- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Video: Hiakam-Pahatezeran'Olona Anarivony Manohitra ny Fitondrana Iraniana Nandritra Ny Fandevenana Ayatollah Iray

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika
Ayatollah Taheri Esfahani's funeral procession. screenshot from YouTube

Diaben'ny fandevenana ny Ayatollah Taheri Esfahani tao Isfahan. Pikantsary avy ao amin'ny YouTube

Olona an'arivony tao Isfahan, Iran no nandray anjara tamin'ny diabem-pandevenana ny Ayatollah Jalal Al-Din Taheri tamin'ny 4 Jona 2013. Olo-malaza ara-pivavahana zokiolona izy sady feo mpitsikera ireo henjakenjana amin'ny fiarovana ny fitondrana. Nihiaka teny filamatra ho fanohanana ireo mpitarika roa lehibe indrindra ao amin'ny fanoherana ireo olona nidina an-dalambe ireo, tsy iza ireo mpitarika roa efa tazonina manokana an-trano ireo fa i Mehdi Karroubi [1] sy i Mir Hussein Mousavi [2]. Nihiaka ihany koa ireo ny hoe “Miala ny mpanao Didy Jadona!” sy ny hoe “Mba menatra ry mpanao didy jadona!”

Nahatohina Iraniana maro ny Ayatollah Taheri tamin'ny 2002 rehefa niala tamin'ny toerana misy azy amin'ny maha-mpitari-bavaka isaky ny zoma azy tao an-tanàna goavan'i Isfahan azy. Tao amin'ny taratasim-pialany no nanoratany [3] fa tsy afa-minia mikimpy maso izy eo anatrehan'ny “zava-misy marina azo tsapain-tanana, mahita maso ny fijaliana manempotra sy tsy zaka intsony iainan'ny vahoaka izay nahitana ny voninkazon'ny hatsaram-panahy voahosihosy, ny soatoavina nianjera ary ny ara-panahy potika.”

Miala ny Mpanao Didy Jadona

@Adagio nisioka  [4]fa ny fisian'olona maro dia maro mahasahy mihiaka zavatra mihoapampana hanamarihana ny fahafatesany dia mitranga mialoha ny fifidianana amin'ny tapaky ny volana Jona.

Setad Salam nisioka  [5]fa nitady ny hanafahana ny gadra politika ihany koa ny olona.