Yemen: Tovolahy roa Maty Noho Ny Fisongonana Ireo Fiara Mpanotrona Ny Mariazin'i Sheikh

Zatovolahy roa Yemenita, mpiavy avy any amin'ny tanàna atsimon'i Aden, no maty tamin'ny herinandro lasa teo noho ny fisongonana ny fiara mpanotrona ny mariazin'i Sheikh (filohanà foko) any Sanaa renivohitr'i Yemen.

Ny Alarobia 15 May 2013, Khalid Al-Khateeb sy ny namany Hassan Aman no nandeha tamin'ny fiarany raha iny nifanehatra tamin'ny fiara mpanotrona ny mariazy iny izy ireo ary notifirina ho faty noho izany fisongonana ny fiara mpanaraka mariazy izany.

An'i Sheikh Ali Abd Rabo Al-Awadhi ilay fiara mpanaraka mariazy, mpikambana iray ao amin'ny antoko Islah sady mpikambana ao amin'ny Fihaonambem-pirenen'i Yemen, izay toy ny eso  ny fandraisany anjara ao anatin'ny vaomiera momba ny olan'ny any atsimo. Izay tena nanahiran-tsaina dia ny fisian'ny fiaran'ny mpitandro ny filaminana mpiaro an'i Sheikh nanaraka ireo fiara nitandrozotra.

Araka ny tatitra azo, raha namono tsy amin-tahotra ireo tanora roa ireo ny mpiaro an'i Sheikh, tsy nisy hetsika nataon'ireo mpitandro ny filaminana akory hisamborana azy ireo. Etsy andanin'izany, raha tokony ho nanao ny asany amin'ny maha olon'ny lalàna azy izy ireo ka tokony ho nisambotra ireo nahavanon-doza, dia ny niala niraka tamin'izy ireo sy namela fotsiny ireo faty no nataony.

Alaa Isam, mpikatroka mafàna fò sy mpibilaogy avy any Aden, no nibitsika mikasika ilay vono olona :

@AlaaIsam: Namono tanora 2 avy any #Aden tany amin'ny iray amin'ireo arabe ao #Sanaa #YemenAtsimo ny mpiaro ny sheikh #foko avy amin'ny antoko Islah @hrw #NDCYE #YF #Yemen

Nibitsika i Naji Alkadi hoe:

@NajiAlkaladi: #sarin'ireo olona avy any #Aden maty novonoin'ny mpiaro ny sheikh tao an-tanànan'i #Sanaa #Yemen @hrw pic.twitter.com/RQDdAb225M

Tamin-keso no nibitsihany sary iray fampitandremana [ar]:

@NajiAlkaladi
Mitandrema!
sheik iray avy aminà foko! io anilanao io
نطالب وزارة الداخلية في #اليمن
بوضع التحذيرات على سيارات المشايخ
#Yemen pic.twitter.com/THzbYwOwoK

Miangavy ny minisitry ny Atitany aty Yemen izahay mba hametaka io fampitandremana io amin'ny fiaran'ireo sheikhs.

A sign waring other drivers, reads in Arabic "Beware, an armed sheikh on board" (Photo shared by @NajiAlkaladi)

sary iray fampitandremana ireo mpitondra fiara hafa, vakiana amin'ny teny arabo hoe “Mahimahiana ianareo, sheikh mitàm-piadiana no ato” (Sary nozarain'i @NajiAlkaladi)

Mohammed Fadhl, Yemenita monina any Malezia, no nibitsika hoe [ar]:

‏@M_aljaal: #الشعب_في_مواجهة_المشائخ #اليمن #Yemen
من اجل هولاء وغيرهم الكثيرون
نعم ليمن بلا همجية وعنجهية pic.twitter.com/XnJg1jgZcX

Ny vahoaka miatrika ireo Sheikhs avy aminà foko, Yemen, ho an'ireo ary ireo maro hafa, eny ho an'i Yemen tsy misy fahambanian-tsaina sy tsy firaharahiana.

A poster demanding justice for the two killed youth. It reads in Arabic" nobody is above the law." (photo shared by @M_aljaal

Sary mangataka ny rariny mikasika ireo tanora roa maty. Vakiana amin'ny teny Arabo hoe “tsy misy ambonin'ny lalàna”. (Sary nozarain'i @M_aljaal)

Nampihantona ny fivoriany mandritra ny roa andro misesy ireo mpikambana ao amin'ny National Dialogue Conference / Fihaonambem-pirenena ifanakalozan-kevitra – mba hanoherana ny fandatsahan-drà tsy ankitsirano an'ireo tanora nataon'ny iray tamin'ireo mpikambana mpandray anjara ao aminy.

