Tranonkala Sosialy Shinoa Miaro Ny Filoha Lefitra Amerikana Amin'ireo Fanehoan-kevitra Mikasika An'i Shina

Niatrika tsikera mamaivay avy amin'ny mpianatra iraisam-pirenena Shinoa ny Filoha Lefitry ny Firenena Amerikana Joe Biden taorian'ny niantsoany an'i Shina ho firenena tsy afaka “mieritreritra zavatra hafa” na “mifoka rivotra malalaka” nandritra ny kabariny fanokafana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Pennsylvania.

Saingy nanohitra ireo Shinoa mpisehatra anaty Aterineto , nitsikera ireo mpianatra any ivelany noho ny fitondran-tenany sy ny fiarovany ny fanehoan-kevitr'i Biden ho mendrika hosaintsainina tsara.

Nandritra ny kabarin'i Biden ny 13 May 2013, nitanisa an'i Shina ny filoha lefitra:

Tsy afaka misaina zavatra hafa ianao ao anaty firenena iray tsy ahafahanao mifoka rivotra malalaka; afaka mieritreritra hafa ianao ao amin'ny firenena iray tsy ahafahanao mifanamby amin'ny hevitra efa raiki-tampisaka, satria ny fanovàna dia miainga avy amin'ny fanaovana fanamby ny hevitra efa raiki-tampisaka.

Maro ireo mpianatra Shinoa iraisam-pirenena no manasokajy ilay tsikera ho mandratra / manafintohina. Andro vitsivitsy taty aoriana, Zhang Tianpu, mpianatra Shinoa iray ao amin'ny Anjerimanontolon'i Pennsylvania, sy ireo mpiaraka aminy dia nandrafitra taratasy ho an'i Biden mangataka fialantsiny.

Hita ao amin'ny YouTube ny lahatsary mikasika ny fanehoan-kevitr'i Biden :

Tsy ela dia lasa nihanaka be tao amin'ny media sosialy Shinoa ireo vaovao. Mihoatra ny 30,000 ireo vahoaka nandray anjara tao amin'ny fitsapan-kevitra tety amin'ny aterineto nampanaovin'ny “Tencent news” momba ilay raharaha – ho an'ny fanontaniana hoe “Hiala tsiny ve i Biden sa tsia?”, 70 isan-jaton'ny mpampiasa aterineto no namaly fa tsy tokony hiala tsiny izy.

Rehefa nizara ireo vaovao miaraka amin'ny lahatsarin'ilay kabary tao amin'ny fanaovana bilaogy kiritika an'ny tranonkala “Sina Weibo” ny lehiben'ny Google fahiny tao Shina, Kaifu Lee, ny 24 May, dia nahasarika tsikera maherin'ny 6.560 tao anatin'ny ora vitsy monja. Maro amin'ireo mpampiasa aterineto no nihevitra fa marina izay voalazan'i Biden, ary ireo hafa kosa nitsikera ireo mpianatra iraisam-pirenena.

Li Lifu, mpanoratra amina trano fanontàna iray any Tianjin no nanazava [zh] ny ampahany amin'ny antony nahatezitra ireo mpianatra :

Video of Biden's speech was widely shared on Sina Weibo. (Image from Sina Weibo)

Lahatsarin'ny kabarin'i Biden nifampizaràna betsaka tao amin'ny Sina Weibo. (Sary avy amin'i Sina Weibo)

这些留学生的父辈中不乏现行体制的受益者,他们很爱这个体制,明白了吗

Ny sasany amin'ny ray amandrenin'ireo mpianatra ireo no nahazo tombontsoa avy amin'ny rafitra misy ankehitriny, ankafizindry zareo io rafitra io, mazava?

