- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady Fiarahamiasa Aminà Orinasa Tsy Miankina Ny Orinasam-pifandraisana Saodiana Mba Hitsikilo Ireo Mpanjifany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Teknolojia

Nangataka fiarahamiasa taminà orinasa tsy miankina iray ny orinasam-pifandraisana faharoa lehibe indrindra ao Arabia Saodita, Mobily, mba hanara-maso ireo fampiharana ara-pifandraisana amin'ny finday ampiasain'ny mpanjifany.

Tamin'ny volana Martsa, nandrahona hanakatona ny WhatsApp, Skype sy ireo fampiharana hafa tsy mifanaraka amin'ny fepetra aman-dalàna Saodiana [1] (mamela ny fanarahamaso na fitsikilovana) ny Vaomieran'ny Teknolojiam-pifandraisana sy ny Fampahalalam-baovao ary nanome fe-potoana ho an'ireo orinasam-pifandraisan-davitra mba hitady vahaolana na hakatona izy ireo. Namoaka fifanakalozan-kevitra tamin'ny alalalan'ny mailaka niarahana tamin'ny Mobily ilay mpikirakiram-pampiharana (developera) Amerikana sady mpiaro ny fiainana manokana Moxie Marlinspike [2] raha nitady fanampiana taminy ity orinasa ity.

Niresaka fampihorohoroana an-tserasera ho entina handresena lahatra azy tamin'ny alalan'ny mailaka ny tompon'andraikim-piarovana ao amin'ny orinasa Mobily :

Raha tsy mahaliana anao izany, angamba manampy ankolaka ireo izay mametra ny fahalalahana amin'ny alalan'ny fihetsika feno herisetra ataon'izy ireo ianao.

Nanapa-kevitra hamoaka izany resaka izany i Marlinspike, ka nahasarika dia nahasarika ny tontolon'ny Twitter Saodiana izany. Raha vao nahasarika olona izany, hoy izy nisioka tamin'ny teny Arabo:

شكرًا للكلمات اللطيفة والتسجيعات من السعودية. كنو دائما بصوت عالي عندما يحاولون اسكاتكم. #موبايلي_تتجسس_على_الشعب

@moxie [3]: Misaotra amin'ireo teny mamy sy fampaherezana avy amin'i Arabia Saodita. Raha miezaka manampim-bava anao izy ireo, mitabatabà mafy.

A line of people outside a Mobily office in Medinah, Saudi Arabia on October 16, 2012. Photo by Kashif Aziz.(CC-BY-Attribution 2.0 Generic) [4]

Filaharana eo anoloan'ny biraon'ny Mobily ao Medinah, Arabia Saodita amin'ny 16 Oktobra 2012. Sary avy amin'i Kashif Aziz.(CC-BY-Attribution 2.0 Generic)

Nisy ireo niantso tsy handray anjara amin'izany, ny hafa kosa nitsikera izay noheveriny fa fototry ny olana, ohatra, ny didy jadona sy ny famoretana. Nitondra ny tenifahatra #موبايلي_تتجسس_على_الشعب [ar] ireo fihetseham-po, izay midika hoe “Mitsikilo ny mpanjifany ny Mobily.”

Mpiserasera Saodiana Faris Abaalkhail niantso ho amin'ny fanovana lalàna :

الحل هو ليس فقط تغيير مزود الخدمه اذا تبت #موبايلي_تتجسس_على_الشعب بل المطالبه بسن قوانين تحمي خصوصيتنا وتجرم مثل هذه الأفعال #السعودية

@FarisAbaalkhail [5]: Tsy ny fanovana mpamatsy ny tolotra ihany no vahaolana raha voamarina fa misy izany, fa ny fanovana lalàna hiarovana ny tsiambaratelontsika sy hanamelohana fihetsika tahaka izany.

Niampanga ny Minisitry ny Atitany ho ao ambadik'izao fikasana hanara-maso (hitsikilo) izao i Bandr al-Amri sy ny hafa maro:

#موبايلي_تتجسس_على_الشعب لذلك يجب معاقبتهم .. و معاقبة من أمرهم بذلك يا # وزارة_الداخلية

@ZajeelBird [6]: Mitsikilo ireo olona ny #Mobily – izany indrindra no tokony hanasaziana azy ireo sy ireo izay nanome baiko, anisan'izany ny Minisitry ny Atitany.