
Mashaei (havia) sy Rafsanjani
loharano: http://isna.ir/
Nanaitra ny maro indray ny fanirian'ny fitondrana islamika hifehy tanteraka ny fiainana ara-politika rehefa nanambara ny nisafidianan'ity farany ireo kandidà valo monja afaka mifaninana hofidiana ho filoham-pirenena tao anatin'ireo 600 nisoratra anarana tamim-panantenana.
Ny tena nampiady hevitra indrindra dia ny fanesoran'ny avy ao amin'ny Vaomieran'ny Mpiandry ireo kandidà roa izay ambony fari-pahalalana: Akbar Hashemi Rafsandhani, filoham-pirenena teo aloha, sy Esfandiar Rahim Mashaei, mpiray tombon'antoka amin'ny filoham-pirenena ankehitriny Mahmoud Ahmadinejad, izay samy sahy nanohitra ilay mpitantana ambony, Ali Khamenei. Amin'izao moa dia Khamenei ihany no afaka manova io fanapahan-kevitra io.
Ny mpitarika an'i Iran nampangain’ i Rafsanjani imasom-bahoaka ho tsy mahazaka ny toerana misy azy sy tsy miraharaha rehefa nanakana azy amin'ny firotsahan-kofidiana.
Nilaza ity bilaogera Mola Hasani ity hoe:
I was very relieved when I heard that Rafsanjani was disqualified… Is it funny that they disqualified the chairman of the Expediency Discernment Council of Iran. They [Council of Guardians] are really stupid and this stupidity makes us happy and hopeful.
Maivana ery aho raha nandre fa tsy voafantina hofidiana i Rafsanjani… Mampihomehy ve raha nahintsan-dry zareo ny filohan'ny Vaomieran'ny mpamantatra ny Tombontsoan'i Iran. Tena adala ireo [Vaomieran'ny Mpiandry ireo] ary izany fahadalany izany no mahafaly sy maha-be fanantenana anay.
Manambara i Azarakan fa:
It is possible that Ali Khamenei would reverse the Council of Guardians’ decision and let Rafsanjani run for the presidential election for several reasons, such as: He wants to make Rafsanjani understand that he can run thanks to his generosity. Khamenei can show the oppressed 2009 victims that he is a wise and good leader. The Leader also aims to show Western powers that he is the one who is in charge.
Azo eritreretina ny mety hanovan'i Ali Khamenei ny fanapahan-kevitry ny Vaomieran'ny Mpiandry ary hamela an'i Rafsanjani hilatsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena noho ny antony maro, toy ny: te hampahafantatra an'i Rafsanjani fa noho ny fahalalam-pony dia afaka milatsaka izy. Afaka mampiseho an'ireo tratran'ny tsindrihazolena tamin'ny taona 2009 i Khamenei fa olo-kendry sy mpitarika tsara izy. Te hampiseho ny Fahefana Tandrefana ihany koa ilay mpitarika fa izy ihany no mitantana.
Namoaka [fa] fanambarana ao amin'ny bilaoginy ny vondrona iray mpanohana an'i Mashaei mba hidiran'ny Mpitari-Tolona hanome hasina indray ny firotsahan'i Mashaei hofidiana.
Nanoratra kosa ilay bilaogera Imayan fa mandainga ny Vaomieran'ny Mpiandry, sady te-hanery ny safidiny amin'ny vahoaka iray manontolo.
Nanoratra [fa] ihany koa i Belgiran fa tsy hahavaha na inona na inona ny fifidianana izay ho avy eo.
“The regime is dead, the military carries a corpse on its shoulders. It's time to bury it, people want change.”
“Maty ny fitondrana, mitondra ny vatana mangatsiaka eny an-tsandriny ny miaramila. Fotoana izao handevenana an'izany, mila fiovàna ny vahoaka.”