Adam Baron, mpifandray iray amin'ireo orinasa maro mikasika ny fampahalalam-baovao, avy ao Yemen, nibitsika hoe:

@adammbaron:
Androany,  najanona aloha ny @ndcye ho fanoherana ny fahafatesan'ireo tanora 2 voalaza fa novonoin'ny zanaka lahin'ny sheikh ali abdo rabbu al-awadhi #yemen

Nibitsika koa i Nasser Arrabyee, Mpanao gazety :

@narrabyee: Tamin'ny andro faha-2, tsy niasa ireo mpikambana amin'ny fihaonambe fifanakalozan-kevitra any Yemen mba hitakiana ny  fisamborana & fitsarana ireo mpiambina ny mpitarika silamo izay namono ireo olona 2 avy any atsimon'i Sanaa

i Haykal Bafana Mpisolovava dia nizara sary hatsikana avy amin'ilay Yemenita mpanao kisarisary, Rashad Alsamey, izay nandoko tamin-keso ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana manoloana ny famonoa an'ireo tanora roa:

@BaFana3: Tongasoa eto #Yemen “efa antitra rahateo”: fiara mpanotrona mariazin'i Sanaa mpamono olona-” Tsia, tsia. Misaotra an'Andriamanitra, nieren-doza ny sheikh.” v @albkyty pic.twitter.com/clvtmZXxUk

Cartoon by Rashad Alsamei reads in Arabic "There is nothing sir, these are just some youth the sheikh killed...no, no thank God, the sheikh is fine" (Photo shared by Ali Albikhyti

Kisarin'i Rashad Alsamei vakiana amin'ny teny Arabo hoe “Tsy misy n'inona n'inona mitranga ramose a, tanora roa matin'ny sheikh fotsiny ireo… tsia, tsia misaotra an'Andriamanitra, tsy naninona ny sheikh” (Sary nozarain'i Ali Albikhyti)

Niteraka tabataba eran'i Yemen ilay vono olona ankitsirano, indrindra fa teny anivon'ireo mpikatroka mafana fò izay nikarakara fanoherana marobe tany Sanaa sy Aden mba hanameloka ilay famonoan'olona sy hitaky ny rariny ho an'ireo fianakavian'ny maty ary hanisy farany fahafahana maimaim-poana ara-bakitenin'ireo Sheikhs mamono olona. Fiaraha-monina mandàla ny resaka foko i Yemen ary  manana ny toerana manokana ho azy ireo sheikhs isaky ny foko sady omena zo sy fiarovana avy amin'ny governemanta. Maro no manararaotra io tombontsoa io. Ny fitondrana fitaovam-piadiana sy arahan'ny mpiambina dia anisan'ny iray amin'ireo toetran'ny foko. Ireo roa ireo no tombon-dahiny izay toherin'ny tanora mafy ary hanandramany isintonana an'i Yemen hiala lavitra ireny fomba ireny ao anatin'ny hetahetan'izy ireo hisianà fanjakàna sivily izay ny tsirairay dia ho voaaro sy hitovy eo ambanin'ny lalàna.

Rasha Jarhum, Yemenita iray mahery fò izay monina any Liban, mpiady ny zon'olombelona,  no niteny hoe:

@rrj_934: Maniry izahay ny hisian'ny fanjakàna sivily, kivazivazy ny revolisiona 2 taona lasa izay, vonoin'ireo olon-dia manodidina ny sheikhs adaladala ny tanoran-tsika#yemen

Nanitrikitrika izy fa[ar]:

@rrj_934: اصمت اليوم ستكون الضحية غداً.. من اجل العدالة لقضية الشهيدين حسن وخالد.. نطالب بالقبض عن المجرمين #اليمن pic.twitter.com/YnaxmubXfE

Aza miteny androany dia ianao indray no tratra rahampitso.. ny rariny ho an'ireo maritiora, Hassan sy Khalid.. Takiantsika ny fisamborana ny mpamono olona.

