Entona Mandatsa-dranomaso Sy Tifitra Rano Ho An'Ireo Mpamonjy Fetin'ny Asa Tany Istambul
Dikandahatsoratra
Rakotry ny entona mandatsa-dranomaso Istambul rehefa nihantsian'ny mpanao fihetsiketsehana nanaovana fihaonana teo amin'ny kianja Taksim mari-pamantarana ny tanàna, izay toerana mahazatra fanaovana ny fankalazàna ny Fetin'ny Asa isan-taona. Saingy sakanan'ny governemanta tsy azo hanaovana fihetsiketsehana io toerana io tamin'ity taona ity, satria eo an-dàlam-panamboarana.
Nanjary tany fiadiana ka niteraka fahasimbam-pananana sy nandratra olona am-polony ilay tanàn-dehibe misy mponina 15 tapitrisa noho ny fifandonana nisy teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminanana. Nanafatra mpitandro filaminana efatra fiaramanidina avy any amin'ny tanàna hafa mihitsy ny mpitandro filaminan'i Torkia hanampy azy ireo amin'ny famehezana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy mitsaha-mitombo.
Isan'ireo naratra ireo ny mpanao gazety efatra sy mpianatra iray amin'ny ambaratonga ambony izay voadona tamin'ny lohany, tsaboina eny amin'ny tobim-pitsaboana ary atahorana ny ainy. Any amin'ny tobim-pitsaboana ihany koa ireo mpanao politika mpanohitra izay tratran'ny entona sy voadaroky ny mpitandro filaminana

Rakotry ny entona mandatsa-dranomaso ny mpanao fihetsiketsehana tany Istanbul nandritra ny fankalazana ny Fetin'ny Asa. Sary avy amin'i Burak Kara. Nahazahoana alàlana
Eo an-dàlam-panamboarana efa am-bolana maro izao ny Kianja Taksim, toerana mahazatra fanaovana ny fankalazana ny Fetin'ny Asa ao Istambul mba ho fanamaivanana ny fitohanan'ny fiara manodidina azy. Efa nifampiresaka ireo mpitantana ny tanàna sy ireo fiombonan'ny mpiasa izay manizingizina ny hanaovana ny fankalazana eo amin'ny Taksim ny 30 Aprily 2013 mba hitadiavana toerana hafa nefa tsy nisy vokany izany. Nanome baiko avy hatrany ny mpitantana ny tanàna hanafoanana ny fitateram-bahoaka rehetra eo anelanelan'ny sisintany Aziatika sy Eoropeana mankany amin'ny Kianja Taksim. Tato aoriana kely, nandritra ny valan-dresaka nataon'ny Governoran'i Istambul Mutlu no nandraràny ny hetsika rehetra atao ao Taksim ny 1 May.
Nanome topimaso i Ayla Jean Yackley (@aylajean) mpanao gazety mikasika lanja ara-politikan'ny kianjan'i Taksim ho an'ny governemanta sy ho an'ireo vondrona hafa :
@aylajean: Heverina ho toy ny alikakelin'ny PM Erdogan ny tetikasa Taksim. Manana dikany maro ara-politika, ara-kolontsaina ho an'ireo antokon'olona maro any Torkia ilay kianja.
Ny tsy fisian'ny fitaterana tao amin'ny tanàna misy mponina miisa 15 tapitrisa no nahatonga ny fiainan'ny olona hikiaka fampiatoana ny 1 May. Ireo fiombonan'ny mpiasa, ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ary ny antoko politika mpanohitra dia manana drafitra samy hafa. Nandeha manokana na mitambatambatra ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony nizotra nankany Besiktas, Sisli ary ny faritr'i Mecidiyekoy, nihodidina an'i Taksim. Vao niposaka ny masoandro tany Istambul dia vaky ny ady voalohany tany Besiktas:

Fivoriana fetin'ny asa tao ambany entona mandatsa-dranomaso tany Besiktas, Istanbul, ny 1 May 2013. Sary nobitsihin'i Deniz Atam. Nahazoana alàlana
@aslitunc: Voafehin'ny mpitandro filaminana İstanbul androany, noraràna ny fitateram-bahoaka, nosakanana ny làlana, nampiasaina be ny tsifotra miharo dipoavatra, manenjika ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro filaminana.
Fomba iray hafa hanakanana ireo mpiasa tsy ho tonga any amin'ny toerana alehany ihany koa ny fanalana ny tetezana manelanelana ilay saika nosy manan-tantara sy Taksim :

Tetezan'i Galata natsangana mba hisakanana ireo mpiasa mpanao fihetsiketsehana. Sary avy amin'i Dilek Zaptçıoğlu tao amin'ny Twitter, nahazoana alàlana
Fa raha mbola manandrana mamonjy an'i Taksim ihany ireo vondrona maro samy hafa, ireo mpitandro filaminana manao andiany vitsy na maromaro kosa dia manafika ireo mpanao fihetsiketsehana amin'ny làlana rehetra, ny arabe sy ny làlan-kely, amin'ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso sy fitifirana amin'ny rano. Tao anatin'ny adin'ny roa, nanjary tany fiadiana ny sisiny eoropeana amin'ny tanàna. Voan'ny tifitra baomba mandatsa-dranomason'ny mpitandro filaminana ihany koa ny fiara mpamonjy voina sy ireo mpizaha tany :
@oemoral: Bitsihan'ny mpampiasa Twitter mitatitra avy any amin'ny làlana any amin'ny sisin'ny #Besiktas fa toy ny tanin'ady any. Mikorontana na ny olona na ny trano fivarotana, noho ny entona sy ny tifitra rano #MayDay #Istanbul
@ErdiErge: Tsipazan'ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso ny fiara mpitatitra marary, betsaka ny maratra any #istanbul #laborday #Turkey
@CeylanWrites: Na ny mpizaha tany aza dia voan'ny baomba mandatsa-dranomaso ! notaterin'i Radikal #istanbul #1mayis
@Ziya Meral: Ny bitsika masiaka tsara indrindra androany avy any Istambul dia ny : ” Omaly lanonan'ny Jazz, androany lanonan'ny Gaz / Entona”
Nitaraina tamin'ny herisetran'ny mpitandro filaminana hatramin'ny haino aman-jery mahazatra. Fa amin'ny ankapobeny nampiahotra ny gazety ny hitantara ilay zava-niseho nahamenatra tao Istambul tamin'iny tontolo andro iny. Nampiasa sarinà [tr] mpanao fihetsiketsehana manipy tavoahangy misy solika fandrehitra ireo vondrona mpilaza vaovao akaiky ny governemanta mba hivoizana ilay hevitra hoe : ny mpamonjy ny Fetin'ny Asa no “fototra”.
Ampitovian'ny sasany ao amin'ny Twitter amin'ny tetikadin'ilay mpanao didy jadona taloha tany Afovoany Atsinanana ny ataon'ny Praiminisitra Tiorka Erdogan :
@erdierge: Ny hery setra ataon'ny mpitandro filaminana #istanbul dia mbola ratsy lavitra noho ny #ArabSpring Mbola tsara ny mpitandro filaminan'i Mubarak noho ny an'i Erdogan #turkey #laborday #1mayis
Nanimba fananan'olona ihany koa ny baomba mandatsa-dranomaso :

Fahasimbàna vokatry ny baomba mandatsa-dranomaso any an-tranon'olona. Sary nobitsihan'i @farkindayimm, nahazoana alàlana.
Nony farany dia niparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana rehefa avy niresaka fampitsaharana tamin'ny mpitandro filaminana ny mpitarika ny fiombonan'ny sendikàn'ny mpiasa :

Mpanao fihetsiketsehana voan'ny entona mandatsa-dranomaso tany Besiktas. Sary nobitsihan'i @13melek, nahazahoana alàlana
Haingana ny fanamelohan'ny Fiombonan'ny Firaisan'ny Mpiasa maneran-tany ny herisetran'ny mpitandro tany Istambul.
Nody tany an-tranony ny rehetra hijery andianà tantara ao amin'ny TV Tiorka sy hanao ny asa mahazatra azy ireo rehefa hariva taorian'ny tontolo andron'ny herisetra nahatonga ratra sy tsy fandraisana andraikitra ary fanehoankevitra mahatezitra nataon'ireo manampahefan'ny governemanta sy ny mpanao gazety tahaka azy.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...