Vary Feno Cadmium Hita Ao Shina

Vary voapoizin'ny metaly mavesatra cadmium, antsoina amin'ny anaram-bositra hoe “vary cadmium” indray no fanafintohinana farany any Shina, miteraka fikoropahana sy fahatezerana eo amin'ny mpanjifa ao amin'ny firenena.

Ny sampan-draharaha misahana ny sakafo sy ny fanafody Guangzhou [zh] no nanambara tamin'ny 16 Mey fa ny valo amin'ny santionam-bary 18 notsirihana tamin'ny tsena tao an-toerana no ahitana tahan'ny cadmium be loatra. Ny ankamaroan'ireo vary voapoizina dia avy any atsimon'i Hunan, faritany ao Shina mpamokatra vary indrindra.

“Ny Cadmium ao amin'ny vary matetika dia avy ao amin'ny tany naniriana sy nitomboany, ary ny tany dia voaloton'ny fakon-tsimika sy fakom-pitrandrahana,” hoy ny nambaran'i Fan Zhihong, manampahaizana manokana ao amin'ny Oniversitem-Pambolena Shina ao Beijing, tamin'ny gazety tantanin'ny fanjakana Global Times.

Nanatevin-daharana ny lisitry ny sakafo mampanahy tsy mitsaha-mitombo ao Shina tao anatin'ny taona vitsivitsy ny vary. Tamin'ny fanombohan'ity volana ity, naseho fa henam-boalavo sy henam-posa no nolazaina fa henan'ondry tany Shanghai sy tany Jiangsu.

Efa olana naharitra am-polony taona maro ao Shina ny vary voapoizina. Araka ny Global Times, tetikasam-pikarohana iray tao amin'ny Oniversitem-Pambolena tao  Nanjing no nahatsikaritra fa ny 10 isanjaton'ny vary amidy manerana ny firenena no miaty cadmium diso tafahoatra. Araka ny tatitra hafa, mahatratra  hatramin'ny 70%-n'ny tany (fambolena) ao Shina no voapoizin'ny metaly mavesatra sy ‘zezika’.

Saingy tsy mavitrika loatra amin'ny famoahana fahalotoana tahaka izany ny manampahefana. Tamin'ny fiandohan'ity taona ity izao ny manampahefana misahana ny tontolo iainana no nitsipaka ny fangatahan'ny mpisolovavao iray ao Beijing hamoaka ny ango-kevitra momba ny fahalotoan'ny tany ao Shina tamin'ny filazana fa “tsiambaratelom-panjakana” izany.

Nisy teny kely notsongain'ny gazetin'ny antoko komonista Isan'androm-bahoaka niteny hoe:

Map of China's rice pollution is widely shared on Weibo. (Image from Weibo)

Sarintanin'ny vary voaloto ao Shina nifampizarana fatratra tao amin'ny Weibo. (Sary avy amin'ny Weibo)

对于含有镉这类“慢性中毒”的食品,一般情况下不会突然引发大的食品安全事故,有关部门负责人迫于经济发展压力,对食品企业违法行为睁一只眼闭一只眼,自身既不易受法律制裁,也能保住“乌纱帽”。

Ny sakafo miaty cadmium dia sakafo “tsy ialam-poizina”, izay raha amin'ny vanim-potoana mahazatra dia tsy miteraka fanairana hampisy fanahiana eo amin'ny resaka sakafo. Noho ny faneren'ny fampandrosoana ara-toekarena, misy ireo sampan-draharaha manakimpy ny masony amin'ireo orinasan-tsakafo mandika lalàna. Toa tsy mba sazian'ny lalàna izy ireo ary mbola mitazona ny toerana misy azy.

Ho setrim-baovao dia namoaka sombin-taratasy ny sampam-baovao ofisialin'ny fitondrana Shinoa Xinhua, izay nampitondraina ny  lohateny [zh] hoe, “Mandrisika ny olona tsy hihinam-bary avy amin'ny faritra iray ihany mandritra ny taona ny manampahaizana manokana,” ary tokony hanamaro ny fiavian-toeran'ny vary novidiany ny olona mba hampihenana ny risika.

Niteraka tsikera teo amin'ny sehatry ny serasera izany toro-hevitra izany. Tao amin'ny fanaovana bilaogy bitika shinoa malaza iray ny mpiserasera antsoina hoe “Bolin” no nanoratra tamin'ny tarehy ratsy manao hoe [zh]:

人民日报告诉我们,中国贩运有毒食品是合法的,有毒食品参杂服用,就不只会死于一种有毒食品

Nilaza tamintsika ny isan'androm-bahoaka fa ara-dalàna ny fivarotana sakafo voapoizina. Amin'ny alalan'ny fihinanana karazan-tsakafo misy poizina isan-karazany no mba tsy ahafatesantsika amin'ny karazan-tsakafo misy poizina tokana.

Nanome ako izany ny mpanoratra iray mipetraka any Shanghai antsoina hoe “Lei Wenke” [zh]:

就是要均衡各种污染么?

Midika ve izany hoe tokony lanjalanjaintsika ny karazana fahalotoana isan-karazany?