Ny minisitry ny Zon'Olombelona any Yemen, Hooria Mashhour dia nibitsika nitaky ny fampiharana ny lalàna ambonin'ny fahefana ara-poko:

‏@Hooria_Mashhour: Tsy tokony hisolo sy/na hiasa tahaka ny Fahefam-Panjakàna  ny Foko mba hahatanterahan'ny nofinofintsika hanangana #YemenMandroso #CivilizedYemen

Hetsi-panoherana iray hanaovana diabe nomena anarana hoe “Diaben'ny Rariny ho an'i Hassan sy Khalid” no natao tao an-drenivohitr'i Sanaa, ny Alakamisy 23 May lasa teo, mba hanamelohana ilay famonoana feno habibiana ary hitakiana ny rariny ho an'ny fianakavian'ireo tanora maty. Hana Alshowafi, tanora mafàna fò iray izay nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana, no nibitsika sary iray :

‏@Hanaalshowafi: #صورة من المسيرة الاحتجاجية المطالبة بتسليم قتلة #حسن_أمان و #خالد_الخطيب. #ٍصنعاء #اليمن
ذنبهما أن تجاوزا موكب #شيخ pic.twitter.com/7nqeM5nGtf

Sarin'ny filaharam-ben'ny fanoherana nitakiana ny hanasaziana ireo mpamono an'i #Hassan_Amman sy #Khaled_Alkhateeb, ny hadisoandry zareo dia noho izy nisongona ireo fiara mpanotrona mariazy

https://twitter.com/Hanaalshowafi/status/337596448818491392/photo/1

Hetsi-panoherana iray tao Sanaa nanoherana ny famonoana ireo tanora roa, nitakiana ny fisamborana ireo mpamono sy hanolorana azy ireo ny fitsarana. (sary nozarain'i: @Hanaalshowafi)

Anisan'ireo hira tao anatin'ilay hetsi-panoherana araka izay nobitsihin'ny Hanan dia ny hoe: “ry fahaiza-miaina aiza ianao, aiza ianao.. eo afovoantsika sy ianao izao ny fanjakan'ny  Sheikh”  ary “efa voarefy ny lalàm-panorenana mba hety tsara ho an'ny.. zanakalahin'ny sheikh, sy ny zanaky ny mpiasam-panjakana”

Hamza's Shiban (@7amzoh) mahery fò sady mpakasary no nampakatra ireo sary nalainy tamin'ilay hetsi-panoherana ho ao anatin'ny tahirin-tsary antsoina hoe “Diaben'ny Rariny ho an'i Hassan sy Khalid” tao amin'ny pejin'ny Facebook-ny.

Atiaf Alwazir mpibilaogy sady mpikaroka dia nanoratra lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy ka tao anatin'izany no nangatahany hoe, “Tsy misy olona tokony ho ambonin'ny lalàna!

Nanoratra izy fa:

Ny ftena olana lehibe mipetraka eto dia ny fahamoràna ananan'ireo lehilahy manana fahefana, lehibenà foko sy ny hafa, mamono sy mangalatra ary dia afaka madiodio amin'izany. Tsy misy olona tokony ho ambonin'ny lalàna, tsy ny olo-matanjakany foko, na mpandraharaha mpanefoefo na manampahefanan'ny governemanta. Na ho ela na ho haingana dia mbola hanjaka ny fahamarinana.

“Tsy hamaly ny sandry amin'ny sandry isika, na rà solon'ny rà … ny fitaovantsika dia ny tanjaky ny teny” hoy i Mohammed Aman tao amin'ny Facebook ho setrin'ny namonoana ny rahalahiny.

Noho izany, aleo isika hanaparitaka ireo teniny mitaky ny Rariny sy ny fitoviana, sady izao koa, tsy izay ve no revolisiona ary ny antso hisian'ny Fanjakàna Sivily e?

Sheikh Alwadi suggested to settle this the tribal way by offering blood money, but the families of the victims demand justice and rightly so…… Nanome sosokevitra i Sheikh Alwadi ny mba handrindràna io lalàn'ny foko io amin'ny fanomezana vidin-drà, saingy ireo fianakavian'ny maty dia mitaky ny fahamarinana sy amin'ny fomba mahitsy.

Hatramin'ny nanoratana ity lahatsoratra ity dia mbola tsy voasambotra na natolotra ny fitsarana ireo meloka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.