06 Jona 2013

Tantara tamin'ny 06 Jona 2013

Nibitsika Mikasika Ny Adihevitry Ny Parlemanta Mikasika Ny Fanambadiana Ny Praiminisitr'i Kroasia Teo Aloha

Nanapa-kevitra ny hibitsika ao amin'ny kaontiny Twitter ny Talata 28 May hariva teo i Jadranka Kosor, Praiminisitra Kroaty teo aloha sady solombavambahoaka ao amin'ny parlemantan'i Kroasia ankehitriny mba haneho ny tsy fahafaliany mikasika ny adi-hevitra nataon'ny Parlemanta ankehitriny: ny famaritana ny fanambadiana hotovanana ao amin'ny Lalàm-panorenan'i Kroasia. Mitatitra i Danica Radisic

05 Jona 2013

Tafakatra Amin'ny Fiadiana Ny Tompon-daka Maneran-tany Ho An'ny Baolina Kitra i Japana, Miparitaka Ny Lazan'ny Fahaizan'ny Mpitandro Filaminana Mifehy Vahoaka

Raha an'i Japana ireo mpankafy noho izy ekipa voalohany tafakatra amin'ny Fiadiana izay ho Tompon-dakan'ny baolina kitra FIFA, nisongadina ny mpitandro filaminana raha nandray fanamafisam-peo mba hitarihana ireo vahoaka marobe teny amin'ny faritra malazan'i Sibuya, Tokyo izy, ny alin'ny 4 Jona 2013.

05 Jona 2013

Entona Mandatsa-dranomaso Sy Tifitra Rano Ho An'Ireo Mpamonjy Fetin'ny Asa Tany Istambul

Novangian'ny matoatoa Istambul, tanàna lehibe any Torkia, noho ny herisetra niseho tao tamin'ny 1 May 2013 taorian'ny telo taona nankalazana ny Fetin'ny Asa tamim-pilaminana teo amin'ny kianjan'i Taksim. Voafetran'ny fanamboarana ilay toerana sy ny fepetra noraisin'ny mpitantana ny tanàna dia nanjary tany fiadiana ilay tanàn-dehibe misy mponina 15 tapitrisa ary nanimba zavatra sy nandratra olona maro

05 Jona 2013