Nanontany Nanontany tamin'ny alalan'ny fandaharan-teny ny mpandala ny tontolo maitso iray Dong Liangjie:

在市场上不仅有镉大米、还有铅大米砷大米,有的是两个或三个同时超标;产地不仅是湖南,湖北、江西、广西、广东、河南、河北等都有;数量不是万吨,而是上百万吨。这么多产地和数量,如何轮着吃?体制内专家不追根求源、不谈真相,吃着纳税人给的俸禄,转移焦点,职业道德何在?

Tsy vary cadmium ihany no misy eny an-tsena fa ahitana vary firamainty sy vary arsenika ihany koa eny; ny sasany ahitana taharo shimika roa be loatra indray miaraka. [Ny vary voapoizina] tsy avy any Hunan ihany fa misy ihany koa avy any Hubei, Jiangxi, Guangxi, Guangdong, Henan, Hebei, ary ny faritany hafa. Tsy hoe vary an'aliny taonina ihany fa an-tapitrisany taonina. Vary maro dia maro avy amin'ny toerana maro dia maro, ahoana moa ny fomba ivilianao ho any amin'izay hohanina? Tsy manaraka ifotony any amin'ny fototry ny olana na miresaka ny marina momba azy ity ny manampahaizana efa ao anatin'ny rafitra; mampiasa ny volan'ny mpandoa hetra ry zareo ary miezaka ny hampitodika ny fifantohan'ny olona. Fa lasa aiza ny etikan'ny fahaiza-miasa?

Olona manana ny toerany aty amin'ny serasera sy mpitsikera amin'ny tambajotra antsoina hoe “Xue Manzi” no nanolo-kevitra  fa tokony atao lisitra ny lanjan'ny metaly mavesatra entin'ny vary:

鉴于最近大米重金属超标曝光后,大米的污染成了全国人民关注的焦点。为了食品安全,建议在大米白面的外包装上注明其重金属含量。我们实在不希望再重演进口洋奶粉的现象。奶粉还可以背,大米白面实在背不动。印上这个,大家可以放心食用了。大伙儿支持吗?

Lasa nahazo ny fifantohan'ny firenena iray manontolo ny vary voaloto noho ny fahitana ny fahabetsahan'ny cadmium tafahoatra. Mba isian'ny fahazoana antoka ara-tsakafo, mametraka aho mba asiana ny lanjam-piatian'ny metaly mavesatra avokoa isaky ny gonim-bary sy ny lafarinina. Tsy tianay hiverina ny zava-nitranga tamin'ny raharahan'ny vovo-dronono nafarana avy any ivelany [mg]. Afa-mivimbina vovo-dronono isika, fa mavesatra loatra ny vary sy ny lafarinina raha vimbinina [avy any ivelany]. Fa amin'ny alalan'ny fametrahan pirinty izany fampahafantarana izany no ahatsapanay ho mahazo antoka amin'ny fihinanana azy. Misy manohana ny hevitro ve?

Nitaraina [zh] Mitaraina ny mpisera iray “Beiou jixu mengxiang zhilv”:

当空气、水、粮食均被污染后,我们能做的就不是挑选无污染食品,而是跟有污染食品抗争,看我们中国人体内到底能自我排出多少毒了!

Rehefa misy fositra ny rivotra, rano ary ny sakafo dia tsy afa-mihinana sakafo lavitry ny loto isika, fa miady amin'ny sakafo voapoizina mba ahafantarana hoe hatraiza ny fetran'ny poizina azo ampidirina amin'ny vatan'ny vahoaka Shinoa!

Caijing Commentator Ye Tan miantso ny [zh] governemantan'i Hunan mba hangarahara kokoa momba ny fiarovana ara-tsakafo. Saingy, raha ny asehon'ny sarintanin'ny vary voaloto ao Shina dia tsy voafetra ao Hunan ihany ity olana ity fa hita ao Shina amin'ny ankapobeny:

湖南方面应该拿出解决的诚意,公开信息。不公开信息,不承认本地的重金属污染,消费者无法确切地分辨湖南所产大米毒与非毒,最简单的做法是对所有的湖南大米敬而远之。如果公开信息,湖南大米可以被区分为被污染的,与安全的,不公开信息,会让湖南大米出现整体的信用危机,占全国13%的稻田成为废墟。

Tokony hiasa amin-kitsipo amin'ny famahana ny olana amin'ny alalan'ny fampahafantarana ny vahoaka ny fitondrana ao Hunan. Raha tsy misy fampahafantarana mangarahara sy famantarana ny fahalotoana ataon'ny metaly mavesatra amin'ny nofontany dia tsy hahay hanavaka ny vary voapoizina amin'ny vary tsy voapoizina vokatra ao Hunan ny mpanjifa. Ny fomba tsotra ho azy ireo dia ny miala amin'izay rehetra mety ho vary avy any Hunan. Raha misy ny fampahafantarana atao amin'ny vahoaka dia mety ho azo sarahana ho misy vary voapoizina sy vary madio ny varin'i Hunan. Raha tsy misy ny fampahafantarana atao amin'ny vahoaka dia hiatrika krizin'ny (tsy) fitokisana i Hunan. Ho lasa haolo ny tany, izay manana ny 13%n'ny tanimbary ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.