatra, no manana sarintany eny am-platanany hijereny izay lalana horaisiny.

Ny vondrona ara-tsosialy Urban Launchpad, miorina any Cambridge, Massachusetts, sy ny fikambanana misolovava Bangladeshi Kewkradong no namoaka ny kinova alpha ny sarintanin'ny bus ao Dhaka izay azo jerena amin'ny taratasy sy an-tserasera. Nozaraina ho an'ireo mponina ao an-tanàna tamin'ny 5 jona 2013 ny kinova alpha 5000 voalohany amin'ny taratasy ny sarintany.

Tamin'ny fananganana an-tsarintany ny tanàna, dia nandefa mpanolo-tena maromaro mitondra finday raitra ny tetikasa izay natsangana tamin'ny Janoary 2012, hanangona haingana ny ango-tahiry momba ny rafitry ny bus ao Dhaka. Nanaraka bus maromaro tamin'ny lalana samihafa ry zareo ary nanangona ny hevitry ny olona. Fa aza milaza izany ho crowdsourcing (fifarimbonam-bahoaka) — fa namorona ny anarana hoe flocsourcing (andian'olona + finday) ny ekipa hamelabelarany ny fanangonana haingana ilay raki-tahiry an-tanandehibe.

Huge traffic of Dhaka city. Photo Firoz Ahmed. Copyright Demotix

Fifamoivoizana goavana ao an-tanànan'i Dhaka city. Saripika Firoz Ahmed. Copyright Demotix

Nampiasa ilay vohikalam-pitia tsy mba hetra Kickstarter hanampy ara-bola ny kinova alpha-ny sarintany, izay mitombina hatrany amin'ny 75 isanjato ny fahamarinany, ny ekipa. Kendren'ny ekipa ny hananan'ny sarintany kinova manaraka hatramin'ny 95 isanjato ny fahamarinany.

Nahazo fitsofana anjomara betsaka tao amin'ny Twitter ny fampidirana ilay sarintany. Nanoratra ilay mpanodina sarimihetsika Mizanur Rahman (@MadLungiFilmz) :

@MadLungiFilmz: This is godsend for a public transport freak like me! 😀 Great initiative by the folks at first bus map of Dhaka. http://fb.me/1KIhOXJHg 

Zavatsoa tokoa ity zavatra ity ho an'ny adalan'ny fitaterana tahaka ahy! 😀 Fandraisana an-tanana tsara amin'ny sarintanin'ny lalan'ny bus eto Dhaka.

Midera ilay sarintaony i Jacqueline M Klopp (@jmklopp1), ilay milaza tena ho “urbanista”:

@jmklopp1: Very cool-First Bus Map of Dhaka. kck.st/RDQi5N via @kickstarter

A bus rider check the bus map. Photo: Nazim Uddin Khan Price. Images courtesy by Urban Launchpad

Mpitondra bus iray manamarina ao amin'ny sarintanin'ny lalan'ny bus. Saripika Nazim Uddin Khan Prince/Urban Launchpad. Nahazoana alalana

Sarintanin'ny lalan'ny bus-n'i Dhaka voalohany tena mahafinaritra.

Mpanoratra sady bilaogera Mamun M Aziz manoratra ao amin'ny [bn] Somewherein:

ঢাকায় বাস সার্ভিসের অব্যবস্থাপনার শেষ নাই, এর উপর বাসস্টপের সুনির্দিষ্ট চিহ্ণিতকরণও সেভাবে করা নেই। ঢাকা শহরের পরিবহণ ব্যবস্থার অনেক সমিতি বা সংগঠন থাকলেও বাস রুট নেটওয়ার্ক ব্যবস্থা বেশ স্বাধীনও বটে। এইসব সমস্যা প্রথম বাস ম্যাপটি করতে গিয়ে সেচ্ছাসেবকদের নানান জটিলতায় পর্যবসিত হতে বাধ্য করেছে । তথাপি একটি সফল মানচিত্র তারা ঠিকই দাঁড় করাতে পেরেছে। মানচিত্রটির এক পাতায় রুট সমূহ চিত্রিত হয়েছে এবং অন্য পাতায় বাস এর নম্বর, কোম্পানী নাম এবং ছাড়ায় ও গন্তব্য স্থানের নাম আলাদা ভাবে চিহ্নিত করা হয়েছে।

Maro ny tsy fitantanana tsy mety eo amin'ny fandrindrana ny bus eto Dhaka. Voalohany amin'izany tsy voamarika mazava ny toera-piatoan'ny fiara fitaterana. Maro ny koperativam-pitaterana tsy miankina ary somary malalaka kokoa ny lalana fizotran'izy ireny. Niteraka olana maro ho an'ireo mpanolo-tena handrafitra ny sarintanin'ny bus izany rehetra izany. Saingy niezaka izy ireo hiara-mametraka [sarintany] tokana. Ao amin'ny lafiny iray amin'ny saritany ry zareo nanaprinty ny lalan'ny tambajotra, ary amin'ny lafiny ilany no nametrahana ny koperativan'ny bus, ny isan'ny fiara fitateraka ary ny toeram-piaingana sy toera-pahatongavana izay nanaovana lisitra misaraka.

Koa satria moa efa nanakaiky ny farany ny fanentanan'ny tetikasa hifarimbona amin'ny fitia tsy mba hetra tamin'ny Janoary 2013, dia nanao dokambarotra tamin'ny vola narotsany ny olona ao amin'ny Twitter. Harry van der Velde (@harryzicht) niantso ilay sarintany ho vokatry ny “crowdpower” (herim-bahoaka) taorian'ny nanaovany fanomezana ho an'ny tetikasan'ny Kickstarter:

@harryzicht: Crowdpower! Visual, agile and cooperative. I just backed First Bus Map of Dhaka on @Kickstarter kck.st/RDQi5N 

Herim-bahoaka, mailaka sy miray hina. Vao avy nanohana ny Sarintany voalohan'ny Bus-n'i Dhaka ao amin'ny @Kickstarter

Ny mpandraharaha Nash Islam (@nashislam) nanoratra amin'izay mety ho fiantraikan'ny famoahana ilay sarintany:

@nashislam: I just backed First Bus Map of Dhaka- a project that can have major impact on the city. See for yourself http://kck.st/RDQi5N

Vao avy nanohana ny Sarintany voalohan'ny Bus-ni Dhaka aho – tetikasa izay mety hisy fiantraikany lehibe ho an'ny tanàna. Jereonareo anie http://kck.st/RDQi5N

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.