Ireo Olo-Miavaka Tsy Nampoizina Sy Ireo Vehivavy Mihazakazaka Ho Filohan'i Iran

One presidential election hopeful.

Iray amin'ireo isan'ny tena olo-miavaka tsy nampoizina maniry ny ho filoha miteny hoe  “Tokony ho tsara tarehy ireo Filoha”. Loharano: Entekhab

Iraniana an-jatony be fanantenana, ao anatin'izany ny vehivavy telopolo, no nisoratra ho kandidà mba hisolo ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad amin'ny fifidianana ho avy ny 14 Jiona 2013 na dia tsy manam-bintana ny ho voafidy aza ry zareo. Namoaka ny lisitra fohin'ireo mpirotsaka ho fidiana izay tena hihazakazaka marina ny Filan-kevitry ny Mpiambina fatra-pandàla ny nentin-drazana.

Eo anilan'ireo mavesa-danja amin'ny lalao politika toa an-dry Akbar Hashemi Rafsanjani filoha teo aloha ary Esfandiar Rahim Mashaei, mpiara-dia amin'i Ahmadinejad, dia misy maro mpirotsaka ho fidiana tsy nampoizina izay nisarika ny sain'ny media, nalaza vetivety nandritra ny fotoana fohy.

Mpirotsaka ho fidiana tsy nampoizina

Ilay lehilahy lehibe ao anatin'ity tafatafa tamin'ny fahitalavitra ity dia miteny fa iriany ny haha-Minisitry ny Fonenana ny zanany lahy matoa raha voafidy eo izy satria tsy mba nanana trano mihintsy ry zareo hatrizay.

http://www.youtube.com/watch?feature=player_detailpage&v=X-RBGeohAWU

Mpirotsaka ho fidiana iray hafa koa niteny hoe “Ireo ho Filoha dia tokony ho tsara tarehy ary manao izay hahafinaritra ny vahoaka.” [sary etsy ambony, lahatsary eto ambany]

Vehivavy mpirotsaka ho fidiana

Vehivavy telopolo no nisoratra anarana nitsangana ho fidiana ho filoham-panjakana amin'ny fifidianana ho avy. Mandritra izany fotoana izany, Mohammad Yazdi, mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny Mpiambina ao Iran dia nampahafantatra fa ny lalànan'i Iran “dia tsy mamela ny vehivavy ho lasa Filoham-pirenena.”

Hoy ilay bilaogera Saeedshabani hoe:

Ramatoa isany, ahoana ny rafi-pitondrana izay tsy manisy lanja anareo ho manan-tsaina tokony hitsangana hirotsaka hofidiana, no hanaiky ny latsabatonareo? Apetrako ity fanontaniana ity: inona no maha-samihafa ny lehilahy sy ny vehivavy? Antenaiko mba hibodo io fifidianana io ny vehivavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.