- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olon-tsotra Mpanao Gazety Maty Teny Am-pandrakofana Fifandonana Tao Syria

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Omar Qatifaan, 14 taona ary mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka media, dia maty ny 21 May 2013 raha nanangom-baovao momba ny fifandonana teo amin'ny tafika Siriana sy ireo mpihoko avy amin'ny Tafika Malalaka  “Free Army” tany amin'ny faritra atsimon'i Daraa al-Ballad any Syria, akaikin'ny sisintany iraisany amin'i Jordania.

Nitatitra momba ny fahafatesany ireo antontan-taratasin'ny tetikasa Siriana [1] ho an'ny median'ny Tanora, ary ny bilaogim-baovao Siriana YALLA SOURIYA [2] dia niantso azy ho ny “Fanahin'i Syria”.

Ilay fifandonanan tao Syria, hatramin'ireo fitroarana ‘Lohataona Arabo’ faha, dia nahitàna fitomboan'ny olon-tsotra mpanao gazety nitatitra avy eny an-kianja ny ady mbola mitohy eo amin'ireo hery mpanohana ny governemanta sy ny mpanohitra azy. Maro no voasambotra, nampijaliana, ary novonoina mihitsy aza rehefa nanandrana nitondra ny tantaran'ny revolisiona [3] ho hitan'izao tontolo izao.

Nanefa be ihany koa ny ankizy madinika nandritra ilay fifandonana, nahitàna ankizy an'arivorivony maty [4] nandritra ny herisetra hatreto.

Media activist Omar was 14 year when he was killed while covering a battle in Daraa, Syria. Source: Twitter account of ‏@RevolutionSyria [5]

Omar Qatifaan mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka media, 14 taona fony izy nisy namono raha nitatitra ny ady tao Daraa, Syria. Sary avy amin'ny kaonty Twitter an'i  ‏@RevolutionSyria [5]

Mpikatroka mafàna fo iray no nandrakitra anaty lahatsary an'i Qatifaan taorian'ny nahafatesany. Nakarin'i SyrianDaysOfRage [6] [SARY MAHERY SETRA] ao amin'ny Youtube izay fandraketana an-tsary izay :