“Yilitang Leyouyou” dia nampitaha [zh] ny fiainan'ireo mpianatra amin'ny kolejy any Shina sy ny fiainan'ireo any ivelany:

人家拜登说的没错,这些留学生哪里知道国内人民生活的囧况,他们不用担心买房买车,自由的享受生活,我们这些穷二代大学生毕业后就要开始牛一样的挣钱生存,还要面临各种不公平的竞争。各种悲剧

Marina ny an'i Biden, ahoana no hahatsapan'ireo mpianatra any ivelany ireo ny hamafin'ny fiainan'ny vahoaka Shinoa, tsy mampaninona azy ireo ny mividy fiara na trano, ankafiziny fotsiny ny fiainany malalaka. Isika, izay mpianatra mahantra “andian-taranaka-faharoa” aty amin'ny kolejy, mila miasa mafy mba hahazo vola hahafahana mitazon'aina aorian'ny nahazoana diploma, nefa koa tsy maintsy miatrika karazana fifaninana tsy an-drariny sy loza samihafa.

Mpampiasa Weibo “Pretending to be in New York / Milaza azy ho monina any New York” no nanoratra [zh] tamin-keso hoe:

假如张同学在中国的时候不喜欢领导人的讲话而写信抗议,写完信后他还能自由呼吸吗?

Raha toa io mpianatra atao hoe Zhang io tsy tia ny kabarin'ny filoha Shinoa ary manoratra taratasy ho fanoherana, afaka mifoka rivotra malalaka ve izy taorian'ny namaranany ny taratasiny?

“Jinshi Qinghuan” nampiako [zh] io fihetsehampo io:

你们能抗议美国副总统,这是多大的自由啊。来,回来,抗议个村长。

Afaka manao hetsi-panoherana ny filoha lefitra US ianao, tahaka ny inona ny fahafahana efa anananareo any! Miverena ary manandràma manohitra ny lehiben'ny tanàna.

“Zhu Mengxiang” nitanisa [zh] ohabolana Shinoa iray:

忠言逆耳

Tsy tiana ho re [ao an-tsofina] ireo teny tsy mamitaka.

“Kaopu de Qishi 2011” dia nametraka [zh] fanontaniana mikasika ny fahalalahana maneho hevitra any Shina:

 官场上混的人有几个敢说真话?报纸、电视宣传的有几个是真的?到底是谁该道歉?

Firy amin'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta no sahy manambara ny fahamarinana? Firy amin'ireo gazety sy fahitalavitra no mitatitra ny marina? Hamaranana azy, iza no tokony hiala tsiny?

Feng aili” [zh] nieritreritra fa nahakitika ny marika ny kabarin'i Biden :

中国的这种现状,,真的太需要我们深思

Tena mendrika ny fandalinantsika ny zava-misy eto Shina.

Ny kaonty Weibo an'ny gazetin-tsekoly iray avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Tsinghua ao Shina dia nitatitra fa[zh]:

拜登称中国是不能自由思考的国家,中国学生要求道歉。先别给是否应该道歉下论断,我们更应该反思为什么我们会被人称作不能自由呼吸的国度。我们不能总视己为弱者,带着敏感而又脆弱的爱国情怀去看待一切。道歉不能为我们带来自由的空气,脆弱的爱国也不会成为强国之本,唯有反思才能进步。

Milaza i Biden fa i Shina dia firenena iray tsy afaka hisainana malalaka, ary mangataka fialan-tsiny ireo ny Shinoa mpianatra. Aleo isika tsy hitsara ny hoe tokony hanao fialantsiny i Biden na tsia, tsy maintsy misaintsaina isika amin'ny hoe nahoana isika no hoantsoina ho firenena iray izay tsy ahafahan'ny tsirairay mifoka rivotra malalaka akory. Tsy afaka foana ny hihevi-tena ho marefo isika, amin'ny fijerena ny zava-drehetra miaraka aminà fitiavan-tanindrazana saropady  sy marefo. Ny fialan-tsiny akory tsy hitondra rivotra malefaka ho antsika, ny fitiavan-tanindrazana marefo tsy afaka hampientana ny firenen-tsika, amin'ny alalan'ny fisaintsainana irery ihany no ahafahantsika mitondra fiovàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.