Nosokafan'i Bangladesy Ny YouTube Taorian'ny Fandraràna Nandritra Ny Valo Volana

Nanala ny fibahanany ny YouTube tany Bangladesy ireo tompon'andraikitry ny fifandraisan-davitra ao Bangladesy taorian'ny 260 andro namehipehezana ny fahafahana miditra amin'ilay tranonkala fifampizaràna lahatsary tao anatin'ny firenena.

Nanakana ny YouTube ny Bangladesh Telecommunication Regulatory Commission (BTRC) – Sampan-draharaha Mpandrindra ny Fifandraisandavira ao Bangladesy – ny 17 Septambra 2012, mba hanakanana ny olona tsy hijery ny lahatsary  Amerikanina mitondra ny lohateny hoe “Ny tsy fahalalàn'ny silamo”, izay manesoeso ny Silamo sy ny Mpaminany Hazrat Muhammad (pbuh). Ny “alika mpiandry” (Mpanara-maso) ny serasera dia nanambara fa nifandray tamin'ny Google izy talohan'ny  fanakànana nangataka azy ireo mba hanala ilay lahatsary, saingy nandà ny hanatanteraka izany ny Google araka ny tatitra.

Nalàna ny sakana ny 5 Jiona 2013, nahazoan'ireo Bangdeshi mpampiasa aterineto miditra indray amin'ilay tranonkala.

Image by Wikimedia Commons user HernandoJoseAJ.  CC By -SA

Sary an'i HernandoJoseAJ, mpampiasa Wikimedia Commons . CC By-SA

Nitondra fatiantoka ho an'ny toekaren'i Bangladesy ilay sakana, araka ny voalazan'i Fahim Mashroor, Sekretera taloha tao amin'ny Bangladesh Association of Software and Information Services – Fikambanan'ireo mpanome tolotra momba ny rindrambaiko sy ny vaovao. Nilaza izy tao amin'ny tafatafa [bn] niaraka tamin'ny German radio Deutsche Welle fa nisedra olana ny indostrian'ny famoahana asa ho any ivelany vokatr'ilay sakana.

Tamin'ny taon-dasa nahazo 57 tapitrisa dolara ireo Bangladeshi tamin'ny indostrian'ny fanaovana asa navoaka ho any ivelany tamin'ny aterineto ka nahita fitomboana 54% isan-taona. Ny valo volana nisian'ny sakana tamin'ny YouTube dia hampihena io fitomboana io amin'ity taona ity.

Tsy ny fatiantoka ara-toekarena ihany, mpianatra maro, ireo mpampianatra sy mpikaroka dia niatrika olana tamin'ny fianarany noho ny tsy nahafahany nahazo ireo lahatsary tamin'ny aterineto mikasika ny fianarana miantrano ao amin'ny YouTube.

Nankalaza ny fiverenan'ny fahazoana miditra amin'ny YouTube indray ireo mpampiasa tranonkala. Khaledur Rahman Shakil (@krshakil) naneho ny hafaliany:

@কেআরশাকিল: ‘মুক্তি’ পেল ইউটিউব ফুলের মালা দিয়ে বরণ করে নিলাম ! জয় স্বাধীনতা।

@krshakil: Maimaimpoana ny YouTube! Ravaho girilandy izy. Alefa ry fahafahana!

Neel Aparajita (@oporajita789) dia nankalaza ireo hafaliana amin'ny fahafahan'ny fanaovana tambajotra sosialy:

@অপরাজিতা৭৮৯: ইউটিউব জেলখানা থেকে ছাড়া পাওয়ার আনন্দে ফেসবুক-টুইটার-এ যেদিকে তাকাই, যেখানে চোখ যায়… অইস!! খালি ইউটিউব আর ইউটিউব! #ফিলিংগ্রেট

@oporajita789: Hita mivaingna eny rehetra eny aty anaty media sosialy ny hafaliana amin'ny fahafahan'ny YouTube tamin'ny gadran'ireo sivan. Miresaka an'io avokoa ny tsirairay #feelinggreat

Na dia voasakana aza ny YouTube, maro ireo any Bangladesy no afaka nandingana ilay fibahanana. Ashickur Rahman Noor (@ashicunnoor) nahatsiaro io tranga io tao amin'ny Twitter :

@ashicunnoor: ডিজিটাল বাংলাদেশের স্বাধীনতা… 🙂 সোজা পথে অনেকদিন পর ইউটিউবে হান্দাইলাম… #চৌক্ষেপানি! 🙂

@ashicunnoor: Ny fahafahana niomerikan'i Bangladesy. Afaka mahazo YouTube tsy misy fitaovana fandinganana:) #tearsinmyeyes 🙂

Nanontany izay antny ao ambadik'ilay fanakànana fotoana ela ilay bilaogera, Bahadur Bappi, tao amin'ny vovonanan'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanao bilaogy Somewhereinblog.net:

 

আমার প্রশ্ন হৈল এই ৮ মাস ইউটিউবকে আটকিয়ে রেখে সরকার কি এমন লাভ করলো??

Ny fanontaniako dia hoe inona no tombontsoa azon'ny governemanta nanao ny sakana tamin'ny YouTube nandritra ny valo volana?

Hajiantsarin'ny mpampiasa Flickr spainvictorcompany ary navoaka teo ambanin'ny Fahazoan-dalana CC (BY-NC-SA